Toko 1

1 Petera, apostolin'i Jesosy Kristy, ho andreo zanaky am-pieleza, gne vofidy, magnera an' i Ponto, Galatiana, Kapadokia, Asia, ary Bitynia. 2 Izany da araky gne fantatr'Andriamanitra Ray mialoha,votokan'gne Fagnahy ho fankatoava sy ho famafaza gne ràn'i Jesosy Kristy. Ho aminareo gne fahasoava, ary hitombo gne fiadananareo. 3 Ho tahy gn'Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamè famindram-pony, gne nagnomezany antsika fahateraha vaovao ho anè fahatokisan'gne lova. Izany lova zany da tamigne maty. 4 Izay da ho an'ny lova izay tsy ho faty, tsy ho simba, ary tsy ho levo. Izany da voatoka ho anareo agny an-dagnitry. 5 Enareo da arovany gnerin'Andriamanitra amè gnalalan'gne finoa, ho an'e famonjena izay efa vonogny ho ambara amè fotoa farany. 6 Tena ravoravo mikasiky enizany enareo, ndre da ilainareo gne hahatsiaro malahelo amè gn'olo maro samy hafa amizao fotoa zao. 7 Izany da ho an'gne fagnaporofoa gne finoanareo, izay sarobidy miôtry gne volamena izay simba, ndre da notsapay tamè gn'afo. Miboda izany mba ho hita gne vokatry gne finoanareo amy gne fidera, voninahitry, ary haja amè gnisehan'i Jesosy Kristy. 8 Tsy nahita Enazy enareo, nefa tia Enazy. Tsy mahita enazy enareo amizao fotao zao, kanefa mino Enazy ary tena faly amè fifalia tsy hay zakay, mahafinaritry. 9 Resinareo amizao fotao zao gne vokatry gne finoanareo, da gne famonje gne fagnahinareo. 10 Gne mpaminany da nitadia say nagnotany tsara gne moba izany famonje izany, gne momba gne fahasoava izay ho anareo. 11 Indreo da nitadia gne hahafantatry momba gne hoe ia sy ovia gne Fagnahin'i Kristy ao amindreo gne zakany tamindreo. Izany da niboda akoigne nozakainy endreo mialoha momba gne fijalian'i Kristy sy gne voninahitry magnaraky enizany. 12 Nambara tamindreo izany mba tsy hanompo gne tegnany indreo, fa enareo, raha nizaka gne rahà izay voazaka taminareo androany indreo tamy gn'alalan'gne izay nitory gne filazantsara taminareo tamè gnalalan'gne Fagnahy Masina nalefa avy agny an-dagnitra--rahà izay tiany gn'anjely ho fantatry. 13 Noho izany hamono gne sainareo. Mahonogna tegna. Magnapetraha fitokia amè fahasoava izay ho enty eo aminareo amè gnisehoan'i Jesosy Kristy. 14 Amè maha-zanaky mpankàto, ka mampifagnaraky gne tegnanareo amy gne tsy nahafantatry enareo. 15 Fa akoignè raiky izay nangaiky enareo hoe masina, enareo, evakoa, ôka ho masina amè fitondran-tegnanareo agnaby. 16 Fa vosoratry hoe: "Ôka ho masina, santria masina Iaho." 17 Ka raha mangaiky gne raiky izay mitsara tsy misy fanavakavaha araky gne asan'olo tsiraikiraiky avy hoe: "Ray" enareo, da agnilany gne fotoan'andronareo amè fagnambara fagnaja. 18 Fantatrareo fa tsy avy tamè volafotsy na volamena mety levogny gne nagnavota anareo tamè gne fitondran-tegna mola izay nianaranareo tamy gne razanareo. 19 Fa, navota tamè rà sarobidin'i Kristy enareo, izay akoie gne zanak'ondry tsy misy kilema na tsigny. 20 Vofidy talohan'gne nananga an'izao tontoloizao Kristy, fa amizao da tamy gne fotoa farany gne nagnambarà Enazy taminareo. 21 Amign'alalny gne hinoanareo an'Andriamanitra, izay nananga enazy tamè maty sy tamy gne nomeny vononahitry mba ho ao amin'Andriamanitra gne finoa sy fatokianareo. 22 Nagnadio gne fagnahinareo tamy gne fagnaraha gne fahamarigna enareo. Izany da ho an'e fitiava ara-pirahalahia madio; noho izany mifankatiava fatratry amè fo. [ Fagnamaria: Gne dika-zaka sasany da mizaka hoe: " Nagnadio gne fagnahinareo tamy gne fagnekè gne fahamarigna tamy gn'alalan'e Fagnahy enareo"] 23 Nateraky koa enareo, tsy avy amè voa mety, fa avy amè voa tsy mety maty, amy gn'alalan'gne zakan'Andriamanitra velo sy mimpetraky. 24 Fa "gne nofo agnaby da mitovy amy gn'ahitra, ary gne vononahitriny da mitovy amè voninkazon'e gn'ahitry. Maigny gn'ahitry, ary malazo gne voninkazo, 25 fa gne zakan'ny Tompo da mimpetraky mandrakizay. "Izany gne vaovao mahafaly izay nambara taminareo.