Toko 1

1 Paoly, apostolon'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapôn'Andriamanitra, araka ny fampanantegnan'ny fiaignana ze akao amin'i Kristy Jesosy, 2 an'i Timoty, zanaka teigny: Fasoavana, fiantrana, ary fedanana avy amin'Andriamanitra le Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Misôtra an'Andriamanitra za, ze tompoiko avy am-reo razambeko, miaraka amin'ny feon'ny feritreretana madio, salan'ny hatserovako anao isan'andro isan'andro amin'ny fivavàko andro aman'aligna. 4 Salan'ny hatserovako reo ranomasonao, magniry mafy ny haita an'nao za, ka mety ho feno hafalegna za. 5 Nampatsehivina taminà ny finônao marina, ze niaigna vôlôny takao amin'ny renibenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy latra za zao fa miaigna akao aminao iany kô zany. 6 Zany no antony ampatseiviko an'nao mba hampisainao ndre ny fagnomezan'Andriamanitra akao aminao amin'ny alalan'ny fametrako tàgnana. 7 Fa Andriamanitra tsy nagnome fagnan'ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tegna. 8 Ka aza megnatra amin'ny fijorôgna vavolombela momban'ny Tompontsika , na amina, Paoly, le gadrany. Fa kosa, mizarà amin'ny fahorina ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9 Fa Andriamanitra no namonjy antsika sy nagnantso antsika tamin'ny antso masina. Nagnano zany Izy, tsy no reo asantsika, fa non'ny drafitra ze efa natôgny sy ny fahasoavany. Na de mbola tsy nendo aza ny fotôgna de efa nagnome an-regny ra takao amin'i Kristy Izy. 10 Fa am-zao fotôgna zao ny famonjen'Andriamanitra de nambara tamin'ny alalan'ny fiseon'i Kristy Jesosy Mpagnavotra antsika. Kristy ze nagnafôgna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ze tsy ho tapitra mandrakizay mba hagnazava amin'ny alalan'ny filazantsara. 11 No zany, de vôtondro ho mpitory teny za, ho apostoly; ary ho mpampianatra. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny talô sasagny manampy hoe:" Ho an'ny Jetilisa."] 12 Fa no zany antony zany de mijaly am-regny ra regny iany kô za. Fa tsy megnatra za, satria haiko Izy le ninoko. Resy latra za fa afaka mitazona ze efa nankinino tamin'azy Izy mandra-patongan'izany andro zany. 13 Tazomy ny ohatra momba reo hafatry ny finôgna ze reigninareo taminà, miaraka amin'ny finôgna sy fitiavana ze akao amin'i Krsity Jesosy. 14 Ny ra tsara ze natôn'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alaln'ny Fagnahy Masina zany, ze miaigna akao amitsika. 15 Haiko zany, fa ze daôly nipetraka takaigny Azia de nivadika taminà. Akao amin'io fikambanana io reo Fizelio sy Hermozena. 16 Enga ane ny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelona anà matetika izy ary tsy megnatra tamin'ny gadrako. 17 Fa kosa, rafa takaigny Roma izy, de nikaraka anà fatratra, ka tazany za. 18 Ny Tompo ane hampitranga an'azy ka haitany famindram-po avy aminy am-zany andro zany. Reo daôly nanampeny anà takao Efesosy , de haignareo tsara.