Toko faha 2

1 La nisy johary bak'amin'ny Levy nanambaly gnanakampelan'i Levy. 2 Nibevoka ampeleo ka niteraky zazalahy. Lafa hitany fa anakilahy salama ie, la naetany naharitsy telo vola. 3 Fa lafa tsy afaky namony gnazy sasy ie ,La nangalaky soliky rinary tamin'ny gnakata ka napitiny taminy fotaky noho dity ie. Bakeo la nampiliriny ao ajaegny ka napetrany tegny antendrony gny lefo magnaraky gny sisindrano zay. 4 Nitsanga lavitsy gnanabaviny mba hanenty zay hanjo gnazy. 5 Nijotso nandro tegny amin'ny gnanakampelan'i Farao laha nandehandeha nagnaraky gny olotsy gny vavarano reo mpanompony. Nahita sobiky teo amin'ny gny lefo ie ka nagniraky gny mpanompony hangalaky an'izay. 6 Lafa namokatsy gnazy ie, la nahita gny zazakely. Ingo nitagny lay aja igny. Nahaferignay gnazy ie ka hoy ie hoe: " Azo antoky fa raiky amin'ireo anaky gny Hebreo toy . 7 Ka hoy gnanabavin'ny zazegny tamin'ny gnanakampelan'i Farao hoe: " Tokony handeha ka hila ampela Hebreo mba hita aja toy ho gnanao va zaho?" 8 La hoy anakampelan'i Farao taminy hoe: " Mandehana". Ka la nandeha ampelegny ka nangalaky gny renin'ny lay aja. 9 Hoy gnanakampelan'i Farao tamin'ny renin'ilay aja hoe: " Rambeso aja toy ka tezao ho gnahy ka homeako karama iha." La nirambesiny ampelegny ajaegny sady nitezany. 10 Lafa nihabe aja igny , la nandesiny nagnagny amin'ny gnanakampelan'i Farao. Ka laniany. Nameany agnara hoe Mosesy ie ka hoy ie hoe: " Fotony namoaky gnazy bakegny amin'ny gny rani zaho. 11 Lafa nibe Mosesy, la niboaky tegny amin'ireo olony ka nagnara-maso gnasa mafin-drozy. Nahita Egyptiana raiky namono Hebreo raiky ie, raiky amin'ireo olony. 12 Ninenty gnety noho gnero ie, ka lafa hitany fa tsy misy olo teo, la vinonony Egyptianegny ka metany agnatin'ny gny fasy gny fatiny. 13 Niboaky ie gny hamarain'io, ka, ingo nisy Hebreo soa lahy nialy. Hoy ie tamin'ny gny raiky zay diso hoe: " Nagnino iha ro mamango gny namanao? 14 Fa hoy lelahio hoe: " Ia gny nametraky gnanao ho mpitariky ka hitsara gnanay? Mitetiky gny hamono gnahy manahaky gny namonoanao Egyptiana igny koa va iha? Bakeo la nihanatahotsy Mosesy ka nanao hoe: " Nanjary hain'ireto hafa koa gny raha nataoko." 15 Ka lafa ren'i Farao gny mahakasiky an'izay la mila gny hamono an'i Mosesy ie. Fe nandositsy an'i Farao Mosesy ka nipetraky tagny amin'ny Midiana. Ka nipetraky teo agnilany gny vavan-drano tany ie. 16 La nanagnanaky fito vavy gny mpisoron'ny Midiana. Avy rozy nangalaky rano, ka nameno gny lokaloka fampinoma mba hagnomezany rano gnaondry voho gnaosy gny baban-drozy. 17 Avy reo mpiarak'aondry ka niezaky nandroaky gnazy reo, fe nandeha ka nagnampy an-drozy Mosesy. Lafa zay la nampinominy reo aomby voho gnaosin-drozy 18 Lafa nandeha tagny amin'i Regoela raeny ampela reo, la hoy ie hoe: " Hagnino nareo androany ro avy aloha an-tragno atoy? 19 Ka hoy rozy: " Misy Egyptiana raiky nagnavotsy gnanay tamin'ireo mpiarak'aondry. La mbo nangalaky rano ho anay voho mpino rano aondry voho aosy reo aza ie. 20 La hoy ie tamin'ny anakampelany reo hoe: " Ka aia ie? Nagnino ro nenganareo ao ralehilahy? Kaiho ie hiaraky homa amintsika." 21 Nagnenky gny hiharo-petraky tamin'ny lelahy io Mosesy, zay nagnomea gnazy an'i Zipora anakampelany avao mba ho valiny. 22 Niteraky anakilahy ie, ka nataon'i Mosesy hoe Gersoma gnagnarany; hoy ie hoe: " Fa vahiny atoy amin'ny gny tamin'ny gny firenena hafa zaho. 23 Fotoa maro tafara atoy, la nimaty gny mpanjakan'i Egypta. Niay nohon'ny gnasa fagnandevoza reo Israelita. Nila vonjy rozy, ka niakatsy tagny amin'ny Ndranagnahary gny fitaraignan-drozy nohon'ny fagnandevoza an-drozy. Lafa niren-Dranagnahry gny senton-drozy, la nahatiaro gny fagnenkegnany tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, voho tamin'i Jakoba Ndranagnahary. 25 Hitan'i Ndranagnahary reo Israelita, ka tsapany gny nahazo gnazy.