Tokon faha 18

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely sady ambarao an-drozy hoe: ' Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 3 Ka manao gny raha zay ataon'ny vahoaky agny Egypta, zay nipetrahanareo taloha. Ka manao zay raha ataon'ny vahoaky ao Kanana, gny tany zay handaisako gnanareo. Ka magnaraky gny fomban-drozy. 4 Gny lalako ro ao hataonareo, sady reo liliko ro ao ho tandremanareo, mba handehananareo eo amin-drozy, fotony Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 5 Noho izay la tandremo reo lily aman-dalako. Laha misy olo mankato regny, la velo noho ie regny ie. Zaho ro Yaveh 6 Ao tsy hisy olo hiara-mandry amin'izay olo mifandramby marikitsy aminy. Zaho ro Yaveh. 7 Ka mangalaky baraka gny babanareo amin'ny fatoriamiaraky amin'ny reninareo. Reninareo ie! Ka mangalaky baraka gnazy. 8 Ka miaraky miroro amin'ireo valiny babanareo; ao nareo tsy hangalaky baraka gny babanareo manahaky izay. 9 Ka miaraky miroro aminy zay anabavinareo, na anak'ampelan'ny babanareo, na la natsanga tao amin'ny tragnonareo na lavitsy gnanareo aza ie. Ka miaraky miroro amin'ny anabavinareo. 10 Ka miaraky miroro amin'ny anak'ampelan'ny anakareo lahy na amin'ny anaky lahin'ny anakareo vavy. Fa ho hegnatsy ho gnanareo avao izay. 11 Ka miaraky miroro amin'ny anak'ampelan'ny valiny babanareo, zay nateraky gny babanareo. Anabavinareo ie,sady ao nareo tsy hiaraky miroro aminy. 12 Ka miaraky miroro amin'ny anabaviny babanareo. Longo marikitsy babanareo ie. 13 Ka miaraky miroro amin'ny rahavaviny reninareo. Longo marinikin'ny reninareo ie. 14 Ka mangalaky baraka gny rahalahiny reninareo amin'ny fiaraha miroro amin'ny valiny. Ka magnariny gnazy amin'izay tanjona izay; nenitoanareo ie. 15 Ka miara-mandry amin'ny vinanto vavinareo. Valin-janakareo ie; ka miraky miroro aminy. 16 Ka miaraky miroro amin'ny valiny rahalahinareo; ka mangala baraka gnazy amin'izay fomba izay. 17 Ka miaraky miroro amin'ny ampela raiky voho gny anany, na amin'ny anak'ampelany anany lahy na amin'ny anak'ampelany anany vavy. Longo maniky gnazy rozy, sady faharatia gny fiaraha miroro amin-drozy. 18 Ao nareo tsy hanam-baly gny rahavavim-balinareo ho valy faharoa sady hiaraky miroro aminy laha mbo velo gny valinareo voalohany. 19 Ka miaraky miroro amin'ny ampela agnatiny gny fandimbolany. Maloto ie agnatin'izay fotoa izay. 20 Ka miaraky miroro amin'ny valin'ny mpiara belo agnaminareo ka handoto gny vatanareo miaraky aminy amin'izay fomba izay. 21 Ao nareo tsy hagnome reo anakareo ho atao eo amin'ny bolo, fa manao soro gnazy reo ho gnan'i Moloka nareo amin'izay, fotony tsy mahazo maniratsira gny agnaran-Dranagnaharinareo nareo. Zaho ro Yaveh. 22 Ka miaraky miroro amin'ny johary hafa mahaky gny miaraky amin'ny ampela. raty izay. 23 Ka miaraky miroro amin'ny biby voho mandoto gny vatanareo miaraky amin'izay. Ao tsy hisy ampela hihevitsy fiaraha miroro amin'ny biby.Fahavetavetaizay. 24 Ka mandoto gny vatanareo amin'ireo fomba reo, fa tamin'ireo fomba iaby reo ro nampahaloto reo firenena, reo firenena zay ho roasiko eo agnatrehanareo. 25 Voaloto gny tany, ka nosaziko gny fahotan-drozy, sady nandoa reo mponiny gny tany. 26 Noho izay, nareo, la ao hitandry gny liliko voho gny fitsipiko, sady ao nareo tsy hanao reo raha-mahatsiravina reo, na gny tera-tany Israelita izay na vahiny zay mipetraky eo aminareo. 27 Fa izay ro fahatiaroava fa nataon'ny mpinin'ny tany, reo zay nipetraky teto talohanareo, sady voaloto gny tany henanizao. 28 Noho izay la mitandrema mba tsy haloan'ny tany avao koa nareo afaran'ny nandotoanareo gnazy, manahaky gny nandoavany gny vahoaky zay teo agnatrenareo. 29 Na ia na ia manao reo raha-mahatsiravina reo, reo olo zay manao raha manahaky izay la ho ala tsy ho eo amin'ny vahoakan-drozy. 30 Noho izay la tandremo gny liliko mba tsy hanao reo fomba mahatsiravina zay natao teto talohanareo reo, ka tsy handotoanareo gny vatanareo amin'ireo. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo."'