Toko faha 2

1 Ry rahalahiko, ka mitaha gny finoa an'i Tompontsika Jesosy Kristy, Tompony gny voninahitry, amign'ny fiagara amign'olo sasany. 2 Ataovy hoe misy olo militsy ao amin'ny fivorianareo manao peratry volamena sy siky soa, ary misy lehilahy mahantra koa militsy manao akanjo maloto. 3 Raha mijery an'ny olo misiky soa io iha ary mivola azy hoe: ''Azafady mipetraha eo amin'ny toera soa'', fa hivola amign'ny lehilahy mahantra io aho hoe: ''Mitsangana eroy iha'', na hoe: ''Mitoboa amign'ny tomboko eto,'' 4 ka tsy mifampitsara aminareo ianareo va? Moa tsy lasa mpitsara amign'ny eritseri-dratsy nareo? 5 Mijanjina, ry rahalahy malalako, tsy fa nofilian-Dragnahary va gny mijaly amign'izao tontolo izao mba hanankarena amign'ny finoa sy mba ho mpandova ny fanjakana izay nampanantenain'ireo izay tia Azy? 6 Fa nareo nanala baraka gny mijaly! Moa va tsy gny mpanan-karena no Ka tsy gny mpanan-karena va ro mampijaly anareo? Moa tsy reo va no mitariky anareo ho amin'ny fitsaraha? 7 Ka mbo tsy reo avao va nagnaraty gny anara soa izay nanareo? 8 Ndre eo avao koa izay, laha manaraky gny lily gny mpanjaka nareo, araky gny Soratry Masina hoe: ''Tiavo gny namanao manahaky ny fitiavanao gny vatanao,'' dia manaova gny soa nareo. 9 Fa laha magnome sitraky gny olo sasany nareo, dia manota, ka voaheloky toy gny mpandika lily iaby. 10 Fa na ia na ia mankato gny lily iaby, nefa lavo amign'ny lala raiky monja, de ho meloky amign'ny lala iaby. 11 Ka azy nivola hoe: ''Aza mijanganjanga,'' nivola avao koa hoe:''Aza mamono olo.'' Raha tsy mijangajanga nareo, nefa mamono olo, dia mandika gny lily. 12 Noho zay mivolagna sy manaova manahaka azy ho tsaray reo amign'ny lily gny fahafaha. 13 Fa gny fitsaraha dia ho avy tsymisy famindram-po amin'ireo izay tsy naneho gny famindra-po. Ary gny famindra-po de mandresy gny fitsarana. 14 Ino moa gny soa, ry rahalahiko, raha mivola gny olo raiky fa manam-pinoa Izy, nefa tsy misy asa? Afaky hamonjy azy va zay finoa zay? 15 Ataovy hoe misy rahalahy na anabavy raty fisikina sy tsy ampy hany isan'andro. 16 Atavoy hoe misy raiky aminareo mivola amindreo hoe: ''Mandehana am-pilamina, manaova mafan ary mivokisa.'' Raha tsy magnome andreo gny raha ilany ho amign'ny vata nareo, ka ino no mahasoa an'izay? 17 Manahaka an'izay koa gny finoa, raha tsy asa izay, laha maty. 18 Kanefa misy olo mivola hoe:''Manam-pinoa iha, ka izaho managnasa.'' Atoroy ahy gny finoanao tsy misy asa, fa hatoroko anao koa gny finoako amign'ny alalan'ny asako. 19 Mino iha fa raiky avao Dragnahary; soa raha ataonao zao. Fa na reo domonia aza mino koa, ka mavozo koa reo. 20 Teanareo ho hay va, ry lehilahy adala, fa gny finoa tsy misy asa dia tsy misy ila azy? [Fanamariha: gny dikan-tsafa taloha sasany dia mamaky hoe:''Tianareo ho hay va, ry lehilahy adala, fa manino gny finoa tsy misy asa no maty?''] 21 Tsy tamign'asa koa va nagnamariha an'i Abrahama raintsika fa nanolotry an'Isaka gnanakiny lehilahy teo amign'ny alitara i ? 22 Hitanao fa gny finoa ro niasa niaraky tamign'ny asany, ary amign'ny asa ro nivoatra tanteraky gny finoany. 23 Tanteraky gny soratsy Masy zay mivola hoe: ''Adrahama nino an'Andrianagnahary, ka nisay taminy ho fahamarina zay.'' Ary I nikeky hoe: Sakaizan'Andrianagnahary. 24 Jerinareo zao fa amy gn'asa ro hanamarina gny olo, fa tsy amy gny finoa avao. 25 Toy zao koa, Rahaba mpivaro-tene tsy nohamarina tamy gn'asa koa va I, Lafa nandramby reo raiky voho nandefa andreo tany lalan-kafa? 26 Fa maty gny vata laha misaraky any gny fagnahy toy zao avao gny finoa tsy misy asa là maty.