Toko faha 4

1 Lafa tafita gnan'i Jordana gny olo iaby, la nivola tamin'i Josoa i Yaveh: 2 " Mifilia iha johary foloroamby amin'ny fokonolo, johary raiky saky gny foko. 3 Omeo gnazy gnan-drozy toy lily toy:' Mangala vato folo roe amby bakao agnivon'ny Jordana zay ijoroan'ireo mpisoro eo amin'ny tany maiky, sady andeso magnaraky gnanareo io sady apetraho eo amin'ny toera zay hiroronareo haly henanio." 4 Sady nikaihin'i Josoa reo johary folo roamby ze fa nifily teo amin'ireo fokon'Israely, raiky isaky gny foko. 5 Hoy Josoa tamin-drozy hoe:" Mandehana mialohan'ny fiaran'i Yaveh Ndranagnahary ao agnivon'i Jordana. Hilanja vato egny amin'ny sorony iaby nareo kirakiraiky, araky gny isan'ireo fokon'ny fokonolon'Israely. 6 Io la ho famantara eo aminareo lafa hagnontany gnanareo gnanakareo amin'ireo andro ho avy hoe:' Ino ro dikan'ireo vato reo aminareo? 7 Sady hoy nareo amin-drozy hoe:' Nivaky teo agnatrehan'ny fiaran'ny fifagnenken'i Yaveh gny ranon'ny Jordana. Lafa nandalo teo amin'i Jordana , la vaky gny ranon'ny Jordana. Ka ho fahatiarova mandrakizay ho gnan'ny fokonolon'Israely reo vato reo." 8 Gny fokonolon'Israely la nanao araky ze nandidian'i Josoa gnazy, ka vato folo roamby teo agnivon'ny Jordana rozy, araky gny nolazain'i Yaveh gnan'i Josoa . Nampiakarin-drozy araky gny isan'ireo fokon'Israely gny isan'ireo vato. Nolanjan-drozy niaraky tamin-drozy gny vato, nagnagny amin'ny toera ze nivorian-drozy sady napetrany teo ambany teo. 9 Bakeo Josoa nametraky vato folo roamby teo agnivon'ny Reniranon'ny Jordana, teo amin'ny toera ze nijoroan'ny tombon'ireo mpisoro ze nanday gny fiaran'ny fifanenkena, Agny io fahatiarova io mandrak'ankehitsiny. 10 Reo mpisoro ze nilanja gny fiara la nijoro teo agnivon'ny Jordana mandra-pahatanteraky gny raha iaby nandidian'i Yaveh ho lazain'i Josoa tamin'ireo fokonolo, araky reo iaby fa nandidian'i Mosesy gnan'i Josoa. Niampita malaky reo fokonolo. 11 Lafa tapitsy niampita iaby gny olo, la niampita teo agnatrehan'ny fokonolo gny fiaran'i Yaveh voho reo mpisoro. 12 Gny fokon'i Robena, gny fokon'i Gada, voho gny antsasaky gny fokon'i Manase nandalo mialohan'ny nilaharan'ireo fokonolon'Israely manahaky gny miaramila, araky gny nolazain'i Mosesy tamin-drozy. 13 Johary voaoma hialy tokony ho efatrarivo ro nandalo teo agnatrehan'i Yaveh, mba lialy egny amin'ny tany lemak'i Jeriko. 14 Tamin'io andro io la nataon-Dranagnahary bevata teo amason'Israely manontolo i Josoa. Nagnome voninahitsy gnazy rozy__manahaky gny nagnomezan-drozy voninahitsy gnan'i Mosesy__nandritsa gny androm-piaignany. 15 Sady niresaky tamin'i Josoa i Yaveh hoe: 16 " Omeo baiko reo mpisoro zay nilanja gny fiaran'ny vavolombelo mba hiala bakao Jordana." 17 Ka la nagnome baiko reo mpisoro i josoa hoe:' Miboaha ao Jordana." 18 Lafa niboaky bakao agnivon'ny Jordana reo mpisoro nilanja gny fiaran'ny fifanenken'i Yaveh, sady niakatsy tegny amin'ny tany maiky gny faladian-drozy, la nimpoly tamin'ny toerany sady nihoatsy gny morony gny ranon'ny Jordana, manahaky gny manahaky gny tamin'ny efatsy andro mialoha. 19 Niboaky bakao Jordana reo fokonolo tamin'ny andro fahafon'ny vola voalohany. Nijano tao Gilgala rozy antignanan'ny Jeriko. 20 reo vato folo roamby zay nalan-drozy bakao Jordana,la napetrak'i Josoa tao Gilgala. 21 Hoy ie tamin'ireo fokonolon'Israely hoe:' Lafa magnontany gan'ireo rainy gny avorohotanareo amin'ny fotoa ho avy hoe:' Ino reo vato reo?" 22 Volagno gnanakareo hoe:' Teo ro niampitan'i Israely gnan'ny Jordana tamin'ny tany maiky. 23 Nimaihin'i Yaveh Ndranagnaharinareo ho gnanareo gny reniranon'ny Jordana, mandra-piampitanareo, manahaky gny nataon'ilay Ranomasy Mena, ze nimaihiny ho gnantsika mandra-piampitantsika, 24 mba hahaizan'ny olo iaby eto an-tany fa mahery gny tagnan'i yaveh, sady mba hagnomezanareo voninahitsy gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo mandrakizay."