1 Matokia an'ity zaka ity: Raha misy olo raiky magniry gne mpiandrakitry, da magniry asa tsara izy. 2 Noho izany da gne mpiandraikitry da tsy maitsy tsy mana-tsigny. Tsy maitsy manam-bady viavy toka izy. Izy da tokotry ahay hanjalanja,hendry, tia filamina, tia mandray olo. Tsy maitsy mahay mampianatry izy. 3 Tsy tokotry za-dratsy ame divay izy, tsy te ady, fa tokony ho malemy fagna, feno fiadanam-po. Izy da tsy tokotry ho tia vola. 4 Tokony hitanta gne tokatragnony tsara izy, sady gne zanany da tokony hagneky anazy am-pagnaja tateraky. 5 Fa raha tsy mahay mitanta gne tokantragnony izy, akongaia gne hikarakarany gne fiangonan'Andriamanitry? 6 Tsy tokotry ho olo vô niova fo izy, mba tsy hireharehany ka ho lavo ame fagnameloha akô gne devoly. 7 Izy avakoa da tsy maitsy tsara laza am'gn'olo ivelany, mba tsy ho lavo agnaty fafam-baraka sy gne fandriky gne evoly. 8 Gne Diakona, da akô izany avakoa da tokony ho mendriky. Indreo da tsy tokotry hisotro divay be lotry na tsy mafatatry gne antognony ame hany. 9 Tokony hitazo gne fahamarinan'e finoa nambara miaraky ame feon'e fieritrereta madio. 10 Indreo avakoa da tokony ho sedray mialoa, avy eo da tokony hanompo satria tsy mana-tsigny indreo. 11 Gne viavy koa da tokony ho mendriky akô izany. Tsy tokony ho mpagnendrikendriky indreo. Tokony hahay handanjalanja sady matoky ame raha aby. 12 Indreo Diakona da tokony hanam-bady viavy toka. Tsy maitsy mitanta gne zanany tsara sy gne tokantragnony indreo. 13 Fa izay nanompo tsara da handray gne laza tsara sy fatokisa zakabe ame finoa hoan'e tegnandreo izay ao am'i Jesosy Kristy. 14 Manoratry ity raha ity aminao iaho, sady magnenta gne ho avy agny aminao aho. 15 Fa raha tara iaho da manoratry am'izay lalanareo gne fitondra gne tegna ame tragnon'Andriamanitry, izay eglizin'Andriamanitry velo, ilay vato fehizoro sy fiorenan'e fahamarina. 16 Tsy azo tsika andana gne fahamarina izay nambara araky an'Andriamanitry da zakabe: ''Izy da niboda tame aigny, nohamariny tame Fagna, hitan'gn'anjely, nambara tame firene rehetra ka ninoan'izao tontolo izao, sady nasandratry tamim-boninahitry.''