Genesis 2

Genesis 2:1

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro fahafito?

Nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy, ary nitahy sy nanamasina ny andro.

Genesis 2:4

Nialohan'ny nandatsahan'i Yaveh orana, dia ahoana no nanondrahana ny tany?

Nisy zavona niakatra avy amin'ny tany.

Genesis 2:7

Ahoana no nanaovan'Andriamanitra ny olona?

Namolavola ny olona avy tamin'ny vovon-tany i Yaveh ary nofofoiny tamin'ny fofon'ain'ny fahavelomana izy.

Nataon'i Yaveh taiza ny olona voalohany?

Tao an-tsaha Edena.

Genesis 2:9

Inona avy ireo hazo roa teo afovoan'ny saha?

Ny hazon'aina sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Genesis 2:15

Inona no nataon'ny lehilahy tao an-tsaha?

Hihazona sy hikarakara ny saha izy.

Didy inona no nomen'i Yaveh an-dralehilahy momba izay hohanina?

Afaka mihinana malalaka avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha, afa-tsy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy ianao.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga raha mandika izany didy izany ralehilahy?

Amin'ny andro izay andikan-dralehilahy ny didy, dia ho faty tokoa izy.

Genesis 2:18

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy tsara?

Nilaza izy fa tsy tsara raha irery ralehilahy.

Inona no nasian'i Yaveh anaovan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra?

Nanome anarana ny zava-manan'aina rehetra ralehilahy.

Iza no tsy hita teo amin'ireo zava-manan'aina rehetra?

Tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy.

Genesis 2:21

Ahoana no nanaovan'Andriamanitra ny vehivavy?

Nampatory an-dralehilahy ka naka iray tamin'ny taolan-tehezany, ary nanamboatra vehivavy avy amin'ny taolan-tehezana Yaveh.

Nahoana no niantso azy hoe "vehivavy'' ralehilahy?

Satria nalaina avy tamin-dralehilahy izy.

Genesis 2:24

Ahoana no haha-nofo iray ihany ny lehilahy sy vehivavy?

Nikambana tamin-dravehivavy ho vadiny ralehilahy.

Menatra tamin'ny fitanjahan'izy ireo ve ilay lehilahy sy ny vadiny?

Tsia.