Genesis 1

Genesis 1:1

Tany am-boalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany

''Toy izao ny namboaran'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany tany am-boalohany.'' Izao fanambarana izao no mamintina ny toko ambiny. Ny fiteny sasany mandika izany hoe '' Fahiny ela be Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.'' Adikao amin`ny fomba izay maneho fa zavatra tena nisy marina ary tsy angano fotsiny ihany.

Tany am-boalohany

Ity dia ilazana ny fiandohan'izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo amin`izany.

lanitra sy ny tany

''ny lanitra, ny tany, ary ny zavatra rehetra eo amin'izy ireo"

ny lanitra

Eto izany dia ilazana ny habakabaka.

Tsy misy endriny ary foana

Tsy mbola nandahatra izao tontolo izao Andriamanitra.

ny lalina

"ny rano" na "ny rano lalina" (UDB) na "ny rano midadasika"

ireo rano

"ny rano" na "ny velaran'ny rano"

Genesis 1:3

Aoka hisy ny mazava

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana izany hazavana izany mba hisy, no naharin`Andriamanitra izany.

Hitan'Andriamanitra ny fahazavana, ary hitany fa tsara izany

Nandinika ny fahazavana Andriamanitra ary finaritra tamin'izany." ny hoe: "tsara" eto dia midika hoe "mahafinaritra" na "mifanaraka."

Nanasaraka ny hazavana tamin'ny haizina

"Nampisaraka ny hazavana tamin'ny haizina" na "nanao ny hazavana amin'ny fotoana iray ary ny haizina amin'ny fotoana hafa." Izany dia ilazana ny naharin'Andriamanitra ny andro sy ny alina.

Hariva sy maraina, tamin'ny andro voalohany izany

Nanao ireo zavatra ireo tamin'ny andro voalohany nisin'izao rehetra izao Andriamanitra.

Hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.

Genesis 1:6

Aoka hisy ny habakabaka... aoka hisaraka izany

Baiko ireo. Tamin'izany fibaikona ny habakabaka mba hisy sy ny hisarahan'izany amin'ireo rano, no nanaovan'Andriamanitra izany ho hisy sy nanasarahany ny rano.

ny habakabaka

"toerana foana midadasika." Ny olona Jiosy dia nihevitra izany toerana izany toy ny nomena hendrika tahaka ny ao anatin'ny tafo lehibe na ny anatin'ny baolina izay navadika ambany.

manelanelana ireo rano

"ao amin'ny rano"

Nanao ny habakabaka ary nampisaraka ireo rano

Tamin'izany fomba izany no nanaovan'Andriamanitra ny habakabaka sy nampisarahany ireo rano." Raha niteny Andriamanitra, dia nitranga izany. Ity fehezanteny ity dia manazava izay nataon'Andriamanitra raha niteny Izy.

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy.

Hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3.

ny andro faharoa

Izany dia ilazana ny andro faharoa izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.

Genesis 1:9

Aoka ireo rano...hiangona

Afaka hadika mivadi-drafitra izany. Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ireo rano hiangona miaraka, Andriamanitra dia nampiangona azy ireo. DH: "Aoka ireo rano...hiangona" na "Aoka ireo rano... hiaraka ho avy" (UDB)

aoka hiseho ny tany maina

Ny rano dia nanarona ny tany. Ankehitriny ny rano dia hikisaka kely ary ny sasany amin'ny tany dia tsy ho voasarona. Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hisehoan'ny tany maina, Andriamanitra dia nampisy izany. DH: "aoka ho hita ny tany maina" na "aoka ho hita mazava ny tany maina" na "aoka ny tany tsy ho voasarona"

tany maina

Ilazana ny tany tsy voasaron'ny rano izany. Tsy entina manondro ny tany izay maina loatra ho an'ny fambolena izany.

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6

Hitany fa tsara izany

Eto ny hoe :"izany" dia ilazana ny tany sy ny ranomasina. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 1:3.

Genesis 1:11

Aoka ny tany hitsimoka zava-maitso

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hitsimoahan'ny zava-maitso amin'ny tany, no nampitsimohan'Andriamanitra izany. DH: "Aoka ny zava-maitso hitsimoka amin'ny tany" na "Aoka ny zava-maitso haniry amin'ny tany

zava-maitso: zava-maniry mamoa voa ary hazo hamokatra voankazo

"zava-maitso, ny hazo izay mamoa voa sy ny hazo izay mamokatra voankazo" na "zava-maitso. Aoka izy ireo ho hazo hamokatra voa sy hazo hamokatra voankazo."Ny zava-maitso" dia ampiasaina eto hilazana amin'ny ankapobeny, izay ahitana ny zava-maniry rehetra sy ireo hazo.

zava-maniry

Karazana zava-maitso izay malemy ny sampany, nohon'ny ratsan-kazo.

hazo hamokatra voankazo izay misy ny voa ao aminy

"hazo izay mamokatra voankazo izay misy voa ao aminy"

araka ny karazany avy

Ireo voa izay hamokatra zava-maniry sy hazo izay ho tahaka ny izay nipoirany. Amin'izany fomba izany no hamokaran' ireo zava-maniry sy ireo hazo" (UDB)

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6

Hitan'Andriamanitra fa tsara izany

Eto ny hoe: "izany" dia ilazana ny zava-maitso, zava-maniry, ary ny hazo. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:9

Hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3.

ny andro fahatelo

Izany dia ilazana ny andro fahatelo izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.

Genesis 1:14

Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hisian'ny fahazavana, Andriamanitra dia nampisy azy ireo.

fahazavana eny amin'ny lanitra

"zavatra mamiratra eny amin'ny lanitra" na "zavatra izay manome hazavana eny amin'ny lanitra." Ilazana ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana.

eny amin'ny lanitra

"eny amin'ny habakabakin'ny lanitra" na "eny amin'ny toerana midadasikin'ny lanitra"

hanasaraka ny andro amin'ny alina

"hanasaraka ny andro amin'ny alina." Midika hoe: "hanampy antsika amin'ny hilazana ny tsy mampitovy ny andro sy ny alina." Ny masoandro milaza ny andro, ary ny volana sy ireo kintana milaza ny alina.

aoka izy ireo ho famantarana

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hampiasaina azy ireo ho famantarana, Andriamanitra dia nanao azy ireo ho famantarana. DH: "Aoka hampiasaina ho toy ny famantarana izy ireo" na "Aoka hiseho izy ireo"

famantarana

Eto izany dia midika ho fanambara zavatra na manondro zavatra.

vanim-potoana

"vanim-potoana" ilazana ireo fotoana izay natokana ho firavoravoana sy ireo zavatra hafa izay ataon'ny olona.

ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona

Ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana no maneho ny fandehanan'ny fotoana. Izay hahafahantsika mahafantatra rehefa ho fotoanan'ny tranga izay miseho isan-kerin'andro, isam-bolana, na isan-taona.

Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hanazavan'izy ireo ny tany, Andriamanitra nanao azy ireo hanazava ny tany.

hanome hazavana eo amin'ny tany

"hiposaka hazavana eo amin'ny tany" na "hampamirapiratra ny tany." Tsy miposaka hazavana ho azy ny tany fa nohazavaina ary noho izany dia mitaratra hazavana.

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6

Genesis 1:16

Andriamanitra nanao ireo hazavana roa lehibe

"Tamin'izany fomba izany no nanaovan'Andriamanitra ireo hazavana roa lehibe." Izany fehezanteny izany dia manazava izay nataon'Andriamanitra raha niteny izy.

ireo hazavana roa lehibe

"ireo hazavana roa mivelatra" na "ireo hazavana roa mamiratra." Ireo hazavana roa lehibe dia ny masoandro sy ny volana.

hanapaka ny tany

"hitarika ny andro toy ny hitarihan'ny mpanapaka ny vondron'olona iray" na "hanamarika ireo fotoanan'ny andro"

andro

ilazana ireo ora hazavan'ny andro.

ny hazavana malefaka kokoa

"ny hazavana kely kokoa" na "ny hazavana mitsolopilopy"

any amin'ny lanitra

"any amin'ny lanitra" na "any amin'ny toerana misokatrin'ny lanitra"

hanasaraka ny hazavana amin'ny haizina

"Nampisaraka ny hazavana tamin'ny haizina" na "nanao ny hazavana amin'ny fotoana iray ary ny haizina amin'ny fotoana hafa." Jereo ny nandikanao izany tany amin'ny 1:3.

Hitan'Andriamanitra fa tsara izany

Eto ny hoe :"izany" dia ilazana ny masoandro, ny volana ary ireo kintana. Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.

Hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.

ny andro faha efatra

Izany dia ilazana ny andro faha efatra izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.

Genesis 1:20

Aoka ho feno zava-manan'aina maro an'isa ny rano

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny zava-manan'aina hameno ireo rano, Andriamanitra nampisy azy ireo. Ny teny sasany mety hanana teny iray izay ilazana ireo karazana trondro sy bibin-dranomasina rehetra. DH: "Aoka ny rano ho feno zava-manan'aina maro" na "Aoka ny biby milomano maro hiaina ao amin'ny ranomasim-be"

aoka hanidina ireo vorona

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny vorona hanidina, Andriamanitra nampanidina azy ireo.

vorona

"biby izay manidina" na "ireo zavatra manidina"

ny habakabakin'ny lanitra

"ny toerana misokatrin'ny lanitra" na "ny lanitra"

Andriamanitra nahary

"Tamin'izany fomba izany no naharin'Andriamanitra"

bibin-dranomasina vaventy

"biby vaventy izay miaina any an-dranomasina"

araka ny karazany avy

Zava-man'aina an'ireo "karazany" mitovy amin'izay nipoirany. Jereo ny nandikanao ny "karazana" ao amin'ny 1:11.

ny vorona manan'elatra rehetra

"Ny zavatra manidina izay manan'elatra rehetra."Raha nampiasaina ny teny hoe ho an'ny vorona, dia ho mazava kokoa amin'ny fiteny sasany ny miteny tsotra hoe :"ny vorona rehetra", satria ny vorona rehetra dia manan'elatra.

Hitan'Andriamanitra fa tsara izany

Eto ny hoe:"izany" dia ilazana ireo vorona sy ny trondro. Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.

Genesis 1:22

Nitso-drano azy ireo

Nitso-drano ireo biby izay noforoniny"

Miteraha maro ary mihamaroa

Tso-dranon'Andriamanitra izany. Noteniny ireo biby izay miaina any an-dranomasina mba hiteraka biby miaina any an-dranomasina maro mitovy amin'izy ireo, mba ho maro an'isa izy ireo any an-dranomasina. Ny teny hoe: " mihamaroa" dia manazava ny amin'ny "hamokarana be".

mihamaroa

"mitomboa an'isa fatratra"

Aoka hihamaro ireo vorona

Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny vorona hihamaro, Andriamanitra nampahamaro ireo vorona.

vorona

"biby izay manidina" na "ireo zavatra manidina". Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:20.

Hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.

ny andro faha dimy

Izany dia ilazana ny andro faha dimy izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.

Genesis 1:24

Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina

"Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina" na "Aoka ho betsaka ny biby miaina eo amin'ny tany." Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny tany hamokatra zava-manan'aina , Andriamanitra nahatonga ny tany hamokatra zava-manan'aina.

araka ny karazany avy

"mba hamokaran'ireo karazana biby rehetra maro tahaka ny karazany avy"

biby fiompy, zava-mandady, sy bibi-dian'ny tany

Maneho izany fa nahary ny karazana biby rehetra Andriamanitra. Raha manana fomba hisokajiana ny biby rehetra ny teninao, dia afaka ampiasainao izany, na koa afaka mampiasa ireo vondrona ireo ianao.

biby fiompy

"biby izay karakarain'ny olona"

zava-mandady

"ireo biby kely"

bibi-dian'ny tany

"biby dia" na "biby mampidi-doza"

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6

Andriamanitra namorina ireo biby dia

"Tamin'izany fomba izany no namoronan'Andriamanitra ireo biby dia"

hitany fa tsara izany

Eto ny "izany" dia ilazana ny zava-manan'aina eo amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3

Genesis 1:26

Andeha isika hamorona

Ny teny "isika" eto dia ilazana an'Andriamanitra. Andriamanitra niteny izay nokasainy hatao. Ny mpisolo tena "isika" dia mihoatra ny iray. Mety ho antony hampiasaina ny mpisolo tena miendrika maro 1) ny endrika maro an'isa dia mety maneho fa Andriamanitra miresaka zavatra amin'ireo anjeliny izay manao ny fitsarana any an-daniny na 2) ny endrika maro an'isa dia tandidon'ny Testameta Vaovao taty aoriana izay mampiditra fa Andriamanitra dia miseho amin'ny endrika Masina telo izay iray. Ny sasany mandika izany hoe "Aoka aho hanao" na "hanao aho". Raha manao izany ianao, mihevera hanampy fanamarihana ambany pejy hilazana fa ilay teny dia miendrika maro.

olona

"olombelona" na "olona". Eto izany teny izany dia tsy midika ho lehilahy fotsiny.

amin'ny endritsika, tahaka antsika

Izany andian-teny roa izany dia manana hevitra mitovy ary manamafy fa Andriamanitra dia nanao ny olombelona tahaka Azy. Ity andininy ity dia tsy milaza ny amin'izay nataony tamin'ny olona ho tahaka Azy. Andriamanitra dia tsy manana vatana, noho izany dia tsy midika izany fa ny olona dia mitovy amin'Andriamanitra. DH: "ho tena tahaka antsika"

hanjaka eo amin'ny

"hanapaka" na "hanana fahefana eo amin'ny"

Andriamanitra namorona ny olona... namorona azy Izy

Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa Andriamanitra dia namorona ny olona ho tahaka ny endriny.

Andriamanitra namorona ny olona

Ny fomba namoron'Andriamanitra ny olona dia tsy mitovy tamin'ny namoronany ny zavatra hafa rehetra. Aza atao manokana hoe Andriamanitra namorona ny olona tamin'ny teny fotsiny, araka ireo andininy teo aloha.

Genesis 1:28

Nitso-drano azy ireo Andriamanitra

Ny teny hoe: "azy ireo" dia ilazana ny lehilahy sy ny vehivavy izay noforonin'Andriamanitra.

Miteraha maro ary mihamaroa

Andriamanitra niteny tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy hamokatra olona maro tahaka azy ireo mba ho maro izy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:22

Mamenoa ny tany

Fenoy olona ny tany.

Genesis 1:30

Fampafantarana ankapobeny

Nanohy niteny Andriamanitra

ireo voron'ny habakabaka rehetra

"ny vorona rehetra izay manidina eny amin'ny lanitra"

izay manana fofon'aina

"izay miaina" (UDB). Ity andian-teny dia manamafy fa ireo biby ireo dia manana fiainana hafa noho ireo zava-maniry. Ny zava-maniry dia tsy miaina, ary nampiasaina ho sakafom-biby. Eto ny "fiainana" dia midika ho fianana ara-batana.

Toy izao

"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6

Indro

"Tokoa". Ny teny hoe: "indro" eto dia manamafy izay ao aoriany.

tena tsara izany

Ary rehefa nijery ny zavatra rehetra izay nataony Andriamanitra, dia "tena tsara izany". Jereo ny nandikanao ny hoe :"tsara izany" ao amin'ny 1:9

hariva sy maraina

Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.

ny andro faha enina

Izany dia ilazana ny andro faha enina izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.