Toko faha 15

1 Vô mipalakedahy, de nivory ny mpisorognabe niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny synedriona Jiosy iray manontolo. Nofatoranjareo Jesôsy nindesiny nivoaka. Namenjareo an'i Pilato izy. 2 Nagnontany Anazy Pilato nagnano hoe: "Ianao va no mpanjakan'ny Jiosy?". Novaleny hoe: "Voalazanao." 3 Nanolotra fiampangana betsaka nanoihitra an'i Jesôsy reo lohan'ny mpisorogna. 4 Nagnontany Anazy ndre Pilato hoe: "Tsy magnome valiteny va Ianao? Tazagno ny habetsaky ny fiampangana nindesinjareo manohitra An'nao!" 5 Fa tsy namaly an'i Pilato intsony Jesôsy,de nahagaga anazy zany. 6 Ary tamin'ny andro firavoravoana, de namotsotra gadra raika ho anjareo foagna Pilato, gadra ze nagnatahanjareo. 7 Niaraka tamin'ireo mpikomy takao am-ponja, Takeo amireo mpamono ôla ze voatana nohon'ny fandraisanjareo anjara tamin'ny fikomiana, de nisy leila raikana antsoina hoe: Barabasy. 8 De nankeo amin'i Pilato ny vahôka ka nanomboka nangataka taminy mba hagnanovany an-jareo araka ze fataony tagny alô. 9 Pilato namaly anjareo ka nagnano hoe: "Tenareo va raha ny mpanjakan'ny Jiosy no halefako an'nareo?" 10 satre fantany fa felonana no nanoloran'ny lohan'ny Mpisorogna an'i Jesôsy taminy. 11 Fa nagnentana ny vahôka reo lohan'ny mpisôrogna mba ekeka mafy fa tokony ho Barabasy kosa no havotsotra. 12 De namaly anjareo ndre Pilato ka nagnano hoe: "Ino àry zany tokony hataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 De nekeka mafy ndre zareo hoe: "Homboy Izy!" 14 Ozy Pilato tamijareo hoe: "Ino ny ratsy nataony?" Fa nekeka mafy hatragny hatragny zareo hoe: "Homboy Izy." 15 Te hanao ze mahafapo anjareo Pilato ko de nafahany anjareo Barabasy. Velezo Jesôsy ary avekeo natolony mba hombona. 16 Nindesin'ireo miaramila ho agny ankianja Izy ( Izay ivontoeran'ny fanjakana), ary nantsoindreo avokoa ny antokon'ny miaramila manontolo 17 notafinjareo lamba volomparasy Jesôsy ary nandrandrana felô tsilo zareo ka nametraka anzany taminazy. 18 De nanomboka narahaba anazy zareo de niteny hoe:" Arahaba ry Mpanjakan'ny Jiosy!" 19 Novolezinjareo tamina volosy ny lohany sady nororoany takeo. De nendohalika takeo agnatrehany zareo mody nidera Anazy. 20 Rafa avy nagneso anazy zareo, de nesorinjareo tamindre ny lamba volomparasy ary nampitafinjareo Anazy ny fitafiny manokana, ary de nindesinjareo nivôka izy mba hanombona Anazy. 21 Noternjareo ny mpandalo raika avy tagny an-tsaha mba hilanja ny hazo fijalian'i Jesôsy, leila raika antsoina hoe Simôna Kyrenianina rain'i Aleksandra sy Rofosy. 22 ndesin'ireo miramila tagny amin'ny tôrana atao hoe Gologota Jesôsy (ze midika hoe" Toeran'ny Karandoha") 23 Namenjareo dovay mifangaro miora Izy, fa tsy nisotro anzany Izy. 24 De nombonjareo Izy ary nitsinjarainjareo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafiny mba hfantarany ze ampahany raisin'ny miaramila tsiraikaraika. 25 Tamin'ny ora fahatelo Izy no nombonjareo. 26 Ary takeo amin'ny takelaka hazo raika no nosoratanjareo ny fiampangan ananohitra Anazy hoe: " Mpanjakan'ny Jiosy." 27 Jiolahy roa no niaraka nombonjareo taminazy, ny tokana takeo an-kavanana ary ny tokana kô tankaveny. 28 [Fanamarinana: Ireo fandikana talô tsara indrindra de tsy manisy ny marka 15: 28 hoe:" De tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: Nataony ho isan'ny mpanota Izy". (Ampitao amin'ny Lioka 22:35)] 29 Reo ze nadalo takeo de nagniratsira Anazy, nagnifidô ary nagnano hoe: "Ooy! Enao le afaka manjera ny fiangonana ary manangana anazy agnatin'ny telo andro, 30 vonjeo ny tegnanao ary midìgna avekeo amin'io hazofijalina io!" 31 Lôhan'ny mpisorogna kô de nagneso Anazy sala amzany,niaraka tamreo mpanora-dalàna ary niteny hoe:"Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32 Aoka le Kristy,le mpanjakan'ny israely,hidigna avekeo amin'ny hazo fijalina,mba tazagnonay ary mba inonay," ary reo nohombona niaraka taminy kô de nagneso Anazy. 33 Tamin'ny ora fahenina de tonga takeo amin'ny tany daôly ny aizigna katramin'ny ora fahasivy . 34 Tamizany ora fahasivy zany de nieka tamin'ny feo matanjaka Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, Lamà sabktany? ze midika hoe:" Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nagnino Anao no de nahafoy Ana?" 35 Ny sasagny tamireo ze nitsangana takeo naregny ny teniny de nitare hoe:" Tazagno,fa magnantso an'i Elia Izy." 36 Nisy ôla raika niazakazaka, nandona divay madilo ny sipaonjy, ary nametaka anazy tamin'ny volosy, de nameny hosotroiny. Le leila nitare hoe:" Aoka tazagnay hampidigna anazy akeo Elia." 37 Avekeo JEsôsy nieka tamin'ny feo matanjaka de maty. 38 Rovitra nizara roy ny agnambo atrampidigna ny lamba tam-piangonana. 39 RAfa tazan'le Kapiteny ze nitsangana sy nifagnatrika tamin'i Jesôsy fa maty tamzany fomba zany Izy de ozy hoe:" Tegna zanak'Andriamanitra marina tokô io leila io." 40 De nisy vaiavy kô nitazagna tagny talavidavitra tagny. Anisan'izany i Maria Magdalena, Maria (renin'i Jakôba zandriny sy Josesy),ary Salome. 41 Tamin'Izy tagny Galilia de nagnaraka Anazy sy nanompo ANazy zareo. Ary vaiavy betsaka hafa kô no niaraka niakatra taminjareo tamin'ny tagny Jerosalema. 42 Rafa tonga ny hariva satre andro fiomagnana,zany hoe, andro alohan'ny Sabata io, 43 de tonga takeo Josefa avy agny Arimatia. Kambana hajaina akao amin'ny Synedriona izy ze nandigny ny fanjakan'Andriamanitra. Nagnam-pasahina izy nankeny amin'ny Pilato nangataka ny fatin'i Jesôsy. 44 Fa regn'i Pilato hoe maty sady Jesôsy; de nagnantso anle kapiteny ary nagnontny anazy izy ra maty Jesôsy. 45 Rafa nahazo antoka le tamle kapiteny izy fa maty Jesôsy, de nameny an'i Josefa ny vatgna mangatseka. 46 Ary Josefa nividy lamba landy . Nampidigna an'i Jesôsy takeo amin'ny Hazo fijalina izy de namogny landy Anazy ary nandevigna Anazy tagnaty fasagna ze vôlavaka tamina vatolampy. Avekeo nakodedeny ny vato takeo amin'ny varavarampasagna izy 47 De tazan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny tôrana nandevegnana Anazy