Toko faha 3

1 Gny vavak'i Habakoka:' 2 Ry Yaveh, fa reko gny tatitrao, sady raiki-tahotsy aho. Ry Yaveh, velomy eo agnivon'ireo fotoa reo gny asanao;nhampahaizo eo agnivon'ireo fotoareo io; tarovo gny hana famindram-po amin'ny fahaviniranao. 3 Avy bakagny Temana Ndranagnahary, sady lay masy bakagny an-tendrombohits'i Parana. Sela. Magnarogna gny lagnitsy gny voninahiny, voho gny tany feno gny fiderany. 4 Reo taratsy roan'ny tagnany la mamirapiratsy manahaky gny tselatsy, zay niajarian'ny heriny. 5 Arety mahafaty ro nandeha teo agnatrehany, voho areti-mandringa ro nagnaraky gny tombony. 6 Nitsanga Ie ka nandresy gny tany; nijery Ie ka nagnonzongozo reo firenena. Ndra la reo tendrombohitsy maharitsy mandrakizay aza torotoro, sady nietsy gny havoa tsy manam-pahataperany. Tsy manam-pahatapera gny lalany. 7 Nahita lain'i Kosana azom-pahoria aho, sady gny fagnambara gny sikin'ireo lay tany amin'ny tanin'ny Midiana nihovitrovitra. 8 Masiaky tamin'ireo ony va Yaveh? Moa gny fahaviniranao va tamin'ireo ony, ndra gny siakao tamin'ireo ranomasina, lafa naondra reo soavaly reo soavalinao iha voho reo kalesim-pandresenao? 9 Nanday gny tsipikanao tsy niaraky tamin'ny fipetrahany iha; nametraky zana-tsipika tamin'ny tsipikanao iha!Sela. Nizara gny tany tamin'ireo ony Iha. 10 Nahita gnanao reo tendrombohitsy ka nanaitaina. Oram-be mivatravatra ro nandalo teo amin-drozy; nanandratsy hiaka gny ranomasina laliky. Nampiakatsy reo onjany io. 11 Gny masoandro voho gny drala nitoetsy teo agnabony teo amin'ireo fipetrahany abo tamin'ny hazavan'ny ana-tsipikanao ka nandositsy rozy, tamin'ny famirapiratan'ny tara-pahazavan'ny lefonao. 12 Nandeha namakivaky gny tany tamim-pahatezera Iha. Tamin'ny fahavinira ro nanosihosenao reo firenena. 13 Niboaky ho amin'ny famonjena gny olonao iha, ho amin'ny famonje lay voahositrao. Manorotoro gny lohan'ny avorohotan'ny raty fagnahy mba hampiharihary gny fototry gny hatony. Sela 14 Natrobaranao tamin'ny ana-tsipikany avao gny lohan'ireo mpipialiny laha avy manahaky gny tafiotsy gnanay rozy, gny fifalian-drozy la hanahaky gnan'izay mandevogna gny mahantra agny amin'ny toera mietaky. 15 Fa nandeha namakivaky gny ranomasy tamin'ny soavalinao iha, sady nampisavovogna reo rano be. 16 Nandre aho, sady nihorohoro gny tao agnatiko! Nipararetra tamin'ny feo gny molotso. Avy tamin'ny taolako gny fahalova, sady nangovitsy gny vatako laha nandigny amim-pahangina gny androm-pahoria hiavian'ireo olo zay handroba gnanay. 17 Ndra la tsy mamontsina aza gny hazon'aviavy sady tsy misy vokatsy gny tahom-boaloboky; voho ndra la mandiso fanantena aza gny hazo oliva sady tsy mamokatsy hany reo saha; voho ndra la haringa aza gny aondry ao am-bala voho misy biby fiompy ao am-pihinana, la zao ro hataoko. 18 Mbo hiravoravo ao amin'i Yaveh aho. Hifaly aho noho gny famonjen-Dranagnahary ahy. 19 Gny Tompo Yaveh ro heriko voho manao gny tomboko manahaky gnan'ny diera Ie. Mampandroso ahy agny amin'ireo toerako abo Ie.__ Ho gnan'ny bevatan'ny mpihira, amin'ny fitaovan-dokangako.