Toko faha 22

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'i Arona voho reo anany lahy, ambarao rozy mba hitandry reo raha masin'ireo anak'Israely, fa voatoka ho Gnahy reo. Ao tsy hanimbazimba gny Agnarako masy rozy. Zaho ro Yaveh. 3 Ambarao gnan-drozy hoe: ' Laha misy amin'ireo avorohotanareo amin'ny fara aman-dimbinareo fa voatokan'ny anak'Israely ho gnan'i Yaveh, kanefa maloto ie, la ao ho fongory eo agnatrehako izay olo izay: Zaho ro Yaveh. 4 Tsy misy amin'ireo avorohotan'i Arona zay mana areti-kolitsy mifalo, na arety mikoria amin'ny liony tsy an-kijano bakamin'ny vatany, ka afaky hihina gny soro natao ho gnan'i Yaveh ambara-pahalio gnazy. Zay iaby mikasiky gny raha maloto na mifandray amin'ny maty, na amin'ny fifandraisa amin'ny johary zay mandeha tsirinaina tsy an-kijano, 5 na reo iaby mikasiky gny biby mikasiky iaby zay mampaloto gnazy, na gny olo zay mampaloto gnazy, na karaza loto ino izay na ino__ 6 ka gny mpisoro zay mikasiky gny raha maloto iaby la haloto mandra-pahariva gny andro. Ao tsy hihina gny amin'ireo raha masy iaby ie, laha tsy fa nampandro gny vatany tamin'ny rano . 7 Lafa milentiky gny masoandro lahalio ie. Afaran'ny filetehan'ny masoandro ie ro afaky hihina amin'ireo raha masy, fotony sakafony reo. 8 Ao ie tsy hihina reo laha hitany maty na nivinonon'ny bibi-dia zay handotoany gny vatany hanaraky reo fampianarako, fandra ho meloky amin'ny ota rozy ka ho maty amin'ny fanimbazimba Gnahy. Zaho ro Yaveh zay nagnamasy reo. 10 Tsy misy olo ivelan'ny fianakavian'ny mpisoro, isan'izay gny vahinin'ny mpisoro na reo mpanompony mpikarama, afaky hihina gny raha-masy iaby. 11 Nefa laha mivily andevo amin'ny dralany manoka gny mpisoro, izay andevo izay la afaky hihina amin'ireo raha zay voatoka ho gnan'i Yaveh. Gny fikambanan'ny fianakavian'ny mpisoro voho reo andevo teraky tao an-tragnony, rozy avao koa la afaky hihina reo raha reo miaraky aminy. 12 Laha gny anak'ampelan'ny mpisoro ro manambaly olo zay tsy mpisoro, la tsy afaky hihina amin'ireo anjara fagnatitsy masy ie. 13 Fa laha mpitondra-tena gny anak'ampelan'ny mpisoro, na nisara-baly, sady laha tsy managn'anaky ie, ka mimpoly mitoetsy amin'ny tragnon-drainy manahaky gny tamin'ny fahazazany, la afaky hihina gny sakafon-drainy. Fa tsy misyolozay tsy ao agnatin'ny fianakavian'ny mpisoro afaky hihina amin'ny sakafon'ny mpisoro. 14 Laha misy olo mihina tsy nahy gny sakafo masy, la ao ie hanonitsy izay amin'ny mpisoro; ao ie hanampy raiky ampahalimin'izay sady hampoly izay agny amin'ny mpisoro. 15 Ao gny anak'Israely tsy hametaveta gny raha masy zay fa nasondrotsy agnabo voho natolotsy ho gnan'i Yaveh, 16 sady tsy hampanday gny tenan-drozy gny fahota zay manameloky gnan-drozy amin'ny fihinana gny sakafo masy, fa Zaho ro Yaveh zay magnamasy reo."' 17 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 18 : Mivolagna amin'i Arona voho reo anaky lahiny, sady amin'ireo anak'Israely iaby. Ambarao gnan-drozy hoe: ' Gny Israelita iaby, na vahiny mitoetra ao Israely, lafa manolotsy soro rozy, na__hagnantanteraky voaly izay, na fagnatitsy antsitra-po, na hatolotrin-drozy amin'iYaveh gny fagnatitsy oroa, 19 laha ho ankasitraha izay, laao rozy hanolotsy biby fihare lahy tsy misy handra, aondry, na aosy. 20 Nefa ao nareo tsy hanolotsy zay manan-kandra. Tsy hankasitraky izay eo aminareo Zaho. 21 Zay iaby manolotsy fagnati-pilongoa bakamin'ny aomby na gny aondry ho gnan'i Yaveh mba hanatanteraha voaly, na fagnatitsy atsitra-po, la tsy tokony ho handrany izay mba ho ankasitraha. Ao tsy hisy biby manan-kandra. 22 Ao tsy hanolotsy biby jiky, sembana, na handrany, na zay misy fahabokana,marary, na ferena nareo. Ao tsy hanolotsy reo amin'i Yaveh ho soro bakamin'ny bolo eo amin'ny alitara nareo. 23 Afaky manolotsy aomby raiky na anak'aondry zay sampony na kelikely ho fagnatitsy atsitra-po nareo, nefa gny fagnatitsy manahaky izay la tsy ho ankasitraha ho an'ny voaly. 24 Ka manolotsy biby zay fa voatorotoro,potipotiky, tatatataky, na vositsy ho gnan'i Yaveh. Ka manao izay ao amin'ny taninareo. 25 Ao nareo tsy hanolotsy gny mofon'ny Ndranagnaharinareo bakamin'ny tagnan'ny vahiny. Reo biby reo la sampona sady manan-kandra, tsy ho ankasitraha ho anareo reo."' 26 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh sady nanao hoe: 27 " Lafa teraky gny aomby na gny aondry na gny aosy, la tsy maintsy mijano hafitoa miaraky amin'ny reniny izay. Sady manomboky amin'ny andro fahavalo, la azo ankasitraha ho fagnatitsy natao amin'ny bolo ho an'i Yaveh izay. 28 Ka mamono aomby vavy na aondry vavy miaraky amin'ny anany, ao agnatin'ny raiky andro. 29 Lafa manao soro fagnati-pisaora ho an'i Yaveh nareo, la ao hanao soro izay amin'ny fomba azo ekena. 30 Ao hohany amin'ny andro zay nagnaova soro gnazy izay. Ao tsy hisy avelanareo hotra-maraindray izay.Zaho ro Yaveh. 31 Ka ao hitandry gny liliko voho hagnatanteraky reo nareo. Zaho ro Yaveh. 32 Ao tsy hanamavo gny Agnarako masy nareo. Ao ho eke ho masy amin'ny alalan'ny anak'Israely Zaho. Zaho ro Yaveh zay nagnamasy anareo, 33 Zay nanday anareo niboaky bakagny Egypta mba hoNdranagnaharinareo: Zaho ro Yaveh."