Toko faha 16

1 Rafa dila ny andron'ny sabata,de nividy ranomanitra hatao amin'ny fatin'i Jesôsy i Maria Magdalena sy Maria renin' i Jakoba,ary Salome nandany vola nividy menaka manitra hagnosorany amin'ny fatin'i Jesôsy. 2 Vô mipalakedahy tamin'ny andro voalôhany amin'ny herignandro, de nankegny amin'ny fasagna zareo raha vao mipôka ny masoandro. 3 Nifampiresaka zareo hoe: " Iza no hagnakode ny vato amin'ny varavaram-pasagna ho antsika?" 4 Rafa nitraka zareo, de tazanjareo fe efa voakode niala ny vato,tegna gedabe. 5 Nitsofoka tagnaty fasagna zareo de natazana gaogna nagnano akanjo fotsy, nitombigna takeo an-kavanana, ary de gaga zareo. 6 De ozy taminjareo: " Aza matatra. Mikaraka an'i Jesôsy nareo, le Nazarianina, ze nomboina. Nitsangana Izy, tsy aketo Izy. Tazagno ny torany nametranareo Ananjy. 7 a mandana, taravo zareo mpianany sy Petera fa melôha anareo agny Galilia Izy. De ho tazagnareo akaigny Izy. Araka izay ,otaraviny taminaeo." 8 Nivôka malaky zareo niala takao agnaty fasagna; nangitakitaka sy nidagnaka zareo. Tsy niteny n'inoninona tamin'ôla zareo satre natatra mafy. 9 Vô ampôlakeka tamin'ny andro vôlôhany tamin'ny herignandro, tafaran'ny nitsanganany, de nibôgna tamin'i Maria Magdalena alo Izy, le nandroasany devoly fito. 10 De lasa Maria ka nitatibolana tamreo ô'la niaraka tamin'i Jesôsy, rafa mbôla nisaona sy nitomagny zareo. 11 Regninzareo fa velona Izy sady natazagna Anazy izy , saingy tsy nino njareo 12 Tafaran'reo ra reo Jesosy de nipoitra tamin'ny endrika afa tamin'ny roa taminjareo , ra nde hagny an- tanàna zareo, 13 de lasa zareo nitatibolana taminireo mpianatra sasagny .saingy tsy nino zareo. 14 Tafara kely de nipoitra tamin'ny iraika ambiny folola Jesôsy ra mbola ampihinanakanina zareo, dia nitrerona anjareo Izy nony tsy finoany hamafin'ny fonjareo, satria tsy ninonjareo ze nahita Ananjy tafaran'ny nitsangana tamin'ny maty. 15 Ozy taminjareo hoe: " Mankanesa akaigny amin'izao tôntôlo zao ianareo, ary torio amin'ny ô'la daôly ny filazantsara. 16 Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, Ary ze tsy mino kosa de helona. 17 reto famantarana reto de hagnaraka anze mino:Amn'ny Agnarako no hamoanjareo Devoly. Hiteny amin'ny fiteny vaovao zareo. 18 hitana menaragna amin'ny tagnana zareo, ary ra misotro pozina zareo, de tsy mampagnino anjareo zany. Hametra-tagnana aminn'ny manavy zareo de ho sitragna regny". 19 Rafa avy nireseka taminjareo ny Tompo, de nampakarina tagny an-danitra Izy sady nipetaka eo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra. 20 De lasa reo mpianatra nitory tegny rehetra tegny,ary ny Tompo niara-niasa taminjareo ary nagnamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana ze niaraka taminjareo.