Toko faha 28

1 Navorin'i Davida manamboninahitsy gn'Israely iaby reo ta-Jerosalema ao: Reo manamboninahitry gny foko reo, reo manam-pahefan'antoko reo ze nanompo gny mpanjaka tamign'asan-drozy voalahatry mpamehy agn'arivo vo mpamehy an-jatony, mpiandraikitry gny hanagna vo fanagnan'ny mpanjaka reo vo gnanaky lahiny iaby reo, la manampahefa reo vo gny johary mpialy reo, agnisan'izay gny mahay mare amin-drozy . 2 La nitsanga Davida mpanjaka la nanao hoe he: " Janjigno zaho, rahalahiko vo gn'oloko. Fikasako gny hagnamboatry gny tragno be ho gnan'ny fiaran'ny fagnenken'i Yaveh; fipetraham-tomboky ho an-Dranagnaharintsika, la fa nanao fagnomagna hagnoregna an'izay zaho. 3 Nefa hoy Ndranagnahary tamiko hoe: ' Tsy hamboatsy tragno be ho gnan'ny gnagnarako iha, gnantony Joharin'aly iha la fa nandatsa-dio. 4 La Yaveh, Ndranagnaharin'Israely igny, fa nifily gnahy tami-gny longon-drako iaby ho mpinjaka amin'Israely eo zisiky farany. Nifily gnahy ho mpanjaka amin'Israely eo iaby tami-gny fokon'i Joda ao, la tamign'ankohonan-drako ao, bakami-gnanaky lahin-drako iaby ie. 5 Bakami-gnanaky lahy maro namean'i Yaveh gnahy reo, ro nifiliany an'i Solomona, gnanaky lahiko, mba hifitaky ami-gny seaza fiandriagnan'ny fanjakan'i Yaveh eo, amin'Israely eo. 6 Hoy ie tamiko hoe: ' Hamboatry gny tranoko vo kianjako reo i Solomona, gnanaky lahiko, gnantony fa nifily gnazy ho gnanako zaho, la ho babany zaho. 7 Hametraky gny fanjakany zisiky farany zaho; la ka mipetraky magnenky liliko reo vo lalagnako reo, manahaky gnanao henanikizao ie.' 8 La Henanikizao, agnatrehan'Israely iaby eo, toy fivoria ho gnan'i Yaveh toy, vo ami-gny fagnatrehan-Dranagnaharintsika eo, la tandremanareo iaby la tanjaho gny lilin'i Yaveh Ndranagnaharinareo iaby reo. Ataovo zay mba hanagnanareo an'izay tany soa zay ka hametraky an'izay ho lovan'ny gnanakareo misolo gnanareo reo zisiky farany. 9 La gn'aminao, Solomana gnanako, ekegno Ndranagnaharin'ny gny babanao, la manompoa gnazy ami-gny fonao iaby vo fagnahy mazoto. Ataovo zay gnantony Yaveh mila gny fo iaby la mahatakatry gny fahazotoan'ny gny vetsivetsin'ny gn'olo iaby. Laha mila gnazy iha, la ho jerinao Ie, nefa laha miala gnazy iha, la hagnary gnanao zisiky farany Ie. 10 Haizo fa Yaveh fa nifily gnanao mba hamboatry an'izay tragno be zay ho fipetrahany masy. Mahafatrara ka la ataovo zay.' 11 La namean'i Davida gnany Solomona gnanany gny sarin'ny gny filiran'ny tragno be; gny fagnoregna gny tragno be, tragno fagnajaria reo, efitry farany agnabo reo, afitry agnatiny reo, la gn'efitry misy gny sarom-pagnavotsy. 12 Nameany gnazy rafitry nataony sary reo ho ami-gny kianjan'ny tragnon'i Yaveh reo; efitry magnodidy iaby reo, tragno fagnajaria reo an-tragnon-Dranagnahary ao, la fagnajaria rakitry reo ho gnan'ny raha ze gnan'i Yaveh reo. 13 Nagnome gnazy fitsipiky reo ho gnan'ny fizarany mpisoro reo vo Levita reo, ho gnan'ny gn'andraikitry voatondro reo ho gnan'ny fanompoa ami-gny tragnon'i Yaveh ao, la ho gnan'ny raha iaby reo ho gnan'ny gny fanompoa an-tragnon'i Yaveh ie. 14 Nameany gnazy gny lanjan'ny gn'enta volamena iaby ho gnan'ny fanompoa isan'karazany iaby la gn'enta volafoty iaby, ho gnan'ny raha iaby ho gnan'ny karazam-panompoa iaby. 15 Antsipirihany reo la namea tami-gny lanja, anisan'izay gny antsipirihan'ireo fanaovan-jiro volamena voho reo jiro volamena, gny antsipirihan'ny lanja ho gnan'ny fanovan-jiro iaby, ho gnan'ny jiro reo, ho gnan'ny fanovan-jiro volafoty, la gn'antsipirihany ho gnan'ny gny fampiasa manoka gny fanovan-jiro iaby. 16 Nameany ho gnan'ny gny latabatry gny mofon'ny fagnatrehako, gnan'ny latabatry iaby gny lanjan'ny volamena vo gny lanjan'ny volafoty ho gnan'ny latabatsy volafoty reo. 17 Nameany gnan'ny satro fihinanan-kena reo, koveta reo, la kapoaky reo gny lanjan'ny volamena tsy miharo. Nameany gny lanjan'ny finga volamena kiraidraiky, vo gny lanjan'ny finga volafoty kiraidraiky. 18 Nameany ho gn'alitara fagnoroa ditin-kazo magnitsy gny lanjan'ny volamena voalio, la gnan'ny volamena ho gnan'ny sarin'ny kerobima ze namelatry gn'elany reo ka mandomboky gny fiaran'ny fagnenken'i Yaveh. 19 Hoy Davida hoe: " Fa nataoko an-tsoratsy iaby zay araky gny nagnatoroan'i Yaveh gnahy vo nampazahoany gnahy mifotsy gny sary." 20 Hoy Davida tamin'i Solomona gnanany hoe he:" Mahafatrara la managna herim-po. Ataovo gn'asa. Ka matahotry na marikariky, fa Yaveh Ndranagnahary, Ndranagnahariko, la mitahy gnanao. Tsy hagnenga gnanao Ie na hiala gnanao zisiky hahavitan'ny gn'asa iaby ho gnan'ny gny fanompoa iaby an-tragnobe-Ndranagnahary ao. 21 Ingo, reto reo fizaran'ireo mpisoro voho reo Levita ho gnan'ny fanompoa iaby ao an-tragnoben-Dranagnahary. Hisondry aminao rozy, miaraky ami-johary manam-pazotoa la vatany mahay iaby, mba hagnampy gnanao amign'asa vo hamita gny fanompoa. Manamboninahitsy reo vo gn'olo iaby vonona gny hagnoriky gny baikonao reo."