Toko faha 2

1 Fa nanapakevitra ny tsy hankaty am'nareo ndre za amin'ny alaelo. 2 Rafa niteraka an'nareo za, iza no afaka mampifaly anà afa tsy le nampalaeloviko. 3 Nanoratra za salan'ny nataoko mba tsy alaelo ze tokony nampifaly anà rafa tonga taigny aminareo. Fa de managna fatokisana an'nareo daôly, fa ny fifaleko de mitovy amin'ny fifalenareo daôly. 4 Fa nanoratra ho an'nareo za avy tamin'ny faoriam-be, miaraka amin'ny alaelon'ny fo sy ny ranomaso be. Tsy te hampalaelo an'nareo za. Fa kosany te hilaza an'nareo ny alalign'ny fitiavana ze anagnako ho an'nareo. 5 Raha nisy ôla nampalaelo, tsy nanagna an'zany taminà fôgna izy, fa amin'ny endrika hafa tsy hitarina lôtra zany aminareo daôly. 6 Ampy ny fagnasazina nataon'ny ôla maro an'io ôla io. 7 Ka am'zao fotôna zao raha tokony ho sazina, nareo de tokony hamela heloka sy hampionona an'azy. Ataovo zany mba tsy handifotra an'azy ny alaelo be lôtra. 8 No zany de mampahery an'nareo za mba hilaza ampabemaso ny fitiavanareo an'azy. 9 Zany no antony nanoratako, de mba ahitako an'nareo ary hafatarako na magneky amin'ny ra-daôly nareo. 10 Raha mamela ôla anareo, mamela an'zany ôla zany kô za. Izay navelako (raha malela heloka za) zany famela zany de fitiavana an'nareo amin'ny fagnatren'i Kristy. 11 Zany de mba tsy hamitan'i Satana an'nay. Satria zahay de efa mafantatra ny heviny. 12 Nisokatra ho anà ny varavaragna tamin'ny Tompo refa tonga tao Troasy nitory ny filazantsara an'i Kristy taigny. 13 Na zany aza, tsy nilamina ny saignako, satria ty natazagna an'i Titosy rahalako taigny. Arak'zany de nandôsa an'jareo za ary nande niverigna taigny Makedonia. 14 Fa isarorana anie Andriamanitra, ze akao amin'i Kristy mitarika an'nay mandrakariva ao amin'ny fandresena. Amin'ny alalantsika de aeliny n'aiza n'aiza ny hanitra mamin'ny fafantarana an'azy. 15 Fa zahay de hanitra mamin'i Kristy an'Andriamanitra, na tam'reo ze ho vonjena na reo ze ho very. 16 Ho an'ny ôla ze ho foaty, zany de hanitra avy amin'ny fafatesana. Ho an'reo ze ho vonjena de hanitra avy amin'ny fiaignana hoa amin'ny fiaignana. Iza no mendrika am'reo ra reo. 17 Fa zahay tsy sahala am-reo ôla sasagny ze mivarotra ny tenin'Andriamanitra mba azahôna tombony. Fa kosany amin'ny fadovam-po no itinenanay akao amin'i Kristy, satria nalefa avy amin'Andriamanitra zahay, tao amin'ny fahitan'Andriamanitra.