Toko faha 12

1 Hoy i Samoela tamin'ny Israely manontolo:' Fa nijanjy gny raha iaby nolazainareo tamiko aho, sady fa nanendry mpanjaka teo aminareo. 2 Amizao , ingo mandeha eo agnatrehanareo gny mpanjaka; sady fa antitsy voho volo foty aho; sady reo anako la eo aminareo . Fa nandeha teo agnatrhanareo hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'androany aho. 3 Intoy aho; mijoro vavolombelo hanohitsy ahy eo agnatrehan'i Yaveh voho eo agnatrehan'ilay voahosony. Aobin'ia ro fa nalako? Ampondran'ia ro fa nalako? Ia ro fa nambakaiko? Ia ro fa nampijaliko? Bakamin'ny tagnan'ia ro fa nandrambesako kolikoly mba hahatamy gny masoko? Mijoroa vavolombelo hanohitsy ahy, fa hampoliko aminareo io." 4 Hoy rozy hoe:" Tsy namitaky gnanay iha, tsy nampijaly gnanay, na nangalaky na ino ino bakeo an-tagnan'olo." 5 La hoy ie tamin-drozy hoe;' Yaveh ro vavolombelo androany, fa tsy nahita na ino ino teo an-tagnako nareo." Rozy namaly hoe:' Yaveh ro vavolombelo." 6 Hoy i Samoela tamin'ireo fokonolo hoe:' Yaveh ro nanendry gnan'i Mosesy voho Arona, sady nanday gny razambenareo niakatsy bakao amin'ny tany Egypta. 7 Ka amizao, atolory gny vatanareo mba hahafahako mifandahatsy aminareo eo agnatrehan'i Yaveh mahakasiky reo asa marin'i Yaveh, zay nataony ho gnanareo voho gny razambenareo. 8 Lafa avy tagny Egypta i jakoba, sady nitaray tamin'i Yaveh reo razambenareo, la nandefa gnan'i Mosesy voho i arona i Yaveh, zay nitariky reo razambenareo hiboaky gnan'i Egypta sady nipetraky tamy toy toera toy rozy. 9 Fa rozy nagnaligno gnan'i Yaveh Ndranagnahariny; ka namarotsy gnan-drozy teo an-tagnan'i Sisera, mpitariky reo tafik'i Hazora ie, teo an-tagnan'ireo Filistina, sady teo an-tagnan'ny mpanjakan'i Moaba, reo iaby reo ro nialy tamin'ny razambenareo. 10 Nitaray tamin'i Yaveh rozy sady nanao hoe:'Fa nanota rahay, fotony nahafoy gnan'i Yaveh sady fa nanompo gnan'ireo bala voho reo Astarta. Fa amizao magnafaha gnanay eo an-tagnan'ireo fahavalonay, la hanompo gnanao Rahay. 11 Nohon'io la nagniraky gnani Jerbala , Bedana, Jefta, voho Samoela i Yaveh, sady nagnome fandresea gnanareo teo amin'ireo fahavalonareo iaby magnodidy gnanareo, ka nahafahanareo niay am-pilamina. 12 Lafa hitananareo fa avy hanohitsy gnanareo i Nahasa mpanjakan'ny fokonolon'i Amona, la hoy nareo tamiko hoe:" Tsia! Fa ao , ho mpanjaka koa ro hanjaka eto aminay__kanefa Yaveh Ndranagnaharinareo, ro mpanjakanareo. 13 Ingo amizo gny mpanjaka zay nifilinareo, zay nangatahinareo, sady zay notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo henanio. 14 Laha matahotsy gnan'i Yaveh nareo , la manonmpoa Gnazy, ankatoavy gny feony, sady ka mikomy hanohitsy gny lilin'i Yaveh , sady samby ho mpagnaraky gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo nareo voho gny mpanjaka zay manjaka eo aminareo. 15 Fa laha tsy mankato gny feon'i Yaveh nareo, fa mikomy manohitsy reo lilin'i Yaveh la hamely gnanareo gny tagnan'i Yaveh, manahaky gny nameleza reo razambenareo. 16 Ka mitsangana amizao sady jereo zao raha bevata zay hataon'i Yaveh eto imasonareo zao. 17 Moa va tsy fotoam-pijinja vary zao ? Hikaiky gnan'i Yaveh aho , mba handefasany kotroky voho ora. La ho hainareo voho ho hitanareo fa bevata gny haratiam-pagnahinareo, zay nataonareo teo imason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka." 18 Ka la nikaiky gnan'i Yaveh i Samoela; sady tamin'io andro io avao koa la nandefa oram-baratsy i Yaveh . Sady la natahotsy gnan'i Yaveh voho samoela gny fokonolo iaby . 19 La hoy reo fokonolo iaby tamin'i Samoela hoe:' Mivavaha ho gnan'ireo mpanomponao amin'i Yaveh Ndranagnaharinao, mba tsy ho maty rahay. Fotony fa nagnampy gny fahotanay iaby tamin'izao raha raty zao tamin'ny alalan'ny fangataha mpanjaka rahay." 20 La namaly Samoela hoe;' Ka matahotsy Fa nanao zao raty iaby zao nareo, kanefa ka miala amin'i Yaveh , fa manompoa gnan'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo. 21 Ka miodaky magnaraky reo raha tsy dikany zay tsy mahasoa na mahavonjy gnanareo , fotony la tsy misy ila gnazy reo 22 Fa nohon'ny agnarany bevata , la tsy handa gny olony i Yaveh, fotony mahafaly gnan'i Yaveh gny hanao gnanareo ho fokonolony. 23 Laha gny amiko , la sagnatriaviko gny hanota amin'i Yaveh amin'ny fijanogna gny hivavaky ho gnanareo. Fa koa hampianatsy gnanareo gny lala zay soa voho marina aho. 24 Yaveh avao hatahora sady manompoa Gnazy amin'ny fahamarigna amin'ny fonareo manontolo. Hevero reo raha bevata zay fa nataony taminareo. 25 Fa laha agniry gny hanao raty nareo, la samby ho ringa nareo voho gny mpanjakanareo."