Toko faha 29

1 Hoy Davida mpanjaka tami-gny fiangona iaby hoe he: " Solomona gnanaky lahiko, ze finilin-Dranagnahary, la mbo tanora vo tsy mena traikefa, nefa henja gn'asa. Fa gny tragnobe Ndranagnahary la tsy ho gnan'ny gn'olo fa ho gnan'i Yaveh Ndranagnahary. 2 Ka la fa nanao ze faraheriko zaho mba hagnampia gny tragno be Ndranagnahariko. Hagnome volamena zaho ho gnan'ny ze raha vita ami-gny volamena, volafoty ho gnan'ny ze raha vita ami-gny volafoty, saba ho gnan'ny ze vita ami-gny saba, vy ho gnan'ny ze raha vita ami-gny vy, la hazo ho gnan'ny ze raha vita ami-gny hazo. Hagnome vato berily avao koa zaho, vato haory, vato ho gnan'ny gn'asa voarafitry maro loko-karazam-bato lafo vily iaby__la marmaro foty marobe. 3 Io, nohon'ny gny fankasitrahako gnan-tragno-Ndranagnahariko, la hameako ho gnan'izay gny volamena ao gny volafoty lafo vily fanagnako. Ataoko zao ho tovon'ny ze iaby fa nomagniko ho gnan'ny tragnobe Ndranagnahary masy toy: 4 Talenta volamena bakagny Ofira telo arivo, vo talenta volafoty voalio fito arivo, mba hametraha rindrin'ny fagnoregna reo. 5 Hanolotry volamena ho gnan'ny raha ho vita ami-gny volamena zaho, vo volafoty ho gnan'ny raha ho vita ami-gny volafoty, la raha ho gnan'ny karazan'asa iaby reo ze ataon'ny gny mpanao asa tagna reo. Ia avao koa ro ta-handramby anjara ho gnan'i Yaveh andoany la hanolo-bata ho gnazy?" V 6 La rakitry an-tsitrapo reo la nataon'ny gny mpitariky gny longon'ny razamben-drozy reo, gny mpitariky gny fokon'Israely reo; Reo mpamehy agn'arivo vo an-jatony reo, la manamboninahitsy ami-gn'asan'ny mpanjaka eo. 7 Nanolotsy talenta limy arivo vo darika volamena ray, talenta volafoty ray aly, talenta saba valoarivo sy ray aly, la talenta vy 100.000 ho gnan'ny gn'asan'ny tragno Ndranagnahary rozy. 8 Reo ze nana vato lafo vily la nagnome an'izay tami-gny fipetrahan-drakitry gny tragnon'i Yaveh ao, tambany fagnaraha-mason'i Jehiela eo, taranak'i Gersona. 9 Nifalifaly gn'olo nohon'ny gny rakitry an-tsitrapo reo, gnantony nandramby anjara tami-gny fony iaby ho gnan'i Yaveh rozy. Nazoto la nazoto avao koa Davida mpanjaka. 10 Nisaotry gnany Yaveh, tagnatrehan'ny gny fiangona iaby eo Davida. Hoy ie hoe he: " la ho renge Iha, Yaveh, Ndranagnahariny gn'Israely razambenay, zisiky farany. 11 Gnanao, Yaveh, gny habevata, gny fahefa, gny voninahitry, gny fandresea, vo gny famirapirata. Fa zer iaby an-dagnitsy egny vo agnabon'ny gny tany eo la gnanao. Gnanao gny fanjaka, Yaveh, asondrotry ho mpanapaky ami-gny raha iaby eo Iha. 12 Gny Hanagna vo gny voninahitsy la samby bakaminao, la manapaky ami-gn'olo iaby Iha. An-tagnanao eo gny fahefa vo gny hery. Hanagnanao gny tanjaky vo gny hery mba hahabevata gn'olo vo hagnome tanjaky gn'olo ndra aisia. 13 Ka henanizao, Ndranagnaharinay, la misaotry gnanao vo nandrengy gnagnanao be voninahitry rahay. 14 Fa ia moa zaho la ia gn'oloko reo, ro tokony ho afaky hagnome raha an-tsitrapo reo? Eka vatany, gny raha iaby la bakaminao; ka nampolinay taminao avao ze gnanao. 15 Fa vahiny vo mpandalo manahaky gny razambeny iaby reo rahay, agnatrenao eo. Gn'andronay an-tany eto manahaky gn'aloky, la tsy misy fagnantegna gnami-gny fijanogna an-tany eto. 16 Yaveh Ndranagnaharinay, hanagna iaby reo ze nivoavirinay mba hagnoregna tragno be Ndranagnahary hagnomeza voninahitsy gnagnaranao masy__la bakaminao la gnanao. 17 Haiko avao koa, Ndranagnahariko, fa nandiniky gny fo vo mankasitraky gny fahitia Iha. Laha gn'amiko, tami-gny fahitim-po ro fa nagnomezako an-tsitrapo raha iaby reo, la henanizao magnenty am-pifaliafalia gn'olonao reo ze magnatriky an-tsitrapo eto magnome fagnomeza ho gnanao zaho. 18 Yaveh, Ndranagnaharin'i Abrahama, Isaka, vo Israely razambenay__tanjaho zisiky farany an-tsay vo vetsevetsin'ny gn'aolonao ao zay. Tarito gny fon-drozy hitoliky aminao. 19 Ameo gnany Solomona gnanaky lahiko gny fo atriky fagniria hitandrina gny lilinao reo, lalagnan'ny fagnenkenao reo, la lalagnanao reo, mba hamita gny fikasa iaby reo gnami-gny fagnaregna gny lapa ze fa nameako." 20 Hoy Davida tami-gny fiangona iaby hoe: " Henanizao la misaora gnany Yaveh Ndranagnaharinareo." Gny fiangona iaby, nisaotry gnany Yaveh, Ndranagnaharin'ny gny razamben-drozy, nampiondriky gny lohany ka nanompo gnany Yaveh la nanongaliky talohan'ny mpanjaka eo. 21 Gny Hamaray, la nanao soro ho gnan'i Yaveh vo nagnome fagnatitsy oroa ho Gnazy rozy.Nanome aomby arivo la anak'aondry arivo lahy sady anak'aondry arivo niaraky tami-gny fagnatitsy inomy voho soro be la be ho an'Israely iaby rozy. 22 Tamin'andro zay, la nihina vo nino tagnatrehan'i Yaveh eo tami-gny fankalaza bevata rozy. Nataon-rozy mpanjaka fagnindroany ndraiky Solomona, gnanak'i Davida, la nagnosotry gnazy ho mpanompaky tamign'alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nagnosotry gnany Zadoka ho mpisoro avao koa rozy. 23 La Solomona nifitaky tami-gny seza fiandriagnan'i Yaveh eo ho mpanjaka hisolo gnany Davida babany. Niambininy ie, la gn'Israely iaby nagnenky gnazy. 24 Mpitariky iaby reo, maramila, la gnanaky lahin'i Davida reo la nagnome fagnenkena gnany Solomona Mpanjaka. 25 Namean'i Yaveh voninahitsy tami-gny habevata tagnatrehan'Israely iaby Solomona la nameany fahefa bevata nohon'ny ze fa nameany gny mpanjaka talohany reo tao Israely. 26 Nanjaka tamin'Israely teo iaby Davida gnanaky lahin'i Jese. 27 Mpanjakan'Israely nandritrany gn'efa-polo-tap Davida. Nanapaky an'i Hebrona nandritrany gny fito tao la Jerosalema nandritrany gny telo amby telo -polo tao ie. 28 Maty ie lafa trak'antitry soa, lafa niay an-dro lava, tami-hanagna vo voninahitry. Nisolo gnazy Solomona gnanany. 29 Voasoratry ami-gny bokin'i Samoela mpagnambara hafatry ao, ami-gny bokin'i Natana mpagnambara hafatry ao, la ami-gny bokin'i Gada mpagnambara hafatry ao, raha vitan'i Davida Mpanjaka reo. 30 Voapetraky ao gn'asan'ny fanapahany reo, raha vitany reo vo raha niseho ze nifotsy gnazy reo, Israely, la fanjakan'ny gny tany hafa iaby reo.