Genesis 2

Genesis 2:1

ny habakabaka

"ny lanitra" na "ireo lanitra"

ary ny zava-manan'aina rehetra izay mameno azy ireo

"ary ny zava-manan'aina maro rehetra izay miaina eo amin'izy ireo" na "ary ireo zava-manan'aina betsaka eo aminy"

vita

HD: "Vitan'Andriamanitra ny famoronana azy ireo"

Tamin'ny andro fahafito Andriamanitra dia efa hamarana ny asany izay nataony

Tsy dia niasa firy Andriamanitra tamin'ny andro fahafito.

tonga teo amin'ny faran'ny

Fomba fiteny izany. DH: "nahavita"

nitsahatra tamin'ny asany Izy tamin'ny andro fahafito

"tsy niasa Izy tamin'izany andro izany"

Notahin'Andriamanitra ny andro fahafito

Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra nahatonga ny andro fahafito ho famokarana vokatra tsara na 2)Andriamanitra dia niteny fa tsara ny andro fahafito.

ary nanamasina izany

"ary nanokana izany" na "niantso izany ho Azy"

tamin'izany no nitsaharany tamin'ny asany rehetra

"tsy niasa izy tamin'izany"

Genesis 2:4

Fanamarihana ankapobeny

Ny ambin'ny Genesisy 2 dia mitantara ny momba namboaran'Andriamanitra ny olona tamin'ny andro faha enina.

Ireto ny tranga mahakasika ny lanitra sy tany

"tantaran'ny lanitra sy ny tany izany" na "tantara mahakasika ny lanitra sy ny tany izany." Ireo mety ho heviny dia 1)famehezana ny tantara izay manoritsoritra ny Genesisy 1:1-2:3 na 2)mampiditra ny fanotsoritana ireo tranga ao amin'ny Genesisy 2. Raha mety, dia adikao izany mba hahazahoan'ny olona izany amin'ny fomba hafa.

voaforona izy ireo

"Yaveh Andriamanitra namorina azy ireo." Ao amin'ny toko voalohany ny mpanoratra dia miresaka hatrany an'Andriamanitra ho "Andriamanitra", fa ao amin'ny toko faha 2 izy dia miresaka hatrany an'Andriamanitra ho "Yaveh Andriamanitra"

tamin'ny andro izay namoronan'i Yaveh Andriamanitra

"tamin'ny namoronan'i Yaveh Andriamanitra." Ny teny hoe: "andro" dia ilazana ny fotoanan'ny famoronana manontolo, fa tsy andro iray manokana.

Yaveh

Anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tany amin'ny Testameta taloha izany. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh ny mikasika handikana izany.

Tsy nisy ny kirihitrin'ny saha

tsy nisy ahitra naniry izay mety hohanin'ny biby tany amin'ny efitra

tsy nisy ny zava-manirin'ny saha

tsy nisy zava-maniry mandravina toy ny legioma na zava-maitso izay mety hohanin'ny biby sy ny olona

hamboly

manao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara

zavona

Ireo mety ho heviny dia: 1) zavatra toy ny ando na ny zavona maraina na 2) loharano avy amin'ny rano ambanin'ny tany.

ny velaran'ny tany rehetra

ny tany manontolo

Genesis 2:7

novolavolaina

"mamolavola" na "manome endrika" na "mamorina"

olona... olona

"olombelona... ilay olona" na "olona... ilay olona" fa tsy ny lehilahy manokana

ny vavorony

"ny orony"

fofon'aina ny fahavelomana

"fofon'aina mahavelona ny zavatra." Eto ny "aina" dia ilazana ny fiainana ara-batana.

saha

Mety ho saha hanirin'ny voankazo na toerana misy ny karazan-kazo rehetra.

atsinanana

"any atsinanana"

Genesis 2:9

hazon'aina

"hazo izay manome fiainana ho an'ny olona"

fiainana

Eto izany dia midika "fiainana mandrakizay" na fiainana izay tsy manana fahataperana.

ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy

"ny hazo izay manome ny olona ny fahafahana mahafantatra ny tsara sy ny ratsy" na "ny hazo izay mahatonga ny olona izay mihinana ny voany hahafantatra ny zavatra tsara sy ny zavatra ratsy"

ny tsara sy ny ratsy

Izany dia hevitra ambadika ilazana ny tafahoatra sy ny zavatra eo anelanelany. DH: "ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny tsara sy ny ratsy"

teo afovoan'ny saha

"teo afovoan'ny saha." Ireo hazo roa dia mety tsy tena teo afovoan'ny saha.

Nisy ony nivoaka avy ao Edena nanondraka ny saha

Tao Edena no nisy ny saha. Ny ony dia nitohy nikoriana tany ivelan'i Edena. DH: "Nisy ony nikoriana nanerana an'i Edena mba hanondraka ny saha."

Genesis 2:11

Pisona

Eto ihany ity ony ity no voatondro ato amin'ny Baiboly.

ilay tany rehetran'i Havila

"ny tany manontolo no nantsoina hoe: Havila." Tany ho any amin'ny Efitr'i Arabiana.

izay misy volamena

Ity andian-teny ity dia manome fampafantarana mikasika ny Havila. Ny fiteny sasany mandika izany amin'ny fehezanteny misaraka. DH:" Misy volamena ao Havila"

Ao misy bedola sy vato berila ihany koa

Ny teny hoe :"ao" dia natao ao amin'ny voalohan'ny fehezanteny mba hisongadina. DH:" Any ihany koa no hahitan'ny olona bedola sy vato berila"

bedola

Izany dinty izany dia avy amin'ny hazo ary manim-pofona. Ny dinty dia zavatra miraikidraikitra izay mivoaka avy amin'ny hazo ary azo ampirehetina.

vato berila

"vato berila." Ny berila dia karazana vato tsara endrika.

Genesis 2:13

Gihona

Eto ihany no voatonona izany ony izany ao amin'ny Baiboly.

mikoriana manerana ny tany Kosy

Tsy manarona ny tany manontolo ny ony, fa mamehy faritra maron'ny tany.

ny tany Kosy manontolo

"ny tany manontolo no nantsoina hoe Kosy"

mikoriana atsinanan'i Asyria

" izay mikoriana any amin'ny tany atsinanan'i tanan'i Asyria." Ny Ony Tigra dia mikoriana avy any avaratra makany atsimo. Ny andian-teny izay mikoriana atsinanan'i Asyria" dia mampahafantatra izay misy ny toeran'ny Ony Tigra. Misy fiteny mandika izany amin'ny fehezanteny misaraka. DH: "ary mikoriana any atsinan'ny Asyria izany"

Genesis 2:15

ny saha Edena

"ny saha izay tao Edena"

mba hiasa izany

"mba hamboly izany." Ny hevitr'izany dia manao izay rehetra tokony hatao mba hitombon'ny zava-maniry tsara.

hihazona izany

hihambina an'izany manoloana ny zavatra ratsy izay mety hitranga amin'izany

Avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha

"Ny voankazo avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha"

ianao

Ity mpisolo tena ity dia entina milaza olona iray.

azonao hihinana...tsy azonao hihinana

Amin'ny fiteny sasany dia fanao kokoa ny milaza ny tsy azo atao aloha avy eo vao milaza ny azo atao, tahaka ny ao amin'ny UDB.

azonao hihinana

"azo hohanina tsy misy fandrarana"

ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy

"ny hazo izay manome ny olona ny fahafahana mahafantatra ny tsara sy ny ratsy" na "ny hazo izay mahatonga ny olona izay mihinana ny voany hahafantatra ny zavatra tsara sy ny zavatra ratsy". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 2:9.

tsy azonao hihinana

"Tsy hamela anao hihinana amin'izany Aho" (UDB) na "tsy mahazo mihinana ianao"

Genesis 2:18

Hanamboarako namana sahaza azy izy

"Hanamboarako namana izay mety tsara aminy izy"

ny bibin'ny saha sy ny voron'ny habakabaka rehetra

Ny andian-teny "eny an-tsaha" sy ny "an'ny habakabaka" dia milaza ny toerana ahitana ireo biby sy ireo vorona matetika. DH: "ireo karazana biby sy vorona rehetra."

ny biby fiompy rehetra

"ny biby rehetra izay karakarain'ny olona"

tsy nahitàna namana sahaza azy

DH: "tsy nisy namana mety ho azy"

Genesis 2:21

Nampatoriana lalina ralehilahy

"nahatonga an-dralehilahy hatory fatratra." Ny torimaso lalina dia fotoana hatorian' ny olona, izay tsy maha mora voakorotana na mahataitra azy.

Tamin'ilay taolan-tehezana...no nanamboarany vehivavy

"Tamin'ilay taolan-tehezana...no namolavolainy vehivavy." Avy amin'ny taolan-tehezana no nanamboaran'Andriamanitra ny vehivavy.

Izao kosa, dia taolana avy amin'ny taolako ity, ary nofo avy amin'ny nofoko

"Ary farany, ny taolan'izany dia toy ireo taolako, ary ny nofony dia toy ny nofoko." Tao aoriana ny fitadiavana sakaiza teo amin'reo biby rehetra sy ny tsy fahitana na iray, dia farany izy nahita olona izay mitovy aminy ary mety ho sakaizany. Mety maneho ny fihetseham-pon'ny fahamaivanany sy fifaliana ralehilahy.

nofo

Izany dia ilazana ny faritra malemin'ny vatana toy ny hoditra sy ny hozatra.

Hantsoina hoe 'Vehivavy' izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy

Ny mpandika teny dia mety te hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny 'vehivavy' amin'ny teny Hebreo dia mitovy fanonona amin'ny 'lehilahy' amin'ny fiteny Hebreo

Genesis 2:24

Fanamarihana ankapobeny:

izao manaraka izao dia nosoratan'ny mpanoratra. Ralehilahy dia tsy niteny izao zavatra izao

noho izany

"izany no antony"

ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny

"hitsahatra hitoetra ao amin'ny tranon'ny rainy sy ny reniny ny lehilahy." Mahakasika ny lehilahy amin'ny akabopeny izany. Tsy ilazana lehilahy iray manokana amin'ny fotoana manokana.

ho tonga nofo iray izy ireo

Ity fomba fiteny ity dia miresaka ny firaisana ara-nofo toy ny heverina fa ireo vatana izay mikambana dia vatana iray"

Samy nitanjaka izy ireo

Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy izay noforonin'Andriamanitra.

nitanjaka

"tsy miankanjo"

fa tsy nahalala menatra

"tsy nahalala menatra ny amin'ny fitanjahany izy ireo" (UDB)