Toko faha 15

1 La nihira zao hira zao ho gnan'i Yaveh i Mosesy vo gny vahoakan'Israely. Nihira rozy hoe: " Hihira ho gnan'i Yaveh zaho, fa nandresy tamim-boninahitsy Ie; gny soavaly vo gny mpitaingina zay la natsipiny tao agnaty ranomasy. 2 Yaveh ro tanjako no hirako, sady fa nanjary famonjena gnahy Ie. Zay ro Ndranagnahariko, sady hidera Gnazy zaho, Ndranagnaharin-drozy razako, sady hanondrotry Gnazy zaho. 3 Yaveh la mpialy; Yaveh ro agnarany. 4 Nanimpy gny kalesin'i Farao vo gny tafiky tao agnaty ranomasy Ie. Reo manam-boninahitsy voafilin'i Farao la nilentiky tao agnatin'ny ranomasy Mena. 5 Gny laliky nanaro gnazy reo; la nilentiky tany amin'ny laliky manahaky gny vato rozy. 6 Gny tagnanao ankavana, ry Yaveh, la manam-boninahitsy amin'ny hery; gny tagnanao ankavana, ry Yaveh, la nanorotoro gny fahavalo. 7 Tamin'ny voninahitsy bevata ro nanjeranao reo zay nitsanga hanohitsy Gnanao. Nalefanao gny fahatezeranao; nandevo gnazy reo manahaky gny mololo zay. 8 Tamin'ny fofognain'ny vavoronao ro nampiango reo rano mikoria nijoro mahitsy manahaky gny antontan-javatsy; gny rano laliky la nivaingana tagny amin'ny fanambanin'ny ranomasy. 9 Hoy gny fahavalo: ' Hanenjika zaho, hisambotsy zaho, hizara zay babo zaho; gny faniriako la ho tanteraky amin-drozy hamoaky gny sabatro zaho; hamotiky gnan-drozy gny tagnako.' 10 Nitsoky tamin'ny rivotrao iha, ka nandrakotry rozy gny ranomasy; nilentiky manahaky gny firaky agnatin'ny rano mahery rozy. 11 Ia ro manahaky Gnanao, ry Yaveh, eo amin-drozy Ndranagnahary? Ia ro manahaky Gnanao, manam-boninahitsy amin'ny fahamasina, omem-boninahitsy amin'ny dera, manao fahagaga? 12 Nanijintra gny tagnanao ankavana Iha, la nitely gnazy gny tany. 13 Tao amin'ny fanekenao tsy mivadiky ro nitarihinao gny vahoaky zay navotanao. Tamin'ny tanjakao ro nitarihinao gnazy reo tany amin'ny toera masy zay nitoeranao. 14 Hahare reo vahoaky, sady hangovitsy rozy reo; hisambotsy reo mponin'i Filistina gny horohoro. 15 La hahatahotsy reo lehiben'i Edoma; reo miaramilan'i Moaba la hihozongozo; gny mponin'i Kanana iaby la ho ketraky. 16 Gny horohoro vo gny tahotsy la hiantonta amin-drozy. Noho gny herin'ny sandrinao, la ho hanjary hijanona manahaka gny vato mandra-pandalon'ny vahoakanao rozy, ry Yaveh__mandra-pandalon'ireo vahoaky navotanao. 17 Handay an-drozy sady hametraky an-drozy egny an-tendrombohitsy gny lovanao Iha, lay toera, ry Yaveh, zay fa nataonao hipetraha, gny fitoera masy, ry Tomponay, zay fa namboarin'ny tagnanao. 18 Hanjaka la traky farany Yaveh". 19 Fa reo soavalin'i Farao la nandeha nisondry tamin'ireo kalesiny vo reo mpitaingin-tsoavaliny tany agnaty ranomasy tamin-drozy i Yaveh. Nefa reo Israelita nandeha tamin'ny tany maima teo agnelagnelan'ny ranomasy. 20 Miriama lay mpaminany ampela, anambavin'i Arona, nangalaky ampongatapaky, sady reo ampela iaby niboaky niaraky tamin'ny ampongatapaky, nandihy nagnaraky gnazy. 21 Nihira tamin-drozy Miriama hoe: " Mihira ho gnan'i Yaveh, fa nandresy am-boninahitsy Ie. Gny soavaly vo gny mpitaingy zay la natsipiny tao agnatiny ranomasy." 22 La nitariky gny Israely nanomboky teo amin'ny ranomasy Mena i Mosesy. Niboaky bakagny efitr'i Sora ie rozy. Nandeha hateloa tagny an'efitsy sady tsy nahajery rano rozy. 23 La avy tagny Mara rozy, nefa tsy afaky nisotro gny rano tao fotony nangily zay. La nikaihin-drozy hoe Mara zay toera zay. 24 La nitaray tamin'i Mosesy reo vahoaky sady nisafa hoe: Ino ro azonay inomy?" 25 Nikaiky mare gnan'i Yaveh i Mosesy, sady nampiseho gnazy hazo raiky i Yaveh. Nanipy zay tao agnatin'ny rano Mosesy, ka lasa azo inomy gny rano. Teo ro nagnomezan'i Yaveh lalagna hentitsy an-drozy, sady teo ro nitsapany an-drozy. 26 Hoy Ie: " Laha mijanjy soa gny feon'i Yaveh Ndranagnaharinareo nareo, sady manao zay to eo imasony, sady laha magnongalin-tsofy amin-drea liliny ka mankatoa reo lalagna iaby nareo__ la tsy ataoko aminareo reo arety zay nataoko tamin-drozy Egyptiana, fa Zaho ro Yaveh zay magnasitra gnanareo." 27 Bakeo vahoaky avy Elima, zay nisy loharano roa ambin'ny folo vo hazon-drofia fitopolo. Nivory tagny teo agnilan'ny rano rozy.