Toko faha 5

1 Vantany vao ren'ireo mpanjakan'i Amorita iaby amin'ilany antignan'i Jordana, voho reo mpanjakan'i Kananita iaby, ze nagnamora gny sisin'ny Ranomasy bevata, fa i yaveh la fa nandritsy gny ranon'ny Jordana mandra-pitan'ny fokonolon'Israely, la nitsiniky gny fon-drozy, sady tsy nisy fagnahy sasay tao amin-drozy noho reo fokonolon'Israely. 2 Tamin'io fotoa io la hoy i Yaveh tamin'i josoa hoe:' Magnamboara antsy afovato sady forao ndraiky mandeha reo johar'Israely manontolo." 3 Sady Josoa nagnamboatsy meso afovato ka namora reo joharin'Israely manontolo tao GibeataHaralota. 4 Zao ro antony namoran'i Josoa gnan-drozy: Gny johary iaby ze niboaky gnan'i Egypta, agnisan'io reo johary mpialy iaby, la maty an-dala tagny agn'efitsy, tafaran'ny niboahan-drozy bakagny Egypta. 5 Ndra la voafora iaby aza gny lahy iaby ze niboaky gnan'i Egypta, la mbo tsy nisy tamin'ireo zazalahy teraky an-dala tagny agn'efitsy noboaky gnan'i Egypta ro voafora. 6 Fa reo fokonolon'Israely la nandeha efapolo tao tagny agn'efitsy mandrahahafaty reo fokonolo iabyizanhy hoe, gny johary mpialy iaby ze niboaky gnan'i Egypta, la maty, fotony tsy nankato gny feon'i Yaveh rozy. Niainiana tamin-drozy Yaveh fa tsy hamela gnan-drozy hahita gny tany ze nianianany tamin'ny razamben-drozy fa hame gnan-drozy , la tany tondra-dronono voho tantely. 7 Gny anan-drozyro natsangan'i Yaveh teo amin'ny toeran-drozy ze namoran'i Josoa, fotony tsy voafora tegny an-dala rozy. 8 Lafa voafora iaby rozy iaby, la nijano tao amin'ny ze nivoriany rozy mandra-pahasitran-drozy. 9 Sady hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe:' androany la fa nanaisotra taminareo gny fahambarakan'i Egypta Aho." Ka gny agnaran'io toera io la nikaihy hoe Gilgala mandrak'androny. 10 Nivory tao Gilgala gny fokonolon'Israely. Najarin-drozy ho gnan'ny harivan'ny folo efantsamby andron'ny volan'ny Paska, teo amin'ny lemak'i Jeriko. 11 Nihina gny sasany tamin'ny vokatsy gny tany rozy tafaran'ny paska: mofo tsy misy masirasira, sady vary voaendy. 12 Nijano tamin'ny andro tafaran'ny nihinana-drozy gny vokatsy gny tany gny mana. Tsy nisy mana ho gnan'ny fokonolon'Israely sasy, fa nihina gny vokatsy gny tany Kanana rozy tamin'io tao io. 13 Lafa teo agnilan'i Jeriko i Josoa, la nanadratsy gny masony sady nijery, sady ingo, nisy johary raiky nijoro teo agnatrehany; notsoahiny gny sabany sady teny an-tagnany io. Nagnegny aminy i Josoa sady nisafa hoe:' Momba gnanay iha sa momba gny fahavalonay?" 14 Hoy ie:' Tsia. fotony mpibaiko gny tafik'i Yaveh aho. Avy aho amizao." Sady Josoa niankohoky tamin'ny tany mba hanompo sady nitena taminy hoe:' Ino ro lazain'ny tompoko amin'ny mpanompony? 15 Gny mpibaikon'ny Tafik'i Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe:' Alao amin'ny tombokao gny kapanao, fotony gny toera ze ijoroanao la masy. La io ro nataon'i Josoa.