Toko faha 13

1 Sady laha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, la niresaky taminy gny raiky tamin'ireo mpianany hoe:" Mpampianatsa o, Jereo gny hasoan'ny vato voho gny hasoan'ny rafitsy!" 2 Hoy ie taminy hoe:" Hitanao va reto rafitsy bevata reto? Tsy henga hisy vato raiky hifanongoa eo ka tsy harava." 3 Sady laha nipetraky teo an-tendrombohits'Oliva tandrifin'ny tempoly Ie, la nagnontany Gnazy mangingina Petera, Jakoba, Jaona voho Andrea hoe:" 4 Lazao aminay, mbia ro hitranga io raha iaby io? Ino ro famantara lafa hitranga reo raha reo?" 5 Sady Jesosy nanomboky niresaky tamin-drozy hoe:" Mitandrema mba tsy hisy olo hampivily lala gnanareo. 6 Fa maro ro ho avy amin'ny agnarako voho hilaza hoe:" Zaho ro Ie, voho maro ro voafitany. 7 Lafa mahare aly voho resabe momban'y aly nareo, la ka manahy ; tsy maintsy hitranga reo, fa mbo tsy zay gny farany. 8 Fa hisy firenena hitsanga hamely firenena, voho hisy fanjakana hamely fanjakana. Voho hisy horohoron-tany amin'ny toerana maro, sady hisy mosary. Io ro fiandohan'ny fahorian'ny fiteraha. 9 Mitandrema nareo . Hatolon-drozy amin'ny Synedriona nareo, ka hovangoa ao amin'ny Synagoga. Hitsanga magnatriky re mpanapaky voho reo mpanjaka noho gny Amiko nareo, ho vavolombelo amin-drozy. 10 Fa gny Fialazantsara la tsy maintsy hotory agny amin'ny firenena iaby aloha. 11 Lafa manambotsy voho manolotsy gnanareo rozy, la ka manahy gny amin'izay tokony ho resahinareo. Fa amin'igny ora igny, la hamea gnanareo zay tokony ho resahinareo; tsy nareo akory ro hiresaky, fa gny Fagnahy Masina. 12 Gny rahalahy hanolotsy gny rahalahiny ho maty, voho gny babany hanolotsy gnanany. Gny anaky hitsanga hanohitsy gnan-drozy. 13 Ho halan'ny olo iaby nareo noho gny Agnarako. Fa ndra ia ia maharitsy hatramin'ny farany, la ho voavonjy io olo io. 14 Fa laha hitanareo mitsanga eo amin'ny tsy tokony hitsanganany gny fahavetavetan'ny fandrava( ao hisaina zay mamaky) , la ao zay bakagny Jodia iaby handositsy egny an-tendrombohitsy, 15 zay ao an-tampon-tragno ao tsy hizotso ao an-tragno na hamoaky raha bakao amin'io, 16 voho zay agny an-tsaha ao tsy himpoly hangalaky gny sikiny. 17 Lozan'ireo ampela bevoka voho mampinono amin'io andro io! 18 Mivavaha nareo mba tsy ho amin'ny ririnina ro hitrangan'io. 19 Fa hisy fahoria bevata, zay mbo tsy nisy hatramin'ny voalohany, lafa namoro gnan'izao tontolo zao Ndranagnahary, ka mandrak'ankehitsiny, tsia , voho mandrakizay tsy hisy sasy io. 20 Sady laha tsy hoe nohafehezin'ny Tompo io andro io, la tsy hisy nofo ho voavonjy. Fa nohon'ny olom-boafily, zay nifiliny, la nafohezin'ny isan'io andro io. 21 Sady laha misy olo miresaky aminao hoe:" Jereo , atoy Gny Kristy!" na koa hoe:' Jereo , egny Ie!" la ka mino gnan'io. 22 Fa hisy Kristy sandoky voho mpaminany sandoky hiseho ka haneho famantara voho fahagaga , mba hamitaha , ndra la gny olom-boafily aza, laha azo atao. 23 Miambena! Fa voalazako taminareo mialoha gny fotoan'ireo raha iaby reo. 24 Kanefa afaran'ny fahorian'ireo andro reo, la hihamahiky gny masoandro, gny vola tsy hagnome gny hazavany, 25 reo kintana hiraraky bakegny amin'ny lanitsa voho reo hery zay ao an-dagnitsy ho hozongozonina. 26 Ka ho jerin-drozy gny anakOlo bakegny amin'ny rahona amin'ny hery bevata voho voninahitsy. 27 Sady hagniraky gny anjeliny Ie ka hamory miaraky reo olom-boafily bakagny amin'ny vazan-tany efatsy, bakagny amin'ny faran'ny tany ka hatragny amin'ny faran'ny lanitsa. 28 Mangala lesona bakamin'ny hazon'aviavy. Laha vao magnaroky voho mandry gny rantsany, la hainareo fa mariniky gny lohatao. 29 Manahaky gnan'io koa, laha vao hitanareo mitranga io raha iaby io, la hainareo fa fa mariniky Ie, magnariniky gny vavahady. 30 Resahiko aminareo, marina tokoa, toy avorohota toy la tsy ho lany ritsy mandra-pitrangan'io raha iaby io. 31 Ho levona gny lanitsa voho tany, fa gny safako koa tsy mba ho rava mandrakizay. 32 Fa gny mahakasiky gnan'io andro na ora io, la tsy misy mahay, ndra la anjely agny an-dagnitsy aza, na gny Anaky , fa gny Ray avao. 33 Mitandrema! Miambena, fotony tsy hainareo gny ora.( Fanamariha: Reo fahefa taloha la hoe: Mitandrema! Miambena voho mivavaha, fotony....) 34 Io la manahaky gny johary raiky handeha lavitsy _nagnenga gny tragnony ie ka reo mpanompony ro nataony niandraikitsy gny tragnony, samby amin'ny raharahany aby, sady nandidy gny mpiamby Ie mba tsy hatory. 35 Koa miambena, fotony tsy hainareo hoe mbia ro ho avy gny tompon-tragno; mety ho amin'ny hariva io, na amin'ny sasak'aly, na magneno akoho, na maray. 36 Fa laha avy tampoky ie, la ka enga hahita gnanareo miroroie. 37 Zay lazaiko aminareo la resahiko amin'ny olo iaby koa: Miambena!"