Genesis 3

Genesis 3:1

Ary

Ny mpanoratra dia manomboka fizaran-tantara vaovao.

malina kokoa

"fetsy kokoa" (UDB) na "kinga amin'ny hahazahoana izay ilainy amin'ny fitenenana lainga"

tena nilaza tokoa ve Andriamanitra, 'tsy azonareo...saha'?

Mody gaga tamin'ny nanaovan'Andriamanitra izany didy izany ilay bibilava. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho toy ny fanambarana.DH: "Gaga aho ny amin'ny nitenen'Andriamanitra hoe,'tsy azonareo...saha.'"

Tsy azonareo hinanana

Ny teny "ianareo" dia mihoatra ny iray ary ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy.

Azonay hihinanana...hoy Andriamanitra, 'Tsy azonareo atao ny mihinana izany

Nolazain'i Eva tamin'ilay menarana aloha izay navelan'Andriamanitra ataon'izy ireo, ary avy eo izay tsy azon'izy ireo natao. Misy fiteny sasany mety hilaza izay tsy azo atao mialoha ary avy eo izay azo atao, toy ny ao amin'ny UDB.

Azonay hihinanana

"Avela hihinana izahay" na "mahazo alalana hihinana izahay"

Tsy azonareo atao...na mikasika izany... ho faty ianareo

Ny teny "ianareo" dia mihoatra ny iray ary ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy.

Tsy azonareo atao ny mihinana izany

"tsy afaka mihinana izany ianareo" na "Aza mihinana izany"

na mikasika izany

"ary tsy mahazo mikasika izany ianareo" na "ary aza mikasika izany"

Genesis 3:4

ianareo... ianareo...anareo... ianareo

ireo teny ireo dia ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy izay anankiroa na mihoatra ny iray.

dia hahiratra ny masonareo

"dia hisokatra ny masonareo." Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "hahafantatra zavatra ianareo" na "hahatakatra zavatra vaovao ianareo." Voalaza mazava izany hevitra izany. DH: "ho tahaka ny misokatra ny masonareo"(UDB)

mahalala ny tsara sy ny ratsy

Eto "ny tsara sy ny ratsy" dia hevitra am-badika izay ilazana ny faratapony sy ny zavatra rehetra eo anelanelany. Jereo ny nandikanao ny hoe: "fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny 2:9. DH: "mahalala ny zavatra rehetra, ny tsara sy ny ratsy"

nahafinaritra ny maso izany

"mahafinaritra raha jerena ilay hazo" na "tsara ny mijery izany" na "tena tsara be izany" (UDB)

ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry

"ary niriany ny voan'ilay hazo satria izany dia mahatonga ho olon-kendry" na "ary naniry ny voan'izany izy satria afaka hahatonga azy hahatakatra ny tsara sy ny ratsy toa an'Andriamanitra izany"

Genesis 3:7

Nahiratra ny mason'izy ireo

"Ary dia nahiratra ny mason'izy ireo" na "nahafantatra izy ireo" na "nahatakatra izy ireo." Jereo ny nandikanao ny hoe: "dia hisokatra ny masonareo" ao 3:4

Nanjaitra

"nampitambatra" na "nanakambana"

ravin'aviavy

Raha tsy fantatrin'ny olona ny ravin'aviavy, dia azo adika hoe "ravina lehibe avy amin'ny hazo aviavy" na tsotra hoe: "ravina lehibe."

ary nanamboatra fitafy ho an'ny tenan'izy ireo

Nanao izany izy ireo satria menatra. Izany fampahafantarana tsy dia mazava izany dia azo atao mazava raha ilaina toy ny ao amin'ny UDB. DH:"ary nampiakanjo ny tenany tamin'izany satria menatr'izy ireo"

tamin'ny malomaloka andro

"amin'ny ora fitsiokan'ny tsio-drivotra malefaka"

avy amin'ny fanatrehan'i Yaveh Andriamanitra

"avy eo imason'Andriamanitra" na "mba tsy hahita'i Yaveh Andriamanitra azy ireo" (UDB) na "avy amin'i Yaveh Andriamanitra"

Genesis 3:9

Aiza ianao?

"Nahoana ianao no miezaka hiafina Ahy?" (UDB). Fantatr'Andriamanitra izay nisy an-dralehilahy. Raha namaly ralehilahy, dia tsy niteny izay misy azy izy fa ny antony izay niafenany.

ianao

Ao amin'ny toko 9 sy 11, Andriamanitra dia niresaka tamin-dralehilahy. Ny fiteny izay manana ny "ianao" manondro olona iray dia hampiasa izany eto.

Nandre Anao aho

"Nandre ny feo izay nataonao aho"

Iza no nilaza taminao

Fantatr'Andriamanitra ny valin'izany fanontaniana izany. Manontany izany Izy mba hanereny an'i Adama hiaiky fa tsy nankatoa an'Andriamanitra izy.

Moa ve ianao nihinana...avy?

Eny, fantatr'Andriamanitra fa nitranga izany. Adikao izany fanontaniana izany amin'ny endrika maneho fa Andriamanitra dia mandiso an'i Adama nohon'ny tsy fankatoavany. Ity fehezanteny ity dia azo adika toy ny fanambarana. DH: "Tsy tokony nihinana tamin'izany ianao... avy."

Genesis 3:12

Inona izao nataonao izao?

Efa fantatr'Andriamanitra izay nataon-dravehivavy . Raha nametraka izany fanontaniana izany Izy dia nanome azy fahafahana hiteny momba an'izany, ary maneho ny fahadisom-panantenany tamin'izay nataony. Maro ny fiteny mampiasa fanontaniana fampisainana mba hibedesana na hitenenana mafy. Raha azo atao, dia mampiasà endrika izay maneho izany fahadisom-panantenana izany. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Nanao zava mahatsiravina ianao."

Genesis 3:14

voaozona irery ianao

"ianao irery no voaozona." Ny teny hoe: "voaozona" no mandeha aloha amin'ny fiteny Hebreo mba hanasongadinana ny fifanoherana teo amin'ny tso-dranon'Andriamanitra ho an'ireo biby sy izany ozona ho an'ilay menarana izany. Izany dia "ozona voakajy," na ny fomba izay nilazana izany ozona izany. Tamin'ny nilazana izany ozona izany, Andriamanitra dia nanao izany.

ny biby fiompy sy ny bibi-dian'ny saha rehetra

"ny biby fiompy sy ny biby dia rehetra"

Amin'ny kibonao kibonao no handehananao

"Amin'ny kibonao no hikisahanao hifindra eo amin'ny tany." Ny teny hoe: "Amin'ny kibonao" dia nalefa mialoha mba hanasongadinana ny fifanoherana amin'ny fomba fifindran'ny biby hafa izay mampiasa ny tongony sy ny hisosan'ilay menarana amin'ny kibony. Izany koa dia tafiditra ao amin'ny ozona voakajy.

ary ny vovoka no ho fihinanao

"hihinana vovoka ianao." Ny teny "ny vovoka no" dia nalefa mialoha mba hanasongadinana ny fifanoherana amin'ny zava-maniry eo ambonin'ny tany izay hohan'ny biby hafa sy ny sakafo maloto eo amin'ny tany izay hohanin'ny menarana. Izany koa dia tafiditra ao amin'ny ozona voakajy.

fifandrafiana eo aminao sy ny vehivavy

Izany dia midika fa ny menarana sy ny vehivavy dia ho lava mpifahavalo.

voa

"zanaka" na "taranaka". Ny teny "voa" dia ilazana izay apetrakin'ny lehilahy ao amin'ny vehivavy mba hahatonga zazakely hiforona ao an-kibony. Toy ny teny hoe: "taranaka", izany dia entina ilazana olona mihoatra ny iray, toy ny teny hoe: 'fara mandimby." Miezaha mitady teny izay manondro olona mihoatra ny iray.

Hanorotoro izy ... ny ombelahin-tongony

Ny teny hoe: "izy" sy "azy" dia ilazana ny tarakin'ny vehivavy. Raha nandika ho mihoatra ny iray ny hoe: "voa", dia azo adika toy ny hoe "hotorotoroin'izy ireo...ny ombelahin-tongotr'izy ireo"; amin'ity tranga ity, dia mihevera hanisy fanamarihana ambany pejy hilaza fa ny "izy ireo" sy ny "azy ireo" dia nampiasaina mba handikana ny mpisolo tsy mihoatra ny iray.

hanorotoro

"hanitsakitsaka" na "hamely" na "hanafika"

Genesis 3:16

Hampitomboiko ny fanaintainanao

"Hampitomboiko fatratra ny fanaintainanao" na "hohamafisiko mafy ny fanaintainanao"

amin'ny hananana zakana

"amin'ny hiterahana zanaka" na "raha hiteraka ny zanakao ianao" UDB

Ny fanirianao dia ho an'ny vadinao

"Hanana faniriana fatratra ny vadinao ianao." Ireo mety ho heviny dia 1) "tena hila fatratra ny vadinao ianao" na 2)" te hifehy ny vadinao ianao"

hanapaka eo aminao izy

"izy no ho tomponao" na "hifehy anao izy"

Genesis 3:17

Adama

Ny anarana hoe: "Adama" dia mitovy amin'ny " lehilahy" amin'ny teny Hebreo. Misy fandikan-teny manao hoe: "Adama" ary ny sasany manao hoe: "ralehilahy". Afaka hampiasainao ireo endriny daholo ireo noho izy ilazana olona iray.

nihaino ny feon'ny vadinao ianao

Fomba fiteny izany. DH: "nankato izay nolazain'ny vadinao ianao"

nihinana avy tamin'ny hazo

Afaka milaza izay nohanin'izy ireo ianao. DH: "nihinana ny voan'ilay hazo" na "nihinana ny sasany tamin'ny voan'ilay hazo"

Tsy azonareo hihinanana izany

"Tsy mahazo mihinana amin'izany ianareo" na "Aza mihinana ny voankazon'izany"

voaozona ny tany

Ny teny hoe: "ozona" dia nalefa aloha ao amin'ity fehezanteny ity mba hanasongadinana fa ny tany, izay "tsara" (1:9), ankehitriny dia eo ambany ozon'Andriamanitra. DH: "Manozona ny tany Aho"

amin'ny asa mampanaintaina

"amin'ny fanaovana asa mafy"

hihinana avy amin'izany ianao

Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny tany ary sarin-teny hilazana ny faritrin'ny zava-maniry, izay maniry eo amin'ny tany, izay hohanin'ny olona. DH: "hihinana izay maniry eo amin'izany ianao"

zava-manirin'ny saha

Ireo mety ho heviny dia 1) "ny zava-maniry izay nokarakarainao any amin'ireo sahanao" na 2)"ny zava-maniriniry ho azy any amin'ireo saha tsy voafefy."

hihinana mofo ianao

Eto ny teny hoe:"mofo" dia filazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hihinana sakafo ianao"

Amin'ny hatsembohan'ny tavanao

"Amin'ny fanaovana asa mafy izay mahatsemboka ny tavanao"

mandram-piverinao amin'ny tany

"mandra-pahafatinao ary ny vatanao dia atao ao amin'ny tany." Amin'ny kolon-tsaina sasany, dia ataon'izy ireo any anaty lavaka eo amin'ny tany ny fatin'ny olona izay maty. Ny asa mafin'ny olona dia tsy mifarana mandra-pahatongan'ny fotoanan'ny fahafatesany sy ny fandevenana azy.

Fa vovoka ianao, ary hody vovoka

"Namboariko avy amin'ny tany ianao, koa dia ho lasa vovoka ny vatanao." Adikao amin'ny teny mitovy ny fisehon'ny hoe: "vovoka" mba hanehoana fa ny olona dia niandoha sy mifarana amin'ny toe-javatra mitovy.

Genesis 3:20

Ralehilahy

Misy fandikan-teny sasany manao hoe: "Adama"

niantso ny anaram-badiny hoe "Eva"

"nanome anarana ny vadiny hoe: Eva" na "niantso ny vadiny ho Eva" (UDB)

Eva

Ny mpandika teny dia mety hanoratra fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana Eva dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo ny teny izay midika hoe 'fiainana."'

ny manan'aina rehetra

Ny teny "manan'aina" dia ilazana ny olona. DH: "ny olona rehetra"

akanjo hoditra

"akanjo vita amin'ny hoditrin'ny biby"

Genesis 3:22

ralehilahy

Ny mety ho heviny dia 1) Andriamanitra dia milaza olona iray, ilay lehilahy, na 2)Andriamanitra dia milaza ny olona amin'ny akapobeny, ka izany dia midika fa ralehilahy sy ny vadiny. Na dia miresaka olona iray ary aza Andriamanitra, izay nolazainy dia mihatra amin'izy roa tonta.

tahaka ny anankiray amintsika

"tahaka antsika." Ny mpisolo tena "isika" dia manambara olona mihoatra ny iray. Jereo ny nandikanao ny hoe: "Andeha isika hamorona" ao amin'ny 1:26.

mahalala ny tsara sy ny ratsy

Eto "ny tsara sy ny ratsy" dia hevitra ambadika ilazana ny tafahoatra sy ny zavatra eo anelanelany. Jereo ny nandikanao ny hoe: "fahafantarana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny 2:9. DH:" mahalala ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny tsara sy ny ratsy"

tsy azony atao

DH: "Tsy hamela azy aho"

hazon'aina

"hazo izay manome fiainana ho an'ny olona." Adikao toy ny ao amin'ny 2:7

ny tany izay nakana azy

"maloto satria nalaina avy amin'ny loto." Izany dia tsy ilazana toerana iray manokana eo amin'ny tany izay nakan'Andriamanitra ny olona.

Noho izany dia noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy

"Noteren'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy." Izany dia ilazana ny tranga ao amin'ny 3:22, izay voalaza hoe: "nandroaka azy hiala ny saha Edena Yaveh Andriamanitra." Tsy nandroaka an-dralehilahy fanindroany Andriamanitra.

hamboly

manao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara. Adikao izany toy ny ao amin'ny 2:4

mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina

"mba hanatsaharana ny olona tsy hakany amin'ny hazon'aina"

sabatra mirehitr'afo

Ireo mety ho heviny dia 1)sabatra izay misy afo mivoaka avy aminy na 2) afo izay mitovy endrika amin'ny sabatra.Ny fiteny izay tsy manana ny hoe :"sabatra" dia afaka mampiasa fiadiana hafa toy ny lefona na ny tsipika.