Toko 1

1 Izay hatramè fanombohany-izay efa renay, izay efa hitanay tamy gne masonay, izay efa nitenay, ary efa nokasihin'e tagnanay- izay da mikasiky gny Zakan' e fiaina. 2 Akoizany evakoa, gne fiaina da nampahafatary, ary hitanay izany, ka mitsanga vavolombelo amizany ihay. Ihay da magnambara aminareo gne fiaina mandrakizay, izay tao amy gne Ray, ary izay efa nampahafantary enay. 3 Izay efa hitanay sy renay da ambaranay aminareo evakoa, mba hanagnanareo fifandresa aminay evakoa. Gne fifandresa misy eo aminay da amy gne Ray sy amy gne Zanany, Jesosy Kristy. 4 Akoizany evakoa, manoratry io rahà io ho anareo ihay mba ho tanteraky gne fifaliantsika. [fagnamaria: Gne dika-zaka taloha sasany da midika akoizao:"Ary manoratry io rahà io ihay mba ho tanteraky gne fifalianareo."] 5 Izao gne hafatry izay efa renay avy taminazy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra da fahazava, ary ao Aminazy da tsy misy mizy mihitsy. 6 Raha mizaka isika fa mana fifandresa Aminazy ary mandeha ao agnatin'e mizy, da mavandy isika ary tsy magnano gne marigne. 7 Kanefa raha mandea ao amè fahazava isika akoy Izy ao amy gne fahazava, da mana fifandresa amy gne tsiraikiraiky agnaby isika, ary gne ràn'i jesosy Zanany gne magnadio amy gne fahota agnaby. 8 Raha mizaka isika fa tsy manam-pahota, da mamitaky gne tagnantsika isika, ary gne fahamarigna da tsy ao amintsika. 9 Nefa raha magneky gne fahotantsika isika, Izay da mahatoky sy marigny amè famela gne fahotantsika ary magnadio antsika amy gnetsy fahamarigna agnaby. 10 Raha mizaka itsika fa tsy mbola nagnota, da magnano Enazy ho mpavandy, ary tsy ao amintsika gne zakany.