Toko 1

1 Nisy johary raiky avy eo Ramataina agn'i Zefotita, tagny havoan-ny Efraima; gny agnarany la Elkana anakilahin'i Jeroama anakilahin'i Eliho anakilahin'i Toho anakilahin'i Zofa, i Efraimita. 2 Mana valy raiky ie, gny voalohany i Hana, la Hana, sady gny agnaran'ilay faharoe i Penina. Managnanaky i Penina, fa i Hana koa tsy mana. 3 Io johary io la isan-tao ro niala bakagny amygny tananany mba hanompo voho hanao soro ho gnan'i Yaveh tompoan-gny maro ao Silo. Tao reo anaky lahin'i Ely roe, Ofnia voho Finehasa, mpisoron'i Yaveh. 4 Lafa niavy anjarany gn'andro hanaovan'i Elkana soro isan-tao magnomea ampahan-kana gnan'i Penina valiny lalandava ie. sady ho gnan'ireo anakilahiny voho reo anakam-pelany iaby. 5 Fa ho gnan'i Hana koa la ampahany roe avao ro nomeny gnazy, fotony tiany i Hana, ndra nataon'i Yaveh kanda aza ie. 6 Nihatsy gnazy fara-tampony gny rafivaviny mba handrangitsy gnazy, fotony Yaveh naha kanda gnazy 7 Ka isan-tao ,lafa niakatsy tagny an-tragnon'i Yaveh mbamy gny longony,la nihatsy gnazy hatragny gny rafivaviny. Ka zay nitagny voho tsy nihina ndra ino ino ie. 8 Fa i Elkana valiny nivola taminy mandrakariva hoe: " Hana, magnino iha tomagny io ? Magnino iha tsy mihina io? Nagnino gny fonao ro kamo? tsy soa aminao noho gny anaky lahinay folo va zaho? 9 Ndraiky mandeha ,la niala i Hana lafa avy nisakafo voho nino tao Silo rozy reo. Sady Ely mpisoro nipetraky teo amy gny seziny teo agnilany vavahady gny tempolin'i Yaveh. 10 Ory tanteraky ie; nivavaky tamin'i Yaveh ie voho nitagny mare. 11 Nanao vava ie sady nanao hoe: " Ry Yaveh tompony gny maro,laha jerinao gny fijaleany gny mpanomponao la tarovo zaho, sady aza magnaligno gny mpanomponao fa, amea anaky lahy koa gny mpanomponao,la ho atolotro gnan'i Yaveh ie amy gny androm-piaignany iaby, sady tsy hisy hareza hikasiky gny kabesony." 12 Sady laha mbo nanohy nivavaky teo agnatrehan'i Yaveh ie, la nihentean'i Ely gny vavany. 13 Nirehaky tao agnainy i Hana. Nihetsiketsiky gny tsihoviny ,nefa tsy re gny feony. Ka la nandiniky i Ely fa mamo ie. 14 La hoy i Ely tagnaminy: " la traka ombia iha ro ho mamo? Mienga amy gny divainao. " 15 Hana namaly hoe: " Aha tsy zay lahy, ampela mijaly am-pagnahy zaho. tsy nino zaho ndra divay ndra raha mahamamo, fa nagnaboaky gny tato agnaiko eto agnatrehan'i Yaveh zaho. 16 Ka dinihinao ho ampela tsy misy hegnatsy gny mpanomponao; Nivola tamy gny hamaroany gny fijaleako voho gny fahatarovako gnahy zaho 17 Sady Ely namaly ka nanao hoe: " Mandehana am-piadagna; Ndranagnaharin'Israely anie hamaly gny fangataha zay nangatahinao taminy." 18 Hoy gny ampela: " Ao hijery sitraky eo ampahibemasonao gny mpanomponao". La nandeha tamy gny lalany ampela igny ka nisakafo; tsy nalahelo sasy gny endriny. 19 Niala vo maraindray be rozy ka nanompo teo agnatrehan'i Yaveh, sady nimpoly tagny an-tragnony tagny Rama ndraiky rozy bakeo. Niharo firoroa tamin'i Hana valiny i Elkana, sady Yaveh nahatiaro gnazy. 20 Lafa niavy gny fotoany ,la nibevoka i Hana ka niteraky Aja johary. Nikaiky gny agnarany hoe: Samoela ie, nanao hoe: " fotony bakamin'i Yaveh ro nangatahako gnazy." 21 Elkana voho reo longony iaby la niakatsy ndraiky mba hagnatoro gny sorony isan-tao ho gnan'i Yaveh ka nagnonitsy gny vavany. 22 Fa i Hana koa tsy nandeha, fa nivola tamy gny valiny ie hoe: " Tsy handeha zaho mandrampaha maota nono aja kelikely; sady handesiko ie,mba hahafahany mihelatsy eo agnatrehan'i Yaveh sady hipetraky agny la traky farany." 23 Hoy i Elkana valiny hoe: " Ataovo zay jerinao fa soa aminao. Mandingnisa mandra-pihegnenanao nono gnazy; sendra, Yaveh avao anie ro hampahery gny volany." La niegny gnampela sady nagnenga gny anakilahiny mandra-piegnenany nono gnazy 24 Lafa nala nono ie ,la nandesiny misondry tagnaminy, nisondry tamy gny anak'aomby kelikely telo tao raiky, sakafo raiky holoavy, sady filakon-divay raiky, ka nandesiny tao an-tragnon'i Yaveh tao Silo ie. Sady mbo kelikely gnaja. 25 Nivonoandrozy reo gny anak'aomby, ka nandesiny tagny amin'i Ely gnanja. 26 Hoy ie hoe: " O, ry tompoko! Laha mbo velo koa iha, ry tompoko zaho lay ampela zay nijoro teo anilanao nivavaky tamin'i Yaveh. 27 Fa toy ro aja toy ro nivavahako sady nameako gnan'i Yaveh gnahy gny fanangatahako zay nangatahiko tagnaminy. 28 Fa nameako gnan'i Yaveh ie, laha mbo velo koa ie la hameako gnan'i Yaveh." La nanompo gnan'i Yaveh teo ie