Toko faha 33

1 Folo roa amby tao i Manase laha nanomboky nanjaka; nanjaka tagnatiny dimam-polo limy amby tao ta Jerosalema tagny ie. 2 Nanao raty tamason'i Yaveh ie, manahaky gnany raha mampangaroharo gnany reo firenena fa nalan'i Yaveh tagnatrehany gny vahoakan'Israely. 3 Fa nananga ndraiky gnany reo fipetraha abo nirinavan'i Hezekia rainy, voho nananga gnany reo alitara ho gnany reo Bala ie, nanao gnany reo baon'Aseraha ie, voho niankohoky tami-gny reo basiany gny lagnitsy voho nanompo gnan-drozy. 4 Nagnamboatsy alitara fanompoa aoly Ambiasa tan-tragnon'i Yaveh tao i Manase, na la nibaiko aza Yaveh hoe : " a Jerosalema agny ipetrahany gny agnarako zisiky amparany." 5 Nagnamboatsy alitara ho gnany reo basiany gny lagnitsy iaby tami-gny kianja roany gny tragnon'i Yaveh teo ie. 6 Naroany tan-dohasahan'i Ben-hinoma tao gny reo gnanany lahy. Nanao fagnambara ndraiky sikily ie; namaky fahita ie; voho nandeha tami-gny reo ze nisafa ami-gny maty tagny ndraiky gny reo nisafa ami-gny reo fagnahy. Nanao raha raty maro tamason'i Yaveh teo ie voho nikaiky gny siakin-Dranagnahary . 8 Tsy hafindrako amin'ny tany zay notendreko ho an'ny razamben-drozy sasy gny vahoakan'Israely laha toa ka mitandry zay iaby nibaiko gnan-drozy, magnaraky gny lalagna, fitsipiky, voho gny reo lily nameako gnan-drozy tami-gny alalan'i Mosesy rozy." 9 Nitinarik'i Manase hanao raty mandilatsy mare noho gny reo firenena fa nirinavan'i Yaveh tagnatrehany gny vahoakan'Israely i Joda ndraiky gny olo ta Jerosalema tao. 10 Nisafa tamin'i Manase ndraiky tami-gny olony i Yaveh, fa tsy nivaky loha rozy. 11 Ka nandesin'i Yaveh tagnaminy teo gny reo mpifehy gny miaramila gny mpanjakan'i Asyria, nangalaky gnan'i Manase tami-gny rojo vy, nandrohy gnazy tami-gny rojo vy voho namoaky gnazy ho gnany Babylona. 12 Laha tagnainy gny faharia tao i Manase, la nisoloho tamin'i Yaveh, Ndranagnahariny voho nanetry fatratry gny vatany tagnatrehany gny Ndranagnahariny reo razambeny. 13 Nivavaky tagnaminy ie, voho Ndranagnahary ro nitaraignany, ka ren-Dranagnahary gny fitaraignany voho nandesiny nimpoly ho a Jerosalema agny, tami-gny fanjakany tagny ie. Voho la hain'i Manase fa Yaveh ro Ndranagnahary. 14 Tafarany zay, Manase la nagnamboatsy vala ambaliky ami-gny tanan'i Davida, tami-gny ilany andrefan'i Gihoana eo, tan-dohasaha, tagny, tami-gny filira ami-gny vavahadin-kazandrano. Nagnodidy gny havoan'i Ofela ie voho nananga gny vala la vatany abo. Nametraky mpifehy mahery fo tami-gny tana mivala iabiabin'i Joda ie. 15 Nalany tsy ho an-tragnon'i Yaveh ao gny reo Ndranagnahary hafa, gny aoly, voho gny reo alitara iaby namboariny tan-bohitsiny gny tragnon'i Yaveh tegny ndraiky ta Jerosalema tagny, voho nariany tam-balikiny gny tana tegny zay. 16 Namboatsy indraiky gny alitaran'i Yaveh voho nagnomea soro ho fagnati-pihombona ndraiky fagnati-pisaora teo ie; nibaiko gnan'i Joda hanompo gnan'i Yaveh Ndranagnaharin'Israely ie. 17 Ndra zay aza, gny vahoaky la mbo nanao soro tami-gny reo fitoera abo avao, nefa ho gnan'i Yaveh raiky, Ndranagnaharin-drozy. 18 Laha gny ami-gny reo raharaha hafa mikasiky gnan'i Manase, gny vavaky nataony tamin-Dranagnahariny, ndraiky gny safany reo mpahita nisafa tagnaminy tami-gny agnaran'i Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, ingo, voasoratsy ami-gny asany reo mpanjakan'Israely ao zay. 19 Agnainy zay ao gny tantarany gny vavaky nataony, ndraiky gny fihetsim-pon-Dranagnahary tami-zay. Ao avao koa gny fahotany ndraiky gny reo fahadisoany iaby, voho gny reo toera nananganany gnany reo fitoera abo ndraiky nametrahany gny reo baon'Aseraha ndraiky gny sarin-draha voasokitsy talohany gny nanetreany gny vatany__Voasoratsy ami-gny tantarany reo mpahita ao zay. 20 Voho nimaty tami-gny reo razambeny tagny i Manase, ka nalevin-drozy tan-tragnony tao. Arona, gnanaky lahy ro lasa mpanjaka nilimby gnazy. 21 Roapolo roa amby tao i Amona laha nanomboky nanjaka; nanjaka tagnatiny roa tao ta Jerosalema tao ie. 22 Nanao gny raty tamason'i Yaveh, ie manahaky fa nataon'i Manase, rainy. Nanao soro ho gnany reo sarin-draha voasokitsy iaby fa nataon'i Manase rainy i Amona, voho nanompo gnany reo ie. 23 Tsy manenty vata tagnatrehan'i Yaveh ie, manahaky fa nataon'i Manase rainy. Fa koa, intoy Amona toy avao la nanao fahadisoa maro mare. 24 Nanao tetiky hanohitsy gnan-drozy mpanompony voho namono gnazy tan-tragnony tao avao. 25 Fa gny lony gny tany namono gnany reo iaby nitetiky hanohitsy gnan'i Amona Mpanjaka, voho nataon-drozy ho mpanjaka nilimby gnazy i Josia, gnany lahy.