Toko faha 36

1 I Bezalila vo Oholiaba sady reo olo manan-talenta iaby zay fa nomen'i Yaveh fahaia manao vo fahakinga mba ahaiza gny fomba fiasa amin'ny fagnamboara gny toera masy la nanao gny asa arak'izay iaby nadidin'i Yaveh. 2 Nampikaihin'i Mosesy i Bezalila, Oholiaba, noho reo olo manan-talenta zay nomen'i Yaveh fahaia-manao, sady zay nentanin'ny fony ho avy ka hanao gny asa. 3 Rozy la nahazo reo fanatitsy iaby bakamin'i Mosesy, zay nandesin'ireo Isiraelita ho amin'ny fagnamboara gny toera masy. Isaky maraindray la mbo magnome fagnati-tsitrapo ho gnan'i Mosesy reo olo. 4 Koa reo olo manan-talenta iaby niasa teo amin'ilay toera masy la niala tamin'ny asany zay nataony. 5 Sady nisafa tamin'i mosesy gny mpanao asa tana hoe: " Nanday mihoatsy noho zay ampy amin'ny fagnaova gny asa zay nandidian'i Yaveh ho ataonay reo olo." 6 Koa Nagnome baiko i Mosesy fa tsy tokony hisy handay fanatitsy amin'ny fagnamboara gny toera masy sasy ao amin'ny toby na raiky aza. Sady nijano nanday fanomeza reo olo. 7 Nana fitaova mihoatsy noho zay ilainy amin'ny asa iaby rozy. 8 Ka la nagnamboatsy tabernakely amin'ny lamba vita amin'ny rongony foty vo manga, volomparasy, vo volon'ondry jaky sady miendriky Kerobima reo mpanao asa-tana iaby tao amin-drozy. Izay la asan'i Bezalila, lay mpanao asan-tana tena mahay. 9 Gny halavan'ny lamba kiraidraiky la valo ambin'ny folo hakiho, sady gny sakany la efatsy hakiho. Mitovy habe reo lamba iaby. 10 Natambats'i Bezalila gny lamba limy, sady reo limy hafa la natambany avao koa. 11 Nanao talivaravagna manga teo amin'ny faran'ny sisin-damba tamin'ny sisiny raiky fa voatampaky ie, sady nataony manahaky izay koa sisin-damba tamin'ny vitrany faharoa. 12 Nanao talivaravagna dimam-polo tamin'ireo lamba voalohany ie sady dimam-polo gny talivaravagna egny amin'ny sisiny tamin'ny lamba faharoa voavitra. koa reo talivaravagna la mifanandrify aby. 13 Nanao farango volamena dimam-polo ie sady nakambany niaraky tamin'izay reo lamba hitambatsy ho raiky gny taberbaky. 14 Nanao lamba vita tamin'ny volon'osy i Bezalila ho lay handrakofa gny tabernakely; nahavita lamba raiky ambin'ny folo isa ie. 15 Gny halavan'ny lamba kiraidraiky la telopolo hakiho, sady gny sakany lamba raiky efatsy hakiho. Mitovy habe reo lamba raiky ambin'ny folo reo. 16 Nakambany kiraidraiky reo lamba limy sady gny eny hafa la nakambany manoka. 17 Nasiany talivaravagna limam-polo tamin'ireo ambin-damba voavitra voalohany, sady dimam-polo tamin'ireo ambin-damba izay nakambany tamin'ireo vitrany faharoa. 18 Nahavita farango saba dimampolo i Bezalila mba hagnakambana gny lay ho raiky. 19 Nagnamboatsy fandrakofa vita amin'ny holitr'aondry lahy miloko mena ho an'ny tabernakely, vo fandrakofa hafa vita amin'ny hiditsy mba ho eo ambonin'izay eo. 20 Sady nagnamboatsy rafitsy mitsanga vita amin'ny hazon'ny akasia i Bezalila ho amin'ny tabernakely. 21 Gny halavan'ireo zana-kazo kiraidraiky la folo hakiho. sady gny sakan'ireo zana-kazo la raiky vo sasany hakiho. 22 Gny rafitsy kiraidraiky aby la misy zana-kazo roa mba hampipitiky gnazy reo miaraky. Nataony manahaky izay iaby reo rafitsy gny tabernakely. 23 La nataony manahaky izao reo rafitsy iaby ho an'ny tabernakely: rafitsy roapolo ho an'ny ilany atimo. 24 Nanao tomboky volafoty efapolo i Bezalila mba atao eo ambanin'ireo rafitsy roapolo. Nisy faladiany roa tao ambanin'ny rafitsy raiky mba hampipitiky an'ireo rafitsy iaby, sady faladia roa avao koa ambanin'ireo rafitsy kiraidraiky hafa mba hipitikihan'ireo. 25 Sady gny ilany faharoan'ny tabernakely, teo amin'ny ilany avaratsy, la nasiany rafitsy roapolo 26 Vo faladia volafoty efapolo. Misy faladia roa ambanin'ilay voalohany, faladia roa ro ambanin'n'ilay hazo fisaky magnaraky, la manahaky izay avao. 27 Nagnamboatsy rafitsy eny i Bezalila ho an'ny lambosin'ny tabernakely andrefa. 28 Nasiany rafitsy roa eny amin'ireo zorony tabernakely. 29 Reo hazo pisaky reo la nisondry bakagny, fa nipitiky tamin'ny mason-drojo raiky egny an-tampony. Nataony manahaky izay gny roa tamin'ireo ho an'ny zorony roa. 30 Sady nisy rafitsy valo, nisondry tamin'ireo faladiany volafoty. En'ambin'ny folo gny isan'ireo faladiany, faladiany roa ambin'ny rafitsy voalohany, faladiany roa ambanin'ny rafitsy manaraky, sady manahaky zay avao. 31 Nanao bar avita amin'ny hazo akasia i Bezalila__limy ho an'ny rafitsy gny ilany tabernakely, 32 bara limy ho an'ny rafitsy amin'ny ilan'ny tabernakely hafa, sady bara limy ho an'ny rafitsy ao an-dambosin'ny tabernakely miakandrefa. 33 Nataony teo agnivon'ireo rafitsy lay bara, zay hoe, antenanenany ambony, mba hahatrara gny farany roa. 34 Norakofany volamena reo rafitsy. Nagnamboatsy gny mason-drojon'ireo tamin'ny volamena ie, mba hampiasa hitandraky an'ireo bara, sady norakofany tamin'ny volamena reo bara. 35 Ka la nagnamboatsy lamba vita amin'ny rongony foty vo manga, volon'aondry jaky sady sady miendriky Kerobima, zay asan'ny mpanao asa-tana za-draharaha i Bezalila. 36 Nagnamboatsy andry vita amin'ny hazo akasia ie, sady norakofany volamena reo. Nanao farangom-bolamena ho an'ireo andry avao koa ie, sady nanefy faladiany volafoty efatsy ho an'ireo. 37 Nagnamboatsy fefy lamba ho an'ny filirany amin'ny lay ie. Natao tamin'ny manga, volomparasy, sady volon'aondry jaky, tamin'ny fampiasa rongony foty maliniky izay, zay asan'ny mpanao peta-kofehy. 38 Nagnambaotsy fefy lamban'ireo andry limy tamin'ny farango avao koa ie. Norakofany volamena gny tampon'ireo vo reo fihatognany. Reo faladia limy la natao tamin'ny saba.