Toko faha 14

1 Yaveh nisafa tagnamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 " Ambarao amin'ireo Israelita fa tokony himpoly sady hivory eo alohan'i Pi-Hahirota, eo agnelagnelan'i Migdola vo gny ranomasy, eo alohan'i Bahala-Zefona rozy. Tokony hivory eo agnilan'ny ranomasy mifanandrify amin'i Pi-Hahirota nareo. 3 Fa hisafa gny amin'ireo Israelita i Farao hoe: ' Mirenireny voan'ny tamberintany reo Israelita. Tampina tamin-drozy gny efitsy.' 4 Hagnamafy gny fon'i Farao Zaho, ka hagnenjiky gnazy ie. Hahazo voninahitsy Zaho nohon'ny amin'i Farao vo gny tafiny iaby. ka la ho hain-drozy Egyptiana fa Zaho ro Yaveh." Ka la nivory araky zay natoro gnazy gny Israelita. 5 Lafa voaresaky tamin'ny mpanjakan'ny Egypta fa nandositsy reo Israelita, la namadiky gny sainy tamin'ny vahoaky i Farao vo reo mpanompony. Hoy rozy hoe: " Fa ino toy nataontsika toy tamin'ny famela gnan'Israely andeha an-kalalaha tsy hanompo gnantsika?" 6 Sady nanoma gny kalesiny i Farao ka nanday gny fafiny manoka enin-jato miampy reo kalesin'i Egypta hafa iaby ie, nisondry taminy manam-boninahitsy tao amin-drozy iaby. 8 Nagnamafy gny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta i Yaveh, ka nanenjiky reo Israelita gny mpanjaka. Sady fa lasa lavitsy tami-pandresena gny Israelita. 9 Nefa nanenjiky gnazy gny Egyptiana nisondry tamin'ny soavaly vo gny kalesin-drozy iaby, reo mpitaingin-tsoavaliny, sady gny tafiny. Tratrin-drozy nivory teo amoron'ny ranomasy agnilan'i Pi-Hahirota, teo alohan'i Bala-Zefona reo Israelita. 10 Lafa namonjy agnilany i Farao, la niandrandra reo Israelita sady taitsy. Nanao rodobe tafaran-drozy gny Egyptiana, ka raiki-tahotsy rozy. Nikaiky mare gnan'i Yaveh reo Israelita. 11 Hoy rozy tagnamin'i Mosesy hoe: " Fotony va tsy misy fanasa gnany Egypta, ro la nandesinao ho maty atoy an-tany efitsy atoy rahay? Nanino ro nataonao manahaky zao rahay, ka nandesinao niala tagny Egypta? 12 Tsy zao va ro fa nisafagninay tagnaminao tany Egypta? Hoy rahay tagnaminao hoe: ' Engao rahay amin'izao, mba hahafahanay miasa hognan'ny Egypta toy zay maty atoy an'efitsy atoy." 13 Hoy Mosesy tamin'ny vahoaky hoe: " Ka matahotsy. Mindignisa sady ho jerinareo gny famonjena zay homen'i Yaveh ho gnanareo Egyptiana zay hitanare androzny. 14 Yaveh ho anareo, sady hiamby avao nareo." 15 Sady hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy: " Magnino iha ry Mosesy, ro mbo mikaiky Gnahy avao? Volagno reo Israelita mba handroso. 16 Asandrato gny tehinao, ahinjiro eo amin'ny ranomasy gny tagnanao ka zarao roa zay, mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mamakivaky gny ranomasy amin'ny tany maina. 17 Tiarovo fa hagnamafy gny fon'ny Egyptiana Zaho ka hagnenjiky gnazy reo. Hahazo voninahitsy zaho nohon'ny amin'i Farao vo reo miaramila, gny kalesiny, sady reo mpitaingin-tsoavaliny iaby. 18 Sady ho hain-drozy Egyptiana fa Zaho ro Yaveh lafa nahazo voninahitsy nohon'ny tamin'i Farao, reo kalesiny, sady reo mpitaingin-tsoavaliny Zaho". 19 Gny anjelin-Dranagnahary, zay nandeha teo alohan'ireo Israelita, la nifindra sady nandeha tao an-damosin-drozy. Nifindra bakagny teo agnatrehan-drozy ro nandeha tao afaran-drozy gny andry rahona. 20 Nandeha agnelagnelan'ny tobin'ny Egypta vo gny tobin'Israely lay andry rahona. Raho mainty ho gnan'ireo Egyptiana zay, nefa nanazava gny haliky ho gnan'ireo Israelita, ka tsy nisy andaniny nagnagny amin'ny raiky hafa nandritra gny haliky. 21 Nagnenja gny tagnany teo amin'ny ranomasy i Mosesy. Nampihemotsy gny ranomasy tamin'ny rivo-mahery bakagny antignana Yaveh tamin'io haliky io ka namadiky gny ranomasy ho tany maina. Tamin'izay ro nizara roa gny rano. 22 Nandeha tegny agnivon'ny ranomasy teo amin'ny tany maina reo Israelita. Namoro rindry teo ankavana voho ankavian-drozy gny rano. 23 Nagnenjitsy an-drozy gny Egyptiana. Nagnenjika an-drozy nadeha agnivon-dranomasy__reo soavaly, kalesy, sady gny mpitaingnin-tsoavalin'i Farao iaby. 24 Nefa vao maraindray be, la nijery gny tafiky Egyptiana teo amin'ny andrin'afo vo raho i Yaveh. Nahavy horohoro teo amin'ireo Egyptiana Ie. 25 Nitsoaky gny kodiaran'ireo kalesy, sady nandeha tamim-pahasahiragna reo mpitaingin-tsoavaly. Koa la hoy reo Egyptiana hoe: " Andeha tsika handositsy an'Israely, fa Yaveh ro mialy amintsika ho gnan-drozy." 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Amparo eo amin'ny ranomasy gny tagnanao mba himpoly hodoboky eo amin-drozy Egyptiana, gny kalesin-drozy sady reo mpitaingin-tsoavaliny gny rano." 27 Ka la namparin'i Mosesy teo amin'ny ranomasy gny tagnany, sady nimpoly tamin'ny polasiny zay lafa avy gny maraindry. Nandositsy tao amin'ny ranomasy reo Egyptiana, sady nosintonin'i Yaveh teo agnivon-drozy. 28 Nimpoly gny rano ka nanarona reo kalesy, reo mpitaingin-tsoavaly sady reo tafiky iaby zay nanaraky gny kalesy tao agnaty ranomasy. Tsy nisy tafavoaky velo. 29 Nefa, reo Israelita la nandia tany maina teo agnivon-dranomasy. Rindry bakagny an-tana ankavana voho ankavia ho gnazy reo gny rano. 30 Ka namonjy gnan'Israely tamin'ny tagnan'ny Egyptiana i Yaveh tamin'io andro io, sady nahita faty Egyptiana teo amoron-dranomasy i Mosesy. 31 Lafa nahita gny hery lehibe nampiasain'i Yaveh hanohera gny Egyptiana gny Israely, la nagnome voninahitsy gnan'i Yaveh gny vahoaky, sady nino gnan'i Yaveh voho Mosesy mpanompony rozy.