Toko faha 4

1 Oa Tômpo, amiazo reo andevo zay marigny ndraiky rariny. Hainareo fao areo koa managna tômpo araiky akagny an- dagnitry. 2 Maharaita lalandava amin'ny fivavahagna. Mivognôsa amin'ny zany amin'ny fagnomiazagna fisaoragna. 3 Miaraha mivavaka ho zahay koa, mbô hanokafan-Jagnahary varavaragna ho an'ny teny, mbô hagnambaragna ny fahamariagnagna mivônin'i Kristy.Nohon'ny amin'ny zany, dia voafehy zaho. 4 Mivavaha mbô hahavitanareo magnazava zany,raha tôkony hivôlagna zaho. 5 Mandiana am-pahendriagna akagny amin'ny reo lehy akagny vailany, avakeo araraoto ny fotoagna. Ny koragnanareo tôkony hiaraka amin'ny fahasoavagna fôgna. 6 Aoka reo ho vônton-tsira, mbô hahavitanareo mahay ny fomba tôkony hamalianareo ny ôlogno tsiaraikiaraiky. 7 Raha reo momba zaho,dia i Tykyko no hagnambara regny aminareo. Izy dia rahalahy tiako, mpanômpo mahatoky, avakeo mpiara-manômpo akao amin'ny Tômpo. 8 Nalaifako akagny aminareo izy noho zao, mbô hahavitanareo mahay ny raha mahakasiky zahay, ary mbô ahavitany mampahery ny fônareo. [Fagnamariahagna akagny ambanin'ny pejy: reo dikan-tsôratra sasany talôha magnan-jao: "nalaifako akagny aminareo izy noho zao, mbô hahavitany mahay reo raha mikasiky areo, avakeo mbô hahafahany mampahery ny fônareo".] 9 Nalaifako izy niaraka tamin'i Onesimosy, lehy rahalahy matoky salakady tiako, lehy araiky aminareo. Zareo no hagnambara aminareo ny raha jiaby lehy afa niboaka tatô. 10 Aristarko, lehy miaraka migadra aminaha, dia miarahaba areo, karaha zany koa i Marka, havan'i Barnabasy (zay nazahoanareo baiko; izy koa mandaiha akagny aminareo izy, dia alaivo), 11 ary Jesôsy koa zay nantsôvigny hoe Josto. Reo avy amin'ny voafôra reo fôgna no mpiara-miasa aminaha ho an'ny fanjakan-Jagnahary. Fampaheraizagna zareo. 12 Epafra dia miarahaba areo. Araiky aminareo izy ary mpanompon'i Kristy Jesôsy. Mitôlogno am-bavaka areo fôgna izy, mbô hahatantairaka areo avakeo hahazo antoko tantairaka akao amin'ny sitrapôn-Jagnahary jiaby. 13 Fa mitsangana tomoa ho azy zaho, fa miasa mafy ho anareo izy, avakeo ho an'ny reeo akagny Laodika, ary ho an'ny reo zay akagny Hierapolia. 14 Lioka lehy mpitsabo olo tiako ndraiky Demasy dia miarahaba areo. 15 Arahaba reo rahalahy akagny Laodika, ndraiky Nymfa, ary fiangonagna lehy akao an-tragnony. 16 Koafa vokavaky akeo agnivonareo tô taratasy tô, dia atôvo vakigny akao amin'ny fiangonan'ny Laodikina koa, avakeo atôvo voavakinareo koa ny taratasy avy akagny Laodika. 17 Ambarao i Arikipo hoe: "Tandremo ny asa fanompoagna zay nalainao tao amin'ny Tômpo, fao tôkony ho hatanareo zany." 18 Tô fanaovam-beloma tô dia atan'ny tagnako manôkagna-Paoly. Tsaroavo ny fifihaizako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.