Toko faha 13

1 Telopolo tao i Saoly ro nanomboky nanjaka; lafa nanjaka efapolo tao teo amin'Israely ie, 2 la nifantina johary telo arivo teo amin'Israely. Roarivo ro niaraky taminy tagny Mikmasy voho tagny amin'ny havoan'ny tanan'i Betela, laha gny arivo koa niaraky tamin'i Jonatana tagny Gibean'i Benjamina. Reo miaramila sisa tavela la nalefany noly, gny johary kirakiraiky samby ho agny an-dainy iaby. 3 Nandresy gny toby miaramilan'ny Filistina i Jonatana zay tagny Geba sady nahare io reo Filistina . La nitsoky trompetsa nagnera gny tagny iaby i saoly, nivola hoe:' Ao hahare reo Hebreo." 4 Ren'ny Israely manontolo fa i Saoly la nandresy gny miaramilan'ny Filistina, sady gny Israely avao koa la avy fofo lo ho gnan'ireo Filistina . sady reo miaramila la nampiantsoa hivondro hagnaraky gnan'i Saoly agny Gilgala. 5 Niara-nivory reo Filistina mba hialy hanohitsy gny Israely :' Kalesy telo arivo, johary eny arivo handay reo kalesy, sady antoko maro agnisan'io gny fasiky egny amoron-dranomasy. Niakatsy rozy sady nivory tagny Mikmasy, antignan'i Betavena. 6 Lafa hitan'ireo joharin'Israely fa nisavorotika rozy __fa ory gny fokonolo, la nietaky tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihits'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, sady tao agnaty lavaky gny fokonolo . 7 Gny sasany tamin'ireo Hebreo niampita gnan'i Jordana ho agny amin'ny tanin'i Gada voho Gileada. Fa i saoly koa mbo tagny Gilgala, sady gny fokonolo iaby nagnaraky gnazy tamim-pangovitana. 8 Niamby nandrina gny andro ie, gny fotoa zay namean'i samoela. fa Samoela tsy avy tagny Gilgala, sady gny fokonolo la niparitaky niala teo amin'i Saoly. 9 Hoy Saoly:' Andeso atoy amiko gny fagnatitsy oroa voho gny fagnati-pilongoa." La natolony gny fagnatitsy oroa. 10 vantany vao voalotony gny fagnatitsy oroa la avy i samoela. Niboaky nitsena voho niarahaba gnazy i saoly. 11 Sady hoy Samoela :'Ino gny nataonao?' Namaly i Saoly hoe;' Lafa hitako fa niala tamiko gny fokonolo, sady tsy avy teto amiko tamin'ny fotoa namea iha, sady reo Filistina fa nivory tagny Mikmasy, 12 La hoy aho hoe;' Amizao reo Filistina la hizotso hanota ahy ao Gilgala , sady zaho tsy nila gny fankasitrahan'i Yaveh . koa nanery gny vatako hanolory gny fagnatitsy oroa aho." 13 sady hoy Samoela tamin'i saoly :' nanao ada iha. Tsy nitandry gny lilin'i Yaveh Ndranagnaharinao zay nameany gnanao iha. fa tamin'io ro nametrahan'i Yaveh gny fanapahanao eo amin'Israely mandrakizay . 14 Fa amizao la tsy hitohy gny fanapahanao. Nila johary raiky araky gny fony avao Yaveh, sady Yaveh nanendry gnazy ho andriana eo amin'ny fkonolony, fotony tsy nankatoa zay nandidiany gnanao iha." 15 Bakeo la nandeha i Samoela ka niakatsy bakagny Gilgala ho agny gibean'ny Benjamina. sady saoly nagnisaky gny fokonolo zay avy niaraky taminy teo, teo ho amin'ny enin-jato lahy teo. 16 saoly, Jonatana anany lahy, sady gny fokonolo zay avy niaraky tamin-drozy , la nipetraky tao Gibean'ny Benjamina. Fa reo Filistina koa nitoby tagny Mikmasy. 17 Niboaky bakao amin'ny tobin'ireo Filistina tamin'ny vondro raiky telo reo mpanafiky. Gny vondro raiky nagnagny Ofra, agny amin'ny tanin'i saoly. 18 Gny vondro raiky hafa nagnagny Beti-horona, sady gny vondro raiky hafa nagnagny amin'ny sisin-tany zay hijoly gny Lohasan'i zeboina magnatriky gny tany efitsy. 19 Tsy nahita mpanefy manera gny Israely , fotony hoy reo filistina:' Laha tsy io reo Hebreo la hagnamboatsy sabatsy na lefo ho gnan-drozy. 20 Fa reo joharin'Israely iaby la fa zatsy nizotso nagnagny amin'ireo Filistina , gny kiraiky mba handragnitsy gny tendron'ny antsorony, gny fihalian-taniny, gny famakiny, sady gny antsim-bilony. 21 Gny sarany la roe ampahatelon'ny sekely gny tendron'antsoro, voho fihalian-tany , sady raiky ampahatelon'ny sekely gny fandragnita gny famaky voho fagnitia gny fagnindroe. 22 Koa tamin'ny andron'ny aly, la tsy nahita sabatsy na lefo teo an-tagnan'ireo miaramila zay niaraky tamin'i bSaoly voho Jonatana; iSaoly voho Jonatana anany avao ro nana gnan'io. 23 Reo miaramilan'ny Filistina la niboaky nagnagny amin'ny lalan'i Mikmasy.