Genesis 1

Genesis 1:1

Inona no naharian'Andriamanitra tany am-boalohany?

Nahary ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.

Inona no nataon'ny Fanahin'Andriamanitra tany am-boalohany?

Nivezivezy teo ambonin'ny rano ny Fanahin' Andriamanitra.

Genesis 1:3

Ahoana no namoronan'Andriamanitra ny mazava?

Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy mazava."

Genesis 1:6

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro faharoa?

Nanao ny habakabaka teo anelanelan'ny rano Andriamanitra.

Genesis 1:9

Inona no niantsoan'Andriamanitra ny tany maina sy ny rano miangona?

Niantso ny tany maina hoe ''tany" Andriamanitra, ary ny rano miangona nataony hoe: "ranomasina."

Genesis 1:11

Zava-manan'aina inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro fahatelo?

Nanao zava-maniry, hazo misy voankazo, ary zava-maitso tamin'ny andro fahatelo Andriamanitra.

Genesis 1:14

Inona no anton'ny mazava teny amin'ny lanitra?

Mba hanasaraka ny andro amin'ny alina, ho famantarana ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona ireo.

Genesis 1:16

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro fahefatra?

Nanao ireo hazavana roa lehibe sy ireo kintana Andriamanitra.

Genesis 1:20

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro fahadimy?

Nanao ireo zava-manan'aina any anaty rano, sy ireo vorona Andriamanitra.

Genesis 1:22

Didy inona no nomen'Andriamanitra ny zava-manan'aina ao amin'ny ranomasina sy ireo vorona?

Aoka hamokatra, ary aoka hihamaro.

Genesis 1:26

Inona no nataon'Andriamanitra tahaka ny endriny?

Nanao ny olona tahaka ny endriny Andriamanitra.

Nanjaka tamin'ny inona ny olona?

Nataon'Andriamanitra hanjaka eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, eo amin'ireo biby fiompy, manerana ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany ny olona.

Inona no mahasamihafa ny nanamboaran'Andriamanitra ny olona?

Namorona ny olona tahaka ny endriny Andriamanitra.

Genesis 1:28

Didy inona no nomen'Andriamanitra ny olona?

Miteraha maro, ary mihamaroa, mamenoa ny tany.

Inona no nomen'Andriamanitra mba hohanin'ny olona?

Nanome ny zava-maitso rehetra mamoa voa ary ny hazo rehetra izay mamokatra voa ho azy ireo Andriamanitra.

Genesis 1:30

Rehefa nahita ny zavatra rehetra izay nataony Andriamanitra, dia noheveriny ho inona izany?

Noheverin'Andriamanitra fa tena tsara izany.