Toko faha 3

1 Koa raha Zagnahary no nanangagna areo niaraka tamin'i Kristy, tadiavo reo raha agny ambony, zay idaohan'i Kristy eo an-tagnankavanan-Jagnahary. 2 Dinoho reo raha agny ambony, fao tsy reo raha eto an-tany. 3 Fao afa maty areo, ary ny fiainagna areo dia mivôny miaraka amin'ny Kristy ao amin-Jagnahary. 4 Koafa miboaka i Kristy, fiainagnareo, dia areo koa hiaraka hiboaka aminy ao aminy ao amim-bogninahitry. [Fagnamarihagna eny ambanin'ny pejy: Reo dikan-teny taloha sasany mivolagna hoe: "Koafa miboka Kristy, izay fiainagnareo, dia areo fogna koa dia hiaraka hiboaka miaraka aminy am-bogninahitry.] 5 Vonoy, aveo, reo mpikambagna zay aketo an-tany ny filagna ratsy, fahalotoagna, firihaitany filagna, fagniriagna ratsy, aveo fahalanian-kanigny, zay fanompon-tsampy. 6 Noho zany regny raha jiaby regny no hahatongavan'ny fahatezairan-Jagnahary amin'reo zanaky ny tsy fankatoavagna. [Fagnamarihagna eny amin'ny pejy: Ny dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "Noho regny raha regny no mahatonga ny fahatezairan-Jagnahary."] 7 Tao amin'regny raha zay nadihiananareo regny taloha fogna koa raha mbôla niaigny tao amin'n regny areo. 8 Fa avaizo areo dia tsy maintsy magnary regny jiaby regny- fahatezairagna, fahavigniragna, reo fikasagna ratsy, reo fagnaivataivagna, aveo volagna fahavaitavaitagna avy amin'ny vavanareo. 9 Aza mifampavandy, fa afa narianareo ny toetra taloha miaraka amin'reo fampiharagna zany, 10 ary nisikinanareo ny toetra vaovao zay navaozigny ao amin'ny fahalalagna araka ny bikan'zay namôrogno zany. 11 Ao amin'ny zany dia tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, ôlogno hafaka, fa i Kristy no jiaby, ary ao amin'ny jiaby. 12 Koa, misikína, araka ny maha ôlomboafidin-Jagnahary, masigny ary tiagna, famindram-pô, hatsaram-pagnahy, fanitrian-tegna, fahalemem-pagnahy, ary faharaitagna. 13 Mifampitodrà tsara. Mifamelà. Raha misy ôlogno araiky managna fitaraignagna momba ny ôlogno hafa, mamelà hotry zay namelan'ny Tompo areo. 14 Ambon'regny jiaby regny, manàgna fitiavagna, zay mamatotro atsika amin'ny fahatanterahagna. 15 Aoka ny fiadagnan'i kristy hanapaka ao amin'ny fônareo. Fao ho an'zany fiadanagna zany no nagnantsaovagna areo ho haigny araiky. Ary misaora. 16 Aoka ny volagnan'i Kristy hitoetra maro ao aminareo. Amin'ny fahendriagna jiaby mifampianara aveo mifagnanara amin'reo salamo ndraiky fihiragna ary hira ara-pagnahy. Mihirà amin'ny fisaoragna ao amponareo ho an-Jagnahary. 17 Na ino na ino tsabonareo, na amin'ny volagna na amin'ny asa, ataovy amin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy jiaby. Magnamiaza fisaoragna ho an-Jagnahary lehy Baba amin'ny alalany. 18 Areo vaiavy, magnikaiha ny vadinareo, fao zany no manjary ao amin'ny Tompo. 19 Areo lalahy, tiavo ny vadinareo, ary aza masiaka amin-jareo. 20 Areo zanaka, magnikaiha ny ray aman-dreninareo amin'ny raha jiaby, fao zany no ankasitrahigny ao amin'ny Tompo. 21 Areo baba, aza magnano zay mampalahelo reo zanakareo, mbô tsy ho kivy zareo. 22 Areo andevo, magnikaiha ny tomponareo araka ny nôfotro amin'reo raha jiaby, tsy amin'ny asa akeo imaso hotra mpila sitraka, fa amin'ny fô tsotra. Matahaora ny Tompo. 23 Na ino na ino tsabonareo, miasà avy amin'ny fagnahinareo hotry ny ho an'ny Tompo fao tsy ho an'ny ôlogno. 24 Hainareo fao areo dia hangala ny valisoan'ny laova avy amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy zay Tomponareo. 25 Fa zay magnano ny tsy fahamarinagana dia hangala ny sazy ho an'ny tsy fahamarinagna zay nitsabony, ary tsisy fizahavan-tsaora.