Toko faha 2

1 No zany enao, ry zanako mahereza akao amin'ny fasoavana ze akao amin'i Jesosy Kristy. 2 Reo ra reigninareo avy aminà takeo agnatrehan'ny vavolombelona betsaka de hankigno amin'ny ôla mahatoky ze afaka hampianatra ny sasagny kô. 3 Mereta ra-sarotra miaraka aminà, ôtran'ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4 Tsisy miaramila manompo raha mbôla vôfandrik-reo raharahan-zao fiaignana zao, mba hafahany mampifaly ny leibeny. 5 Ary raha misy ôla mifaninana salan'ny atleta, de tsy mandray ny satro-boninaitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan-reo fitsipika. 6 Ilaigna ny fandraisan'le mpamboly ze miasa mafy ny anjara vokatra vôlôny. 7 Saigno ny momba ze lazaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amin'ny ra daôly. 8 Tsarovy Jesosy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, ze natsangana taminy maty. Zany de araka ny hafatry ny filazantsarako, 9 ze mampijaly anà ny amin'ny famatorana ôtran'ny mpamono ôla. Fa ny tenin'Andriamanitra de tsy vôfatotra. 10 No zany hiaretako ny ra daôly ho an'reo vôfidy, mba ho afaka handray ny fagnavotana ze akao amin'i Kristy Jesosy iany kô izy reo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Ty teny ty de mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka taminy tsika, de ho velona hiaraka aminy iany kô. 12 Raha miaritra tsika, de hanjaka hiaraka aminy iany kô. Raha mandà an'Azy tsika, de handà antsika iany kô Izy. 13 Raha tsy matoky tsika, de hatoky fôgna Izy, satria tsy afaka mandà ny tegnany Izy." 14 Ampatseivo an'jareo hatrany reo ra reo. Ampitandremo akeo agnatrehan'Andriamanitra izy reo mba tsisy hifamaly momba reo teny. No io de tsisy ra ilaigna. No io de misy fahasimbana ho an'reo ze miaino. 15 Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tegna ho an'Andriamanitra ôtran'le ankatoavina, mpiasa ze tsy magnana antony hahamegnarana, ze mampianatra ny tenin'ny famarinana amin'ny tokony ho izy. 16 Helao ny teny fanevatevana, ze mitondra tsikelikely aigny amin'ny faharatsim-pagna. 17 Ny resak'izy reo de hiparitaka ôtran'ny fery mandavaka. Akeo agnolôn'reo Hymeneo sy Fileto. 18 Izy reo no leila tsy mba nalala ny marina. Miteny izy reo fa ny fitsanganana amin'ny maty de efa nibôgna. Simban-jareo ny finoan'ny sasagny. 19 Na de zany aza, ny fofotra mafy natsangan'Andriamanitra de mijoro. Magnana ity soratra ity: "Ny Tompo de mafantatra reo ze an'azy" ary "Ze daôly magnonona ny agnaran'ny Tompo de tsy maintsy miala amin'ny tsy famarinana." 20 Akao amin'ny tranon'ny mpanan-karena, de tsy reo fitoeran'ny volamena sy volafotsy iany no akao. Fa misy iany kô reo fitoeran'ny kakazo sy tanimanga. Ny sasagny amin'jareo de ho ampesaigna amim-boninaitra, ary ny sasagny ho amin'ny fagnalam-baraka. 21 Raha misy ôla manadio ny tegnany ho afaka amin'ny fahafam-baraka, de fipetrana manan-kaja izy. Izy de vôtokana, ilaign'ny Tompony, ary vôomana amin'ny asa tsara daôly. 22 Milefasa an'reo filàn'ny tanora. Mitadiava fahamarianana, finoana, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'reo ze magnantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Saingy mandàva reo fagnontaniana adala sy tsisy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady reo. 24 Ny mpanompon'ny Tompo de tsy tokony mifanditra. Fa kosa tsy maintsy malemy fagna amin'ny daôly izy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25 Tsy maintsy akao amin'ny fahalemem-pagna no ampenarany reo ze manohitra an'azy. Fa angamba Andriamanitra mety hagnome an'azy reo fibebahana ho an'ny fahalalana ny marina. 26 Manjary hody ndre ny fisainan-jareo ary hiala ny fandriky ny devoly, rafa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony.