Toko faha 2

1 Ny mpaminagny sandoka de tonga takeo amin'ny ôla, ary ny mpampianatra sandoka iany kô de ho avy akeo aminareo. Hitondra mangingina sain-diso mamotika zareo. Izy reo de mitondra fapotena malaky am-jareo. 2 Betsaka no hagnaraka ny fijejojejoan-jareo, ary amin'ny alalan-regny, ary amin'ny alalan-regny no hitenenan-dratsy ny lalan'ny famarinana. 3 Amin'ny fieremana no hagnararaotany anareo miaraka amin'ny teny mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohana an'izy regny, tsy matory ny fapotehan'izy regny. 4 Fa Andriamanitra tsy namindra fo an'reo anjely ze nanota. Fa kosa natolony ho amin'ny vilany tany izy reo mba ho vôtazona amin'ny gadran'ny famaizana mandra-piavin'ny fitsarana. (Fanamarihana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky salan'zao: "Mba ho fatorana akao amin'ny lavaky ny famaizinana mandra-piavin'ny fitsarana.") 5 Ary iany kô, tsy namela izao tontolo zao talô Izy. Fa kosa, namonjy an'i Noa ze mpitory ny famarinana, miaraka amin'ny fito hafa, rafa nitondra ny safo-drano tamin'ny ratsy fagna teto am-zao tonotolo zao izy. 6 Andriamanitra iany kô de nagnano reo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lavenona ary nanameloka an'azy reo ho amin'ny fahapotena, ho salan'ny ohatra am-ze hitranga amin'ny ratsy fagna. 7 Fa i Lota marina, ze nampahorina tamin'ny fitondran-tegnan'reo ôla tsy ara-dalàna tamin'ny fijejojejoana, de novonjen'Andriamanitra. 8 Fa zany leila marina zany, ze niaigna niaraka tam-jareo isan'andro, de fadiranovana tamin'ny fagnain'ny fahamarinany no ze tazagny sy reigniny. 9 Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo ôla tsara fagna am-reo fitsapana, sy ny fomba hitazomana reo ôla tsy marina ho amin'ny famaizana amin'ny andron'ny fitsaràna. 10 Marina indrindra zany ho an'reo ze manoy amin'ny fagniriana ratsin'ny nofo sy magnano tsinontsinona ny faefana. Sahy sy mitompo teny fatratra zareo. Izy reo de tsy mataotra hitare ratsy reo be voninahitra. 11 Reo anjely de magnana hery sy faefagna goavana, fa zareo de tsy mitondra fitsarana maniratsira manoitra an'azy reo amin'ny Tompo. 12 Fa reo biby tsy magnan-tsaigna reo de natao ho samborina sy potena. Tsy fantan-jareo ze tsiratsirain-jareo. Ho potika zareo. 13 Handray ny valisôn'ny ra ratsy natony zareo. Mieritreritra zareo fa ny tsy fiafina mandritry ny andro de fafinaretana. Zareo de be pentipentina sy tsigny. Mafinaritra an'jareo ny asa famitahan-jareo rafa mignana miaraka aminareo. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky salan-zao: "Mafinaritra an'jareo rafa mignana miaraka aminareo amin'ny sakafom-pifakatiavana.") 14 Adalam-bevavy mijangajanga izy reo; tsy afa-po amin'ny fahotana miitsy zareo. Mitarika fagna tsy mety maty ho amin'ny fagnaovan-dratsy zareo, ary magnana fo vôofagna amin'ny fitsiriritana zareo. Zanaky ny fagnozonana izy regny! 15 Niala tamin'ny lala-maitsy zareo. Lasa nivily izy reo, ary nanaraka ny lalan'i Balama zanak'i Beora, ze te ny tambin'ny tsy famarinana. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de salan-zao: "Balama, zanak'i Bosora." 16 Fa nahazo teny mafy izy nony fandikan-dalàny manokana. Nisy boriky môgna nitare tamin'ny feon'olombelona nanajanona ny adalan'le mpaminagny. 17 Reo ôla reo de ôtran'ny lôtaona tsisy orana. Salan'ny rôndro entin'ny tafio-drivotra zareo. Natokana ho an'jareo ny haizigna matevina. 18 Miteny tsy am-peverana zareo. Izy reo de mitôgna ny ôla amin'ny alalan'ny filàn'ny nofo miezaka mandositra reo ze miaigna amin'ny fadisoana. 19 Izy reo de mampanatena fahafana ho an'jareo, kanefa izy tegnany ary de andevon'ny falotoana. Fa ny ôla de andevon-ze daôly maresy an'azy. 20 Na iza na iza afaka am-reo falotôn-zao tontolo zao amin'ny alalan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesosy Kristy Mpamonjy, ary avy akeo miverigna am-reo falotôgna indray, de manjary ratsy no le toe-javatra vôlôny le toe-javatra farany. 21 Tsara kokoa ho an'jareo ny tsy mafantatra ny lalan'ny fahamarinana nony mafantatra ze de hivadika amin'ny didy masina natolotra an'jareo. 22 Marina ho an'jareo ty ohabolana ty hoe: "Ny ambô no miverigna amin'ny lôany. Ny kisoa efa nisasa miverigna mihoso-potaka."