Toko 1

1 Paoly, Apostoly raika an'i Kristy Jesosy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty ralahintsika, ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ze akao amin'ny Korinto, ary ho an'reo mpino daôly manerana ny faritry Akaia. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'ny Tompotsika Jesosy Kristy. Izy no Rain'ny famondram-po daôly sy Andriamanitra ny fampiononanana daôly. 4 Andriamanitra de mampionona antsika amin'ny fahoriantsika daôly, ka mbô afantsika mampionona reo ze akao agnaty fahorena. Tsikana de mampionona reo hafa salan'ny fampiononana ze nampiasain'Andriamanitra ampiononana antsika. 5 Fa salan'ny hitomboan'ny fijalen'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampiononana an'nay ka amin'ny alalan'i Kristy. 6 Fa raha nampahoriana ze, zany de ho an'ny fampiononana sy famonjena an'nareo. Ary raha nampiononona zahay, zany de ho an'ny fampiononana an'nareo. Ny fampiononanareo de mandaitra rafa mana-paharetana hizara reo fijalena ze mitovy amin'ny fijalenay kô. 7 Fa ny fatokisanay momba an'nareo de azo antoka, satria zahay de mafantatra fa anareo kô de mizara reo fijalena, anareo kô de mizara fampiononana. 8 Fa tsy tenay anareo tsy afantatra, ry ralahy, ny am'reo ôla nanjo an'nay taigny Asia. Zahay de novesarina tanteraka mihôtran'ze tokony ho zakanay, betsaka lôtra ka tsy nagnantegna ny hiaigna ela tsony zahay. 9 Takeo aminay tokoa ny fanamelôhana ho faty. Fa zany no nahatonga an'nay tsy hametraka ny tokinay akeo amin'ny tegnanay iany, fa kosa amin'Andriamanitra ze mampitsangana ny maty. 10 Nagnavotra an'nay tamin'ny loza mafaty salan'ny zany Izy, ary mbôla hagnavotra ndre. Zahay de nametraka ny tokinay tamin'azy fa mbôla hagnafaka an'nay ndre Izy. 11 Izy de hagnano an'zany satria anareo kô de magnampy an'nay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary betsaka avekeo no hagnome fisaorana amin'ny agnaranay noho ny tombom-pahasoavana namena an'nay tamin'ny alalan'reo vavaka betsaka. 12 Zahay de mirehareha am'zao: fijoroana vavolombelona ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fa tamin'ny fikasana madio sy fatsoram-po ze avy amin'Andriamanitra ze nitondranay ny tegnanay akao am'zao tontolo zao. Zahay de navita zany daôly zany ary ny ankabeazany niaraka taminareo - tsy tamin'ny faendren'zao tontolo zao, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13 Zahay de tsy nagnoratra ra tsy ho vôvaky na ho azonareo. Za de magnantegna fa, 14 satria anareo nahazo ny momba an'nay amin'ny ampahany, zahay de ho anton'ny reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsikana Jesosy, salan'ny nareo ho antony hireharehanay. 15 Satria natoky ny momba an'zany za, de te ho aikaigny aminareo alô, mbô hafahanareo mahazo tombony amin'ny fitsidihana roey. 16 Niomagna ny hitsidika an'nareo rafa taigny amin'ny lalako ho aigny Makedonia za. Ary avekeo de mbôla magniry ny hitsidika an'nareo ndre za tamin'ny deko avy aigny Makedonia, ary ny mbô hanateranareo anà teny amin'ny alalako ho aigny Jodia avekeo. 17 Rafa nieritreritra ôtran'zany za, nisalasala ma za? Nagnomagna reo ra reo araka ny nofo ma za, mbô itinenako "Yôny, yôny" sy "Tsia, tsia" amin'ny fotôna raika iany? 18 Fa satria Andriamanitra de mahatoky, tsikana de tsy afaka ny hitare na "Yôny" na "Tsia." 19 Fa ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, ze nitorian'i Sylvanosy, Timoty ary za taminareo, de tsy "Yôny" na "Tsia." Fa Izy de nitare fôgna hoe "Yôny". 20 Satria ny fampanantenan'Andriamanitra daôly de "Yôny" avokoa akao amin'Azy. Ka amin'ny alalany kô tsikana de hitare hoe "Amena" ho an'ny voninahitr'Andriamanitra. 21 Ary Andriamanitra ze magnamafy an'nay aminareo akao amin'i Kristy, ary Izy no nagniraka antsikana. 22 Izy de nagnisy tombo-kase tamintsikana ary nagnome ny Fanahy ho akao am-pontsikana ho antok'ze mbôla ho ameny antsikana akao afara. 23 Fa nagnantso an'Andriamanitra za, hijoro vavolombelona ho anà ze antony tsy natongavako tao Korinto mbô hamindrako fo aminareo. 24 Zany de tsy sagnatre noho zahay magnezaka ny mamehy ze tokony ho finoanareo. Fa kosa, zahay de miara-miasa aminareo amin'ny fifalenareo, satria anareo mitsangana akao amin'ny finoanareo.