Toko faha 3

1 Fa fantatro zao: am'reo andro farany de hisy reo fotôna magnahirana. 2 Satria ny ôla ho te tegna, te vola, ho mpirehareha, mpandoka tegna, ho mpagnevateva an'Andriamanitra, tsy magnaja ray sy reny, tsy misaotra, ary tsy masina. 3 Tsy hanam-pitiavana ny fianakaveny zareo, mpagnohitra, ho mnagnendrikendrika, tsy hafe-tegna, hahery setra, tsy ho te ny tsara. 4 Ho mpamadika zareo, tsisy eritreritra, mpagnambony tegna, te fafinaretana miôtra noho reo te an'Andriamanitra. 5 Managna ny toetra salan'Andriamanitra zareo, kanefa de handà ny heriny. Mialà am'regny ôla regny. 6 Satria ny sasagny tam'reo de leila ze miditra akao an-dragno ary mambabo reo veivavy adala. Reo no veivavt ze tsy afaka ami'ny fahotana sy voasariky am'reo filàna samihafa. 7 Reo vevavy reo de mianatra fôgna, kanefa tsy ho tonga amin'ny fafantarana ny famarinana mitsy. 8 Ôtran'zany iany kô i Jana sy i Jambra nitsagana nanohitra an'i Mosesy. Tam'zany de nitsangana iany kô reo mpampianatra sandoka reo hanoitra ny marina. Zareo de leila maratra saigna, tsy nankasitrahana tamin'ny finoana. 9 Fa tsy ho lasana lavitra zareo. Satria ny adalàny de ho tazagna mazava amin'ny ôla daôly sakan'reo leila reo. 10 Fa raha anareo ndre, de efa nagnaraka ny fampenarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finoana, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana, 11 reo fagnenjehana, reo fijalena, ary ze nitranga taminà taigny Antokia, taigny Ikonioma ary taigny Lystra. Niaritra reo fangnenjena za. Avy am'reo daôly reo, de namonjy anà ny Tompo. 12 Ze daôly te hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra akao amin'i Kristy Jesosy de ho hinjena. 13 Reo ôlon-dratsy sy reo mpisandoka de ho aigny amin'ny ratsy koko hatraigny. Zareo de hitarika reo ôlon-kafa ho aigny amin'ny lalan-diso. Ary ny tegnan-jareo de ho voasarika am'zany. 14 Fa raha anareo kosa, mipitra akao am'reo ra ze efa nianaranareo sy ze efa ninoanareo mafy hoe avy amin'iza no efa nianaranareo. 15 Hainareo fa hatramin'ny fahazazana de efa nalala reo asa soratra masina anareo. Regny de havita hampaendry an'nareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy. 16 Ny Soratra Masina daôly de avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Zany de tombony ho an'ny foto-pampianarana, ho an'ny fanondrôna re diso, ho an'ny fagnitsina, ary ho an'ny fampiofanana amin'ny famarinana. 17 Zany de mbô hatonga ny leilan'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomagna tanteraka amin'ny asa tsara daôly.