Toko faha 15

1 Ary atsika zay matanjaka dia tôkony handefitry ny fahalimiagnan'ny malemy, ary tsy tôkony hagnano zay mahafinaritry ny haignintsika. 2 Aoka ny tsiaraikiaraiky avy amintsika hagnano zay maharavo ny mpiarabelogno aminy fao zany no tsara, mbô hanandratagna azy. 3 Fao na Kristy aby tsy nagnano zay nahafinaritry ny haigninazy. Fa naifa, zany dia araka ny afa voasaoratra hoe: "Ny faniratsiran-jareo zay maniratsira anao dia nihatra taminaha." 4 Fa na ino na ino voasaoratra teo aloha dia voasaoratra ho fampianaragna atsika, mbô amin'ny alalan'ny faharaitagna ndraiky amin'ny alalan'ny fampaheraizagna ny Soratra Masigny no hanagnantsika toky. 5 Ary ny Zagnaharin'ny faharaitagna ndrakiy fampaheraizagna anie hagomia fisainagna mitôvy ho an'ny tsiaraikiaraiky aby araka an'i Kristy Jesôsy. 6 Izy anie hitsabo zany mbô ho amin'ny fisainagna araiky sy amin'ny vava araiky fogna no hidairanareo Zagnahary ndraiky Baban'i Tompontsika Jesôsy Kristy. 7 Amin-jany mifandraisa, mitôvy ny nadraisan'i Kristy areo fogna koa aby, ho fidairagna Zagnahary. 8 Fao ambarako areo fa Kristy dia afa mpanompon'ny voafora ho amin'ny fahamarinan-Jagnahary, mbô hahafahagna magnamarigny reo fampanantenagna zay namiagna reo baba, 9 ary hon-jareo Jentilisa mbô hagnomiazam-bogninahitry Zaganhary nohon'ny famindram-pony. Zany dia araka ny feo voasaoratra hoe: "Noho zany dia hamiagna fidairagna Anao eo amin'ireo Jentilisa Zaho ary fidairagna ny agnaragnanao. 10 Mbôla voampanga fogna hoe: "Miravoravoa, miaraka amin'ny vahoakany, ry jentilisa." 11 Ary koa hoe: "Deraio ny Tompo, ry jentilisa jiaby; ambilao ny ôlogno jiaby hidaira Azy." 12 Hozy ndraiky Isaia hoe: "Hisy fakan'ny Jese, ary lehy araiky zay hitsangagna hanapaka eo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokiagna aminy reo Jentilisa 13 Ary Zagnahary ny fahatokiagna anie hagnamia areo amin'ny fifaliagna sy fiadanagna jiaby amin'ny finoagna, mbô ho feno fahatokiagna areo, avy amin'ny ngôvon'ny Fagnahy Masigny. 14 Ny haigninaha zao fogna koa dia resy lahatra ny momba areo, ry rahalahy. Resy lahatra zaho fao areo fogna koa dia feno fahatsaragna, feno ny fahalalagna jiaby. Resy lahatra zaho fao areo fogna koa dia afaka mifagnanatra. 15 16 Fa manaoratra am-pahasahiagna zaho momba reo raha saasany mbô hampahatsiahivigny areo ndraiky, nohon'ny fagnomiazam-pahasoavagna zay namian-Jagnahary zaho. Zany fagnomiazam-pahasoavagna zany dia tôkony hanompoako an'i Kristy Jesôsy nalaifa tagny Jentilisa, mbô hanôlotro mitôvy ny sôrogno ny vaovao maharavoravon-Jagnahary. Tôkony zany mbô ho azo kehigny ny fagnatitry reo Jentilisa, voatokagnan'ny Fagnahy masigny. 17 Amin-jany ny haravoagna naha dia ao amin'i Kristy Jesôsy ndraiky reo rahan-Jagnahary. 18 Fao tsy ho sahy hikoragna na ino na ino koa tsy reo raha haifan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'reo Jentilisa Zaho. Reo raha reo dia vita tamin'ny volagna ndraiky asa, 19 tamin'ny ngôvon'reo famantaragna sy fahagagagna, ary tamin'ny ngôvon'ny Fagnahy Masigny. Zany dia mbô avy agny Jerosalema, sy lavidavitry mitôvy an'Ilyrikioma, no hahafahako magnatantairaka ny vaovaomaharavoravon'i Kristy. 20 Amin-jany, ny fagniriako dia ny hitory ny filazantsara, fao tsy agny amin'zay ahafantaragna an'i Kristy amin'ny agnaraganaha, mbô tsy hagnorainako eo amin'ny zay afa nagnorainagna ny hafa. 21 Zany dia araka ny voasaoratra hoe: "Tamin'reo zay tsy nagnambaragna Azy no hahita Azy, ary reo zay tsy naharegny no hahazo." 22 Amin-jany fogna koa dia voasakagna mazagna tsy ho agny aminareo zaho. 23 Fao amin'zao, tsy managna toeragna amin'reo faritry reo eky zaho, aveo tagno maro no afa nagniriako mafy ho agny aminareo. 24 Amin-jany na afiriagna na afiriagna andihianako agny Espana, dia magnataigna zaho ny hahita areo koafa mandalo, ary haterinareo agny amin'ny himboako, kofa avy mankafy ny fiarahanareo malaky zaho. 25 Fa ami-jeo ho agny Jerosalema Zaho hanompo reo mpino. 26 Fa firavoagnan'i Makedonia sy Akaia ny hagnano fandraisagna anjara ho an'reo mijaly isan'reo mpino zay agny Jerosalema. 27 Ya, Haravoagna hoan-jareo zany, ary mpitraosa aminy raha masigny zareo, dia tôkony hanompo azy reo fogna koa zareo amin'reo raha ara-pitaovagna. 28 Ami-jany, koafa nitsaboky zao asa zao ary nagnamafy fao hazon-jareo ny vokatra zay nangonigny, dia ho agny Espaina zaho aveo hitsidiky areo amin'ny lalagna naha. 29 Haiko fao koafa mandaiha aminareo zaho dia hiditry amin'ny fahifinoan'i Kristy. 30 Avaizo mampirisiky areo zaho, ry rahalahy, amin'ny Jesôsy Kristy Tompontsika, ndraiky fitiavan'ny Fagnahy, mbô hiaraka hiady aminaha areo amin'ny vavaka atanareo amin-Jagnahary aminaha. 31 Mivavaha mbô ho voahavotro amin'reo zay tsy mankatô agny Jodia zaho, ary mbô hikehin'reo zay tsy mankatô agny Jodia zaho, ary mbô ho kehin-jareo mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32 MIvavaha mbô hiaviako aminareo amin'ny haravoagna amin'ny sitrapôn-Jagnahary, ary mbô hahafahako, mahita fitsaharagna, miaraka aminareo. 33 Zagnahary ny fiadanagna anie hagnampy areo jiaby. Amena.