Toko 1

1 Paoly, Silasy, ary Timoty ha an'ny fiengonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo. Hôminareo anie ny fahasoavana sy fedagnana. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne taloha die mivaky hoe: "Hôminareo anie ny fahasoavana sy fedenana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo."] 2 Magnome fisôrana an'Andriamanitra mandrakariva ijahay ny aminareo manotolo, ka manognona anareo amin'ny vavakay. 3 Ijahay die tsy mijanogna mahatadidy anareo eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finônareo, ny asan'ny fitiavanareo ary ny fahatokisanareo maharitra hôn'ny hoavy ao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsena. 4 Ry rahalahy, tien'Andriamanitra, fantatray fa Ijy die efa nifidy anareo, 5 satria ny filajantsaranay die avy taminareo tsy tamin'ny jaka mandy , fa tamin'ny hery mandy koa, tamin'ny fanahy Masina, ary ny fahatokiana be. Mitovy amin'ijany, anareo mandy koa die mahalala hoe olo hôtran'ija ahay teo aminareo noha ny aminareo. 6 Nanjary nanahatre anay sy ny Tompo anareo, tamin'ny nandresanareo ny teny tamin'ny ady soratra lehibe sy tamin'ny fifalena laha tamin'ny Fanahy Masina. 7 Vokatry ijany, tonga ohatra ho an'ny manotolo ijay mino ao amin'ny Makedonia sy Akaia anareo. 8 Fa lahataminareo no nagnenoan'ny tenin'i Tompo, ary tsy tao Makedonia sy Akaia mandy. Fa koja, teny amin'ny toerana manotolo no nihelejan'ny finônareo an'Anadriamanitra. Vakatr'ijany, die tsy mila mijaka na ino na ino antsena. 9 Fa areo mandy no hijaka ijay fandresana ajonay teo aminareo. Ijy ireo die mijaka ny fomba nitodihanareo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'ireo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velogna sy marina, 10 Ijy ireo die nitatitra fa anareo die mandigny ny janagne lahatagny an-dagnitra, ijay natsangagny tamin'ireo maty. Jesôsy ijany, ijay magnafaka antsena amin'ny fahavignirana ho avy.