Toko 1

1 Jakoba , mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy, ho an'dreo foko roa ambefolo niparitaka: arahaba. 2 Raiso ho fifaliagna daôly zany, ry rala, rafa misedra olagna sambihafa nareo. 3 Fantatrareo fa ny fitsapana ny finôna de matonga faharetana 4 Apetrao ny faharetana hahatanteka ny asany, mba tegna hivôtra sy ho feno tanteraka nareo, ka tsy ory ninonina. 5 Fa ra misy aminareo mila fahendrena, aoka izy hangataka zany amin'Andriamanitra, le raika ze magnome an-tsitrapo sy tsy mandatsa ze rehetra mangataka, ary agnome anazy izany. 6 Fa apetrao izy hangataka amin'ny finoana, tsy miafahafa na amin'ino na amin'ino. Fa ze afahafa de sahala ny onjan-dranomasina ze ndesign'ny rivotra sy mitopatopa. 7 Fa zany ôla zany de tsy tokony heritreritra handray ninonina avy amin'ny Tompo. 8 Ny ôla sahalan'zany de mizarazara saina, miovaova amin'ny lalana daôly. 9 ôka ry rala mahantra hagnano ny fisandratany ho reharehany, 10 fa n'ôlaana-karena amin'ny fietreny, satria izy de malazo tahaka ny vonikazo-dy eny amin'ny atra. 11 Fa ny masoandro de mipôka amin'ny hafanana mamay ary manamaigna ny atra. Ny vonikazo de miintsagna, ary ny hatsarany ho levona. Otrany zany kô, ny ôla manan-karena de alazo eny amin'ny atsasaky ny deny. 12 Sambatra ny ôla ze miaritra fitsapana. Satria rafa avy nandalo fitsapana izy, de handraby ny satroboninahitry ny fiaignana, ze nampagnantenainy tamin'dreo ze te an'Andriamanitra. 13 Rafa misy halaim-pagnahy de ôka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no naka fagnahy ana," satre Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-pagnahy, satria tsy ba maka fagnahy nizaniza. 14 Fa samby alaim-pagnahy amin'ny fagniriny manokana n'ôla ny tsiraikaraika, ze mapiemotra sy mandresy anazy. 15 Rafa avy montsamontsagnina ny fagniriny, de miteraka fahotana zany. Ary rafa mitombo tanteraka ny ota, de miteraka fahafatesana. 16 Aza mety ho fitana, rala malalako. 17 Ny fagnomezana tsara daôly ny fagnomezana tonga lafatra avegnambo. Zany de midigna avy agny amin'ny Rain'ny fahazavana. Miaraka aminy de tsy misy fiovana na talinjogna nony fiodiagnana. 18 Andriamanitra de nisafidy ny hagnome ny fahaterana antsika amin'ny tenin'ny fahamarinana, mba ho karazagna vôloam-bokatr'ireo ra daôly ze noforoniny tsika. 19 Fantatrareo zany, ry rala malalako: ôka n'ôla daôly alaky hieno, tsy malaky miteny, ary tsy alaky ho tezitra. 20 Fa ny fahatezeran'ôla de tsy mavita ny fahamarinan'Andriamanitra. 21 Koa alao ny falotona daôly sy ny faharatsena daôly. Ampanatre-tegna de raiso ny teny efa napetraka, ze afaka mamonjy ny fagnahinareo. 22 ôka ho mpankatô ny teny nareo fa tsy mpieno fôgna iany, ka mamitaka ny tegnanareo. 23 Fa ra misy mpieno nefa tsy makatô, de sala amin'ôla ze mandinika ny tareny voajagnahary agnaty fitaratra izy. 24 Mandinika ny tegnany izy ka mande avekeo ary magndino avetrany ny momba anazy. 25 Fa n'ôla ze mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahafana tonga lafatra, sy manoy magnano zany, fa tsy hoe mpieno fogna ze magnadino, de ho tahina amin'dreo asany zany ôla zany. 26 Ra misy mievi-tegna ho mpivavaka, nefa tsy mifehy lelany, de mamitaka ny fony izy, ary tsy misy vidiny ny fivavahany. 27 Ny fivavahana madio sy tsy misy petina akeo agnoloan'Andriamanitsika sy ny Raitsika de zao: hagnapy an'dreo kamboty sy reo mpitondra-tegna amin'ny fahoren'dreo, ary miaro ny tegna mba tsy hisy pentina avy amin'zao tontolo zao.