Toko faha 2

1 Hitsanga eo amin'ny fiambenako aho sady hampijano gny vatako eo amin'ny tilikambo fiambena, voho hijery soa aho mba hahita zay holazainy amiko voho gny fomba hialako amin'ny fitaraignako. 2 Namaly gnahy Yaveh voho nilaza hoe:' Raketo zao fahita zao, sady sorato mazava eo amin'ireo vato pisaky ka zay iaby mamaky azy la ho afaky hamaky an-drozy mora avao. 3 Fa ho avy amin'ny fotoa gny fahita sady hitranga avao amin'ny farany fa tsy ho rava. Ndra la tara aza io, la lignasako. Fa tsy maintsy ho avy io sady tsy hitaredretsy. 4 Ingo! Zay manam-pagniria tsy marina ao agnatiny la mieboebo. Fa gny olo-marina la ho velo noho gny finoany. 5 Fa gny divay la mpamadiky gny zatovolahy mpiavognavo mba tsy hipetrahany, fa hagnitatsy gny fagniriany manahaky gny lolo, voho manahaky gny maty, zay tsy mety afa-po aza. Avoriny ho gnazy gny olo manontolo. 6 Tsy hamoro fomba fivola hanesoa gnazy voho fanesoa momba azy va io iaby io, ka hanao hoe:' Loza ho gnan'izay mampitombo gny tsy gnazy! Fa mandra-pahovia ro hampitomboanao gny lanjan'ny antoky nalanao?" 7 Tsy hitsanga tampky va reo zay magnehitsy gnanao, sady hifoha reo zay mampihorohoro gnanao? Ho avy lasibatsy ho gnan-drozy iha. 8 Fotony iha nandroba olo maro, gny olo sisa iaby la handroba gnanao. Fa nandatsa-dra olombelo iha voho nanao heriloha tamin'ny tany, voho reo tana , sady reo iaby zay mipetraky ao amin'ireo. 9 " Loza ho gnan'izay fatra-pila hanagna amin'ny fanaovan-draty ho tombony ho gnan'ny avorohotany, mba hahafahany magnory gny akaniny amin'ny agnabony mba hiarovany gny vatany egny ampelatagnan'ny raty. 10 " Nizara fahamegnara ho gnan'ireo avorohotananao iha tamin'ny nandrigananao olo maro, ka nanota tamin'ny vatanao. 11 Fa hihiaka bakeo amin'ny manda reo vato, sady reo vatan-kazo ro hamaly an-drozy, 12 ' Loza ho gnan'izay mananga tana amin'ny ra, voho zay magnory tanan-dehibe amin'ny heloky." 13 Tsy bakamin'i Yaveh Tompon'ny maro va ro hiasan'ireo olo amin'ny bolo voho gny hisasaran'ireo firenena amin'ny zava-poana? 14 Kanefa gny tany la ho fenofahalala gny voninahits'i Yaveh manahaky gny rano mandrokatsy gny riaky. 15 " Loza ho gnan'izay mampino gny mpiara-monina aminy, iha zay magnisy gny poizinao mandram-pamonoanao an-drozy mba ahafahanao mijery gny fitanjahan-drozy." 16 Ho feno fahamegnara iha fa tsy voninahitsy. Hino amin'io avao koa, voho hampiseho gny fitanjahanao. Himpoly hitoliky aminao gny kapoak'Yaveh eo an-tagnany ankavana, sady hahogno gny voninahitrao gny fahafaham-baraka. 17 Gny heriloha natao gnan'i Libanona hanafotsy gnanao voho hampihorohoro gnanao gny faharavan'ireo biby. Fa nandatsa-dra olo iha ka nanao heriloha tamin'ny tany, reo tana, voho zay iaby mipetraky ao amin'iregny. 18 Ino ro tombotsoanao amin'ny sary sokitsy? Fa zay nisokitsy io, na zay manao sarin-draha gnan'idina amin'ny Vy, la mpampianatsy vandy; fa matoky gny asa-tagnany avao ie lafa magnamboatsy reo ndranagnahary moa reo. 19 " Loza ho gnan'izay mivola amin'ny hazo hoe:' Mifohaza!" na amin'ny vato mangina hoe:' Mitsangana" moa mpampianatsy va reo raha reo? ingo , voapetraka volamena voho volafoty io, kanefa tsy misy fofon'aina manao akory amin'io. 20 Fa Yaveh la ao an-tempoliny masy! Mangina eo agnatrehany , ry tany manontolo."