Toko faha 22

1 " Ry rahalahy voho ry ray, njanjinay gny fiarovako izay hataoko agnaminareo henanio." 2 Lafa nahajanjy gnan'i Paoly nivola tamin'ny safa Hebreo reo vahoaky, la nanjary nitsy rozy. Hoy ie hoe: 3 " Jiosy aho, teraky Tarsosy agny Kilikia, fa nobeazy teto amy toy tana toy teo amin'ny tombon'i Gamaliela. Nampianary araky gny fomba hentitsy gny lalan'ireo razantsika zaho. Tena mafana fo ho gnan-Dranagnahary aho, manahaky gnanareo iaby amy zao andro zao. 4 Nanenjiky io Lala io ho amin'ny fahafatesa aho, namehy voho nanolotsy gnan-drozy ho atao an-tragno maiky na johary na ampela, 5 sady gny mpisoro be voho reo loholona iaby afaky mijoro vavolombelo. Naharamby taratasy bakagny amin-drozy aho ho gn'ireo rahalahy agny Damaskosy, sady nandeha nagnagny nanday gnan-drozy nimpoly hagnagny Jerosalema mba hagnasazia an-drozy. 6 Zao ro niseho lafa nandeha sady nagnariniky gnan'ny Damaskosy aho, sady tamin'ny mitataovovonana teo noho eo la nanomboky namiratsy nagnodidy gnahy. 7 Lavo tamin'ny tany aho sady nahajanjy feo nivola tagnamiko hoe: ' Saoly, Saoly, nagnino iha ro magnenjiky Gnahy?' 8 Namaly aho hoe: ' Ia moa iha, Tompoko?' Nivola tagnamiko Ie hoe: ' Zaho ro Jesosin'ny Nazareta, zay enjehinao.' 9 Reo zay niaraky tagnamiko la nahajery gny hazava, fa rozy la tsy nahay gny feony zay nivola tagnamiko. 10 Hoy aho hoe: ' Ino ro tokony ataoko, Tompoko?' Gny Tompo nivola tagnamiko hoe: ' Mitsangana sady milira agny Damaskosy; agny ro hagnambara gnanao gny raha iaby zay tokony hataonao.' 11 Tsy nahajery nohon'ny famirapiratan'izay fahazava izay aho, sady nitandrahan'ireo zay niaraky tagnamiko, ka la avy tagny Damaskosy aho. 12 Nifakatonjy tamin'ny johary raiky nikaihy hoe Ananiasy aho, johary matahotsy gnan-Dranagnahary nagnaraky gny lalagna sady soa laza teo amin'ireo Jiosy iaby zay nipetraky tao. 13 Namonjy gnahy ie, nijoro teo agnilako, sady nivola hoe: 'Ry rahalahy Saoly, mahirata.' Tamin'izay ora izay mare la nahajery gnazy aho. 14 Sady nivola ie hoe: ' Gny Ndranagnarin'ireo razantsika la nifily gnanao mba hahay gny sitrapony, mba hahajery gny Raiky Masy, sady hahajanjy gny feo aloaky gny tsihoviny. 15 Fa ho vavolombelo ho Gnazy amin'ny olo iaby mikasiky zay jerinao voho njanjinao iha. 16 Sady magnino iha ro miamby? Mitsangana, ao ho atao batisa, sady diovo reo fahotanao, mikaiha amin'ny agnarany." 17 Lafa avy nimpoly tagny Jerosalema aho, sady laha mbo nivavaky tao an-tempoly, la nahazo tsindrimandry aho. 18 Nahajery Gnazy aho nivola tagnamiko hoe: ' Malaky miala agn'i Jerosalema, fotony rozy tsy hagnenky gny fijoroanao vavolombelo mikasiky Gnahy.' 19 Hoy aho: ' Tompo, rozy vatany la mahay fa zaho nanagadra voho namango reo zay nino Gnanao tao amin'ny synagoga iaby. 20 Lafa nalatsaky gny lion'i Stefana vavolombelonao, zaho koa la mba nitsanga teo voho nagnenky, sady niamby gny fitafian'ireo zay namono gnazy aho.' 21 Fa nivola tagnamiko Ie hoe: ' Mandehana, fotony halefako lavitsy gnan'ireo Jentilisa iha." 22 Nijanjy gnazy rozy mandra-pivolagnany izay. La nikoraky mare rozy sady nivola hoe: " Vono hiala eto amin'ny tany gny johary manahaky io, fotony tsy mendriky gny ho velo ie." 23 Laha nitabataba rozy, nanoraky gny salony, sady nanoraky lemboky tamin'ny tsioky, 24 gny lehiben'ny kapiteny la nandidy gnan'i Paoly mba ho andesy agny amin'ny lapa. Ie nandidy fa tokony hodigny miaraky amin'ny kapoaky ie, ka mba ie vatany la hahay hoe nagnino rozy ro nikorakoraky nanohitsy gnazy manahaky izay. 25 Lafa namehy gnazy tamin'ny kofehy hoditsy rozy, la hoy Paoly tamin'ny kapiteny zay nitsanga teo: " Ara-dalagna ho gnanareo va gny manakaravasy johary zay Romana voho tsy mbo nitsara indraiky? 26 Lafa nahaja izay gny kapiteny, la nagnagny amin'ny lehiben'ny kapiteny ie ka nivola gnazy hoe: " Ino zao ataonao zao? Fa mponin'ny Romana io Johary io." 27 Namonjy gny lehiben'ny Kapiteny sady nivola taminy hoe: " Volano gnahy, mponina Romana va iha?" Paoly namaly hoe: " Eka". 28 Sady namaly gny lehiben'ny kapiteny hoe: " Tamin'ny jala be avao ro nahazoako io zom-pirenena io. Fa Paoly nivola hoe: " Nateraky ho mponin'ny Romana aho." 29 Sady nagnenga gnazy teo noho eo gny johary zay nametra-panontania gnazy. Natahotsy avao koa gny lehiben'ny kapiteny, lafa hainy fa mponina Romana i Paoly, fotony ie namehy gnazy. 30 Gny hamaray, te hahay gny to mikasiky reo fanendrekendrehan'ireo Jiosy nanohitsy gnan'i Paoly gny lehiben'ny Kapiteny. Ka nivahany reo fehy sady nibaiko reo mpisoro be voho reo filan-kevitsy iaby mba hivory ie. Sady nanday gnan'i Paoly nizotso ie sady nametraky gnazy teo agnivon-drozy.