Toko faha 23

1 Yaveh nivola tamin'' Mosesy hoe: 2 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely, sady ambarao amin-drozy hoe: ' Reto aby reo firavoravo voatendry ho gnan'i Yaveh, zay tsy maintsy ambaranareo ho fiombona masy; reo ro fisinisinia mahazatsy. 3 Afaky miasa agnatiny gny enign'andro nareo, fa gny andro fahafito la sabata fitsahara tanteraky, fiombona masy. Ao nareo tsy hiasa fotony Sabata ho gnan'i Yaveh amin'ny toera iaby zay hipetraranareo izay. 4 Reto aby reo fisinisinia voatendrin'i Yaveh, la reo fiombona masy zay tsy maintsy ambaranareo amin'ny fotoa voatondro: 5 Amin'ny vola voalohany, amin'ny andro faha efatsy gny vola amin'ny takariva, ro Paskan'i Yaveh. 6 Amin'ny andro faha-limy ambin'ny folon'io vola io avao gny Fisinisinian'ny Mofo tsy Misy Masirasira ho gnan'i Yaveh. Agnatiny gny fito andro nareo la tsy maintsy mihina mofo tsy misy masirasira. 7 Gny andro voalohany la tsy maintsy atokanareo mba hiangona miaraky; tsy hanao reo asa mahazatsy anareo nareo. 8 Hanolotsy fagnatitsy hohany ho gnan'i Yaveh nareo agnatiny gny fito andro. Gny andro fahafito la fiombona natoka ho gnan'i Yaveh, sady amin'io andro io nareo la ao tsy hanao gny asa mahazatsy."' 9 Yaveh nivola tamin'i Mosesy, nanao hoe: 10 " Mivolagna amin'ny olon'Israely sady ambarao amin-drozy hoe: ' Lafa avy ao amin'ny tany rozy hameako anareo nareo, sady lafa minjinja reo vokats'izay nareo, la tsy maintsy manday gny amboaran'ny voaloham-bokatr'izay ho an'ny mpisoro. 11 Hanondrotsy gny amboara eo agnatrehan'i Yaveh rozy sady hanolotsy izay ho Gnazy, fa ho ankasitrahy eo agnaminareo izay. Amin'ny andro afaran'ny Sabata ro hanondrotan'ny mpisoro izay voho hanolorany izay ho Gnahy. 12 Amin'ny andro zay hanondrotanareo gny amboara voho hanolotsy izay ho Gnahy, la tsy maintsy manolotsy anak'aondry lahy raiky herintao voho tsy misy handra ho fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh nareo. 13 Gny fagnatitsy voa la tsy maintsy koba manify roe ampahafon'ny efaha miaro menaky, fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh, sady divay fagnatitsy inomy, raiky ampahefany gny hina miaraky amin'izay. 14 Ao nareo tsy hihina mofo, na vary nendasy na tsotsa, zisiky iavianign'andro nandaisanareo io fagnatitsy io ho an'ny Ndranagnaharinareo. Ho lalagna raikitsy amin'ny avorohotan'ireo vahoakanareo, amin'ny toera iaby hipetrahanareo izay. 15 Manomboky amin'ny andro afaran'ny Sabata__zay andro nandaisanareo gny amboaran'ny fagnatitsy ahevaheva__la manisa fito herign'andro feno. 16 Hanisaky dimampolo andro, zay ho andro afaran'ny Sabata fahafito nareo. Bakeo la tsy maintsy hanolotsy fagnatitsy vary vaovao ho gnan'i Yaveh. 17 Tsy maintsy handay mofo roe natao tamin'ny roe ampahafolon'ny afaha bakagny an-tragnonareo nareo. Ao ho vita amin'ny koba soa lisa voho mofo misy lalivay reo; ho fagnatitsy voaloham-bokatsy ahevaheva ho gnan'i Yaveh reo. 18 Tsy maintsy atolotrareo miaraky amin'ny mofo reo anak'aondry lahy fito herintao voho tsy misy handra, vantotr'ambilahy raiky, sady aondrilahy roe. Tsy maintsy atao fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh, miaraky amin'ny fagnatitsy voan-drozy voho gny fagnatiny inomy reo, fagnatitsy zay natao tamin'ny bolo ka mamoaky hagnitsy ankasitraha ho gnan'i Yaveh. 19 Tsy maintsy manolotsy aosilahy raiky ho an'ny fagnatitsy gny heloky nareo, sady anak'aondrilahy roe herintao ho an'ny soro, ho fagnati-pilongoa. 20 Gny mpisoro la tsy maintsy magnevaheva reo miaraky amin'ny mofon'ireo voaloham-bokatsy eo agnatrehan'i Yaveh, sady manolotsy gnan-drozy ho Gnazy mba ho fagnatitsy miaraky amin'ireo anak'aodry roe. Amin'ireo mpisoro, reo fagnatitsy masy ho gnan'i Yaveh. 21 Amin'io andro io avao nareo la tsy maintsy manao fagnambara. Hisy gny fiombona masy, ka tsy hanao gny asa mahazatsy nareo. Ho lalagna raikitsy amin'ny avorohotan'ireo vahoakanareo amin'ny toera iaby hipetrahanareo izay. 22 Lafa mijinja gny vokatsy gny taninareo nareo, la tsy tokony hinjinja tanteraky reo zoron'ireo sahanareo, sady tsy tokony hamory zay latsaky amin'ny vokatrareo. Ao henganareo ho an'ny mahantra voho ho an'ny vahiny reo. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo."' 23 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 24 "Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely sady mivolagna hoe: 'Amin'ny vola fahafito, gny androvoalohan'izay vola izay la ho fitsahara manetriketrikyho anareo, fahatiarova miaraky amin'ny fitsofa trompetra, sady fiombona masy. 25 Ao nareo tsy hanao gny asa mahazatsy, sady ao nareo hanolotsy soro natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh."' 26 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 27 " Sady amin'ny andro fahafolon'izay vola fahafito izay ro Andron'ny Fagnavota. Ho fiombona masy izay, sady nareo la tsy maintsy manetsy gny vatanareo sady manolotsy fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. 28 Ao nareo tsy hiasa amin'io andro io fotony Andron'ny Fagnavota izay, mba ho fagnavota ho an'ny vatanareo eo agnatrehan'i Yaveh Ndranagnaharinareo. 29 Zay iaby tsy manetry gny vatany amin'io andro io la tsy maintsy ala bakeo amin'ny olony. 30 Na ia na ia miasa amin'ioandro io, Zaho, Yaveh, la handrava gnazy eo amin'ireo olony. 31 Ao nareo tsy hanao asa amin'io andro io na ino na inoizay. Ho lalagna raikitsy amin'ny avorohotan'ireo vahoakanareo amin'ny toera iaby hipetrahanareo izay. 32 Izay andro izay la tsy maintsy ho Sabata fitsahara manetriketriky ho anareo, sady nareo la tsy maintsy manetry gny vatanareo amin'ny andro fahavin'ny vola amin'ny hariva . Manomboky amin'ny hariva ka zisiky hariva nareo la hankalaza gny Sabatanareo." 33 Yaveh nivola tamin'i Mosesy, nanao hoe: 34 " Mivolagna amin'ny olon'Israely, manao hoe: " Aminign'andro fahalimy ambin'ny folon'ny vola fahafito ro ho Fisinisinian'ny Fialofa ho gnan'i Yaveh. Haharitsy fito andro izay. 35 Amin'ny andro voalohany la tsy maintsy hisy fiombona masy. Ao nareo tsy hanao gny asa mahazatsy. 36 Agnatiny reo fito andro nareo la tsy maintsy manolotsy soro nato tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. Amin'ny andro fahavalo la tsy maintsy hisy fiombona masy, sady tsy maintsy manao soro amin'ny bolo atolotsy ho gnan'i Yaveh nareo. Fiombona manetriketriky izay sady nareo la ao tsy hanao gny asa mahazatsy. 37 Reo ro fisinisinia voatendry ho gnan'i Yaveh, zay tsy maintsy ambaranareo hofiombona masy mba hanolora soro natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh, fagnatitsy oroa voho fagnatitsy zary, soro voho fagnatitsy inomy, gny kiraidraiky samby amin'ny androny aby. 38 Reo fisinisinia reo la hiampy reo Sabatan'i Yaveh voho reo fanomezanareo, reo voalinareo iaby, sady reo fagnatitrareo an-tsitrapo zay homeanareo gnan'i Yaveh. 39 Mikasiky gny fisinisinian'ny Fialofa, amin'ny andro fahalimy ambin'ny folon'ny vola fahafito, lafa voaavorinareo reo vokatsy gny tany, la tsy maintsy tandremanareo io fisinisinian'i Yaveh agnatin'ny gny fito andro io. Gny andro voalohany la ho fitsahara manetriketriky, sady gny andro fahavalo avao koa la ho fitsahara manetriketriky. 40 Amin'ny andro voalohany nareo la tsy maintsy mangalaky gny vokatsy soa mare bakamin'ireo hazo nareo, sampan'ny hazo rofia, voho sampany be ravy ao amin'ny ala mikitroka, sady hazo malahelo egny amin'ireo loharano, sady hifaly eo agnatrehan'i Yaveh Ndranagnaharinareo agnatiny gny fito andro nareo. 41 Agnatiny reo fito andro isan-tao, la tsy maintsy mankalaza io fisinisinian'i Yaveh io nareo. Ho lalagna raikitsy amin'ny avorohotan'ireo vahoakanareo amin'ny toerany iaby hipetrahanareo izay. Tsy maintsy hankalaza io fisinisinia io nareo amin'ny vola fahafito. 42 Ao nareo hipetraky amin'ny fialofa kelikely agnatiny fito andro. Reo Israelita tera-tany iaby la tsy maintsy hipetraky amin'ny fialofa kelikely agnatiny fito andro, 43 mba ho afaky hianatsy gny fomba namponenako gny olon'Israely tamin'ny fialofa manahaky izay lafa notarihiko niala gny tany Egypta reo avorohotanareo, gny avorohota mifandimby. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo."' 44 Tamin'izay fomba izay, ro nagnambaran'i Mosesy tamin'ny olon'Israely reo fisinisinia voatendry ho gnan'i Yaveh.