Toko faha 17

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Mivolagna amin'i Arona voho reo anaky lahiny, voho amin'ny vahoakan'Israely iaby. Volagno an-drozy zay nandidian'i Yaveh: 3 ' Gny johary ao Israely zay mamono aomby, anak'aondry, na aosy eo amin'ny toby na mamono izay ivelan'ny toby, mba hanao soro izay__ 4 Ka laha tsy manday izay eo amin'ny filira amin'ny tragno-lay fihaogna mba hagnatitsy izay ho soro ho gnan'i Yaveh agnatrehan'ny tabernakeliny ie, la ho meloky amin'ny fandatsaha lio izay johary izay. Nandatsaky lio ie, sady tsy maintsy ala eo amin'ny vahoakany izay joahary izay. 5 Gny anton'izay lily izay la gny mba handaisan'ny vahoakan'Israely gny soron-drozy amin'i Yaveh eo amin'ny filira ao amin'ny tragno-lay fihaogna, mba hatolotsy gny mpisoro ho fagnati-pilongoa amin'i Yaveh, fa tsy hagnatitsy soro ao amin'ny baibo malalaky. 6 Hanondraky gny lio eo amin'ny alitaran'i Yaveh eo amin'ny filira ao amin'ny tragno-lay fihaogna gny mpisoro; hagnoro gny sabora ho an'izay ie mba hagnome hagnitsy mamerovero ho gnan'i Yaveh. 7 Ao tsy hagnatitsy gny soron-drozy amin'ny sampy aosy sasy gny vahoaky, fa tamin'izay ro nanaovan-drozy finjanganjanga. Ho lalagna maharitsy eo amin-drozy hatramin'ny avorohota fara-mandimbiny izay.' 8 Ao iha hagnenty amin-drozy hoe: 'Na ia na ia johary eo amin'Israely, na vahiny zay mipetraky eo amin-drozy, magnatitsy fagnatitsy oroa na soro 9 ka tsy manday izay eo amin'ny filira ao amin'ny tragno-lay fihaogna mba hanao soro izay ho gnan'i Yaveh, la ao ho ala eo amin'ny vahoakany izay johary izay. 10 Laha misy olo amin'ny avorohotan'Israely, na misy vahiny zay mipetraky eo amin-drozy mihina lio, la hanondrotsy gny vatako hanohitsy izay olo izay Zaho sady hanongotsy izay olo izay eo amin'ny vahoakany Zaho. 11 Fa ao amin'ny liony gny biby. Nomeako gnanao gny lion'izay mba hampisy fagnavota eo amin'ny alitara ho an'ny ainareo, fotony gny lio ro mampisy fagnavota, fa gny lio ro manohitsy gny ay. 12 Noho izay la nivola tamin'ny vahoakan'Israely Zaho mba tsy hisy hihina lio eo aminareo, na misy hihina lio zay vahiny mipetraky eo agnaminareo. 13 Na ia na ia amin'ny vahoakan'Israely, na zay vahiny mipetraky eo amin-drozy, zay magnenty voho mamono biby na voro zay azo hani, la handraraky gny lion'izay sady hanorototsy tany gny lio. 14 Fa ao amin'ny liony gny ain'ny zava-boaary iaby. Izay ro nivolagnako tamin'ny vahoakan'Israely hoe: " Ao nareo tsy hihina gny lion'ny zava-boaary, fotony ao amin'ny liony gny ain'ny zava-managn'ay iaby. Na ia na ia mihina izay la ao ho roahy." 15 Gny olo kiraidraiky mihina biby fa maty na voaviraviran'ny bibi-dia, ma tera-tany na vahiny gny olo mipetraky eo aminareo, la ao ie hanasa gny akanjony sady hampandro gny vatany amin'ny rano, sady haloto ie zisiky iavian'ny gna'andro. La halio ie bakeo. 16 Fa laha tsy manasa gny akanjony na mampandro gny vatany ie la ao ie hizaka gny helony."