Toko faha 3

1 La mbo niaraky gnaondry voho gnaosin'i Jetro rafozany, zay mpisoron'ny Midiana avao Mosesy. La nandesin'i Mosesy tagny ankoatsy gny limonto gnaondry voho aosy ka niavy tagny Horebazay tendrombohitsy gny Ndranagnahary. 2 Teo ro nisehoan'ny gny anjelin'i Yaveh tamin'ny gny lelambolo tao agnatin'ny gny voaroy. Nanenty Mosesy, ka ingo, nirehitsy gny voaroy, fe gny voaroy la tsy nety ma. 3 La hoy Mosesy hoe: " Vonjeko mariniky mba hanenteako zao raha-mahatseriky zao nagnino ro tsy ma gny voaroy. 4 Ka lafa nihitan'i Yaveh fa namonjy mariniky ie mba hanenty, la nikaiky gnazy bakeo amin'ny gny voaroy Ndranagnahary ka nanao hoe: " Mosesy. La hoy Mosesy hoe: " Intoy zaho" 5 La hoy Ndranagnahary hoe: " Ka mankariniky loatsy! Zaho antombokao egny gny kiraronao, fa gny toera zay itsangananao, tany fa voatoka ho Gnahy." 6 Nampeany hoe:" Izaho ro Ndranagnahary ny gny razanao, Ndranagnaharin'i Abrahama , Ndranagnaharin'i Isaka, voho Ndranagnaharin'i Jakoba." La nanako gny tarehiny Mosesy, fotony natahotsy gny hanenty an'i Ndranagnahary ie. 7 Hoy Yaveh hoe: " Hitako gny fijalean'ny gnoloko zay tao Egypta. Fareko gny fitaraignan-drozy nohon'ny gnamin'ireo mpifehy gnazy, fotony haiko gny momban'ny gny fijalian-drozy. 8 Ka nijotso zaho mba hagnafaky an-drozy amin'ny gny fahefan'ireo Egyptiana ka handay an-drozy hiakatsy bak'amin'io tany io ho agny amin'ny tany soa, voho midadasiky, ho agny amin'ny gny tany tondra-dronono voho tantely Hivita, voho reo Jebosita. 9 Henanizao fa avy amiko atoy reo fitaraignan'ny gnolon'Israely. Ka la hitako gny fampijalea nataon'ireo Egyptiana. 10 Noho ny zay, hagniraky gnanao ho agny amin'i Farao zaho mba hahafahanao handay gnoloko, reo Israelita, hiala ao Egypta." 11 Nefa hoy i Mosesy tamin'i Ndranagnahary hoe: " Ia moa zaho ro handeha agny amin'i Farao ka handay reo Israelita hienga ao Egypta? 12 La namaly Ndranagnahary hoe: " Homba gnanao vatany Zaho. Izao ro famantara ho gnanao fa fanagniraky gnanao Zaho. Lafa tafaboakao bakao Egypta gnolo, la hanompo Gnahy eto amin'itoy tendrombohitsy toy nareo. 13 La hoy Mosesy tamin'i Ndranagnahary hoe: " Laha ho agny amin'ireo nIsraelita zaho ka hivola amin-drozy hoe: 'Gny Ndranagnahary gny razanareo ro nagniraky? Ka ino gny ho volagniko amin-drozy? 14 La hoy Ndranagnahary tamin'i Mosesy hoe: " ZaHO ro ZaHO ". La hoy Ndranagnahary hoe: " Tsy maintsy ho volagninao reo Israelita hoe: " ZAHO ro nagniraky gnahy ho atoy aminareo. 15 La hoy avao koa Ndranagnahary tamin'i Mosesy hoe: " Yaveh, Ndranagnahary ny gny razanareo, Ndragnahariny Abrahama, Ndranagnaharin'Isaka, Ndranagnaharin' i Jakoba, ro nagniraky gnahy ho atoy aminareo. Zay ro agnarako traky farany zay ro hahatiarova Gnahy hatramin'ny gny taranaky faramandimby iaby. 16 Mandehana ka avorio miaraky reo lohaolon'ny gny Israely. Volagno amin-drozy hoe: " Yaveh, Ndranagnahary ny gny razanareo, Ndragnaharin'Abrahama, NdragnaharinIsaka, Ndragnaharin'i Jakoba, fa niseho tamiko ka nanao hoe: " Fa nandiniky anareo vatany zaho, ka nahita zay natao taminao tagny Egypta". 17 Fa nampitama Zaho fa handay anareo hienga amin'ny fampijalea ao Egypta ho agny amin'ny tanin'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita voho reo Jebosita, tany tondra-dronono voho tantely." 18 Hijanjy gnanao rozy. Tsy maintsy nagnampy amin'ny gny mpanjakan'i gny Egyptiana iha voho reo lohaolon'ny Israely, ka zao ro tsy maintsy volagninareo aminy hoe: " Yaveh, Ndranagnaharin'ny Hebreo la fa nihaino taminy. Ka engao rahay handeha hateloa andiamonto agny, mba hahafahanay hanao soro ho an'i Yaveh Ndragnaharinay. 19 Nefa haiko fa tsy hagnenga anareo handeha gny mpanjakan'i Egypta, laha tsy tere ie. 20 Hagnenga gny tagnako Zaho ka hanohitsy reo Egyptiana amin'ireo fahagaga zay hitako eo amin-drozy. Lafa afaky zay la hagnenga anareo handeha ie. 21 La hampahitako hatea amin'ny gny Egyptiana reo olo reo, ka lafa handeha nareo, la tsy handeha amin'ny gny tagnam-polo. 22 Gnampela iaby la hangataky ravaky volafoty voho volamena voho akanjo amin'ireo Egyptiana mpiara-mipetraky aminy voho gnampela iaby zay mitoetsy ao antragnon'ireo tana raiky aminy. Hampandesinareo gnanakilanareo voho gnanakampelanareo zay. Zay gny fomba handravanareo gny Egyptiana."