Toko 1

1 simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'reo ze nahazo ny finona sarobidy ôtran-ze noraisinay, finona akao amin'ny famarinan'ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy. 2 Hampitombona ane ny fasoavana sy fedanana non'falalana an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. 3 Reo ra daôly makasika ny herin'Andriamanitra ho an'ny fiaignana sy toe-pagna de nomena antsika tamin'ny alalan'ny falalana an'Andriamanitra, ze nagantso antsika tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny fatsarany manôkana. 4 Tamin'ny alalan'reo, nomeny teny fikasana tsara sady geda indrindra isika, mba ho tonga mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra anareo, raha nilefa ny falotoana ze aketo an-tany noho reo filàn-dratsy. 5 No zany, magnanôva ny tsara ndrindra mba hagnampena fahatsarana amin'ny alalan'ny finonareo, ary amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6 Amin'ny alalan'ny falalanareo, magnampe fahonognam-po, ary amin'ny alalan'ny fahonognam-ponareo, magnampe toe-pagna. 7 Amin'ny alalan'ny toe-panganareo, magnampe fitiavana rahalà, ary amin'ny alalan'ny fitiavana rahalà, manampe fitiavana. 8 Raha akao aminareo reo ary mitombo akao aminareo, de tsy hamô na tsy hamokatra amin'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika anareo. 9 Fa na iza na iza tsy ampy reo ra reo de tsy mahita afa-tsy ze akaiky; jamba izy. Tsy tsarôvany ny fagnadiovana an'azy tamin'reo fahotany talô. 10 No 'zany, ry rahalà, atôvy ny daôly mba hazahôgna antoka ny fentsona sy ny fifidianana anareo. Raha Magnano reo ra reo nareo, de tsy ho vôfingana. 11 Am-zany de malalaka ho anareo ny fidirana akao amin'ny fanjakana mandrakizay ze an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy. 12 No 'zany de vonona fôgna za hampatsiaro an'nareo reo za reo, na de fantatrareo aza reo, na de matanjaka akao amin'ny marina aza anareo am-zao fotôgna zao. 13 Za mieritreritra fa rariny amiko ny mamô an'nareo amin'ny fampatsehivana reo ra reo, raha mbola aketo amin'ty trano-lay ty za. 14 Satria fantatro fa tsy ho ela de alàko ny tragno-laiko, ôtran-ze nabôgnan'i Jesosy Kristy Tompontsika anà. 15 Ary ho ataoko ze farany vitako mba hatserovanareo mandrakariva reo ra reo rafa lasa za. 16 Fa zahay de tsy nagnaraka angano tsara rafitra ze noforonina rafa niresaka taminareo ny momban'ny hery sy ny nibôgnan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa kosa, zahay de vavolombelona nahita ny fendrianany. 17 Fa Izy de naharay laza amam-boninahitra avy tamin'Andriamanitra Ray rafa nisy feo tonga takeo Aminy tam-le voninahitra gedabe ndrindra hoe: "Ity no Zanako malalako, ze sitrako ndrindra." 18 Naharegny zany feo avy taigny an-danitra zany zahay, rafa niaraka taminy taigny an-tanety masina. 19 Tsika de managna ty teny faminagnina ze efa natao mafy orina ty. Tokony hitandrina ze tsara anareo. Zany de ôtran'ny jiro mazava akao agnaty haizigna mandra-piavin'ny maraigna sy ny kintan'ny maraigna miposaka akao am-ponareo. 20 Fantaro alô zao, fa tsy misy faminagniana avy amin'ny famoan-kevitry ny ôla. 21 Fa tsy misy faminagniana avy tamin'ny sitrapon'ny ôla. Fa kosa, notarihan'ny Fanahy Masina izy regny mba hiteny ze notinenin'Andriamanitra.