Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Jesosy Kristy araky gne didin'Andriamanitry izay mpagnavotry atsika sy i Jesosy Kristsy, 2 ho an'i Timoty olo mariny ame finoa: Da fasoava, famindra-po, fiadana avy amin'Andriamanitry Ray sy i Jesosy Kristy Tompotsika. 3 Gne raha nangatako mafy ho aninao raha miala a Makedonia iaho da mipetra ao Efesosy mba hafanao mibeko gne olo sasany tsy hampianatry foto-fampianara hafa. 4 Tsy tokony hitandry gne tantara sy tetiara tsisy fiafarany indreo. Indreo da miteraky ady hevitry fa tsy magnampy gne drafitr'Andriamanitry, izay am'gnalalan'gne finoa. 5 Sady gne tajon'gne didy da gne fitiava avy ame fo madio, avy ame feon'e fieritrereta tsara, sady avy ame finoa tsisy fiatsarambelatsy. 6 Gne olo sasany da tsy natratry gne tanjony sady tamindreo gne raha hoan'e fandahara zaka molamola. 7 Indreo da te ho mpampiana-dalà, nefa indreo da tsy mahazo gne raha zakaigny sy hizingizignindreo. 8 Fa atsika da mafantatryfa gne lalàna da tsara raha misy raiky mampiasa anazy ame ara-dalàna. 9 Atsika da mahalala an'iza, fa gne lalàna da tsy nany hoan'gne olo mariny, fa hoan'gne mpandika lalàna sy gne olo mpagnano ratsy, ho andreo ratsy fagna sy mpanota, sady ho andreo andriamani-diso sy tsy masina. Izany da nany ho andreo zay mamono an'i abany am'endriny, ho andreo mpamono olo, 10 ho andreo ratsy fitondra-tegna ara-nofo, ho andreo sodomita, ho andreo mpangalaky olo fôrise mba andevozy, ho andreo mpavandy, ho andreo vavolombelo ne tsy mariny, sady na ino na ino hafa manohitry gne fampianara azo itokisa. 11 Io fampianara io da mifagnaraky ame filazantsaran'e voninahitry Andriamanitry izay votahy sy izay nankiny tamina. 12 Isaorako an'i Jesosy Kristy Tompontsika. Nankahery ana Izy, fa naniny matoky iaho sady notendreny tame fanompoa iaho. 13 Iaho da mpizaka ratsy, mpagnenjiky, sady lelahy tia ady. Nefa nahazo famindra-po iaho satria tame tsy fahalala gne namboarako an'iza avy ame tsy finoa. 14 Fa gne fasoavan'e Tompotsika gne nampino sy nanagna fitiava tam'i Jesosy Kristy. 15 Ity hafatry ty da azo antoky sy magneva gne fagneke rehetra, fa i Jesosy Kristy da avy tambony tany hagnavotry gne olo mpanota. Iaho gne tena ratsy tam'ireo. 16 Fa avy tam'iza antony iza gne namelany heloko, mba am'gn'alalako, gne zakabe indrindra da mety i Jesosy Kristy hagnaboky gne fahareta aby. Nagnano an'iza Izy mba ho ohatry hoan'zay mikiry hatoky anazy hoan'e fiaina mandrakizay. 17 Sady hoan'gne mpanjakan'e taona, tsy mety maty, tsy hita maso gne Andriamanitry toka anie gne laza sy voninahitry mandrakizay doria. Amena. 18 Izao didy izao gn'omeko anareo, Timoty zanako, araky gne faminania nany mikasiky anao taloha tagny, fa anao da mety hiady gne ady tsara, 19 gne fitazoma gne finoa sy gne feon'e fieritrereta tsara. Tame tsy fagneke an'izany da nisy nagnano sambo gne finoany. 20 Akô i Hymeno sy Aleksandro, izay nomeko an'gne Satana mba hampianara andreo tsy hizaka ratsy.