Toko faha 16

1 Ankigniky aminareo i Foibe rokivavintsika' zay mpanompon'ny fiangonagna agny Kenkrea, 2 mbo handraisanareo azy akao amin'ny Tompo. Tsabo zany amin'ny fomba magnaiva areo mpino, ary magnatraiha amin'ny zay olagna mety hilany ny fagnampiagnanareo. Fao izy vôkany foagna koa dia nanjary mpagnampy ny maro, ary ny haigninaha foagna koa. 3 Magnanaova veloma an'i Prisla ndraiky Akoila, mpiara-miasa aminaha akao amin'i Kristy Jesôsy, 4 zay nahafoy ny aignin-jareo ho an'ny aigninaha. Misaotra zareo zaho, ary tsy zaho foagna fao reo fiangonagna jiabin'ny Jentilisa foagna koa. 5 Magnanaova veloma ny fiangonagna zay akao amin'ny tragnon-jareo. Magnanaova veloma agny amin'i Epaineto tiàko, zay voaloham-bokatr'i Asia ho nihin'i Kristy. 7 Magnanaova veloma an'i Maria, zay niasa mafy ho nihinareo. 6 Magnanaova veloma an'i Androniko ndraiky Jonia, havako mariny, ary niara-nigadra taminaha. Malaza akeo agnivon-jareo apostoly zareo, zay tao amin'ny Kristy lalôhanaha foagna koa. 8 Magnanaova veloma an'i Ampliato, tiàko akao amin'ny Tompo. 9 Magnanaova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika akao amin'ny Kristy, ndraiky Staky, tiàko. 10 Arabay Apela, lay ankasitrahigny akao amin'ny Kristy. Arabay reo zay akao amin'ny tokantragnon'i Aristobolo. 11 Magnanaova veloma an'i Herodiona, havako. Mgnanaova veloma an'ny reo zay akao amin'ny tokantragnon'i Narkisa, zay akao amin'ny Tompo. 12 Magnanaova veloma an'i Tryfena ndraiky Tryfosa, zay miasa mafy akao amin'ny Tompo. Arabay Perysa tiàko, zay niasa mafy tao amin'ny Tompo. 13 Manaova veloma an'i Rofosy, zay voafidy tao amin'ny Tompo, ndraiky ny nininy maha niniky. 14 Magnanaova veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, aveo reo rahalahy zay miaraka tamin-jareo. 15 Magnanaova veloma an'i Filologia ndraiky Jolia, Nerea ndraiky ny rokivaviny, ndraiky Olimpa, aveo reo mpino jiaby miaraka amin-jareo. 16 Mifagnanaova veloma amin'ny fifagnirôhagna masigny. Reo fiangonan'i Kristy jiaby dia magnano veloma areo. 17 aïzo mampirisiky areo zaho, ry rahalahiky, mbô handiniky ny mahakasiky reo zay mahatonga ny fizarazaragna ndraiky ny fanafintohinagna. Zareo dia mihoatra lavitry ny fampianaragna zay niraisinareo. Mialà lavitry zareo. 18 Fao tsy manompon'i Kristy Tompontsika ny ologno hotry regny, fao ny bôkony manôkagna foagna. Amin'ny koragna milamigny ndraiky mandroboko no amitahan-jareo ny fôn'ny tsy manan-tsigny. 19 Fao ny ôhatrareo amin'ny fankatoavagna dia tafita agny amin'ny tsiraikiraiky. Noho zany, ravoravo zaho, ny aminareo, fao tiàko mbô ho hendry amin'ny zay tsara areo, aveo tsy hanan-tsigny amin'ny zay ratsy. 20 Zagnaharin'ny fiadanagna hagnôtohôto an'i Masantôko akeo ambanin'ny hongotroareo afaka fotoagna fohy. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompontsika Jesôsy Kristy. 21 Timoty, mpiara-miasa aminaha, dia magnano veloma areo, ndraiky Losio, Jasona avekeo Sosipatro, havako. 22 Zaho, Tertio, zay manoratra tô epistily tô, dia magnano veloma areo akao amin'ny Tompo. 23 Gaio, lay mpampiantragno zaho ndraiky ny fiangonagna jiaby, dia magnano veloma areo. Erasto, mpitagna vôla akao amin'ny tanagna, dia magnano veloma areo, miaraka amin'i Koarto lay rahalahy. 24 [Fagnamarihagna: Ny fandikagna talôha taigna tsara dia magnala tô andininy tô. (Zahao ny Romana 16: 20). and 24: "Ho aminareo jiaby koany ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Amena." ] 25 Ary ny vogninahitry dia Nihinazy zay mahaifa mampitsangagna areo araka ny vaovao mahafalinaha ndraiky ny fitoriagna an'i Jesôsy Kristy, araka ny fagnambaragna ny raha mivôny zay nitanagna ho tsiambaratelo aila be tagny alôha tagny, 26 kanaifa nambara avaïzo, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny fagnazariagna no nampahafantarigny tamin'ny firanena jiaby, araka ny didin-Jagnahary barokodontany, ho fankatoavagna ny finoagna. 27 Nihin'ny lay Zagnahary tôkagnan'ny fahendrena, anie ny vogninahitry barokodontany, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. Amena.