Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika, 2 ho an'i Timoty, zanaka là marina akao am'finoana: Fasoavana, famindram-po, ary fedanana avy am'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Araka ny nangatako mafy ho ataonao rafa niala takao Makedonia zà, mipetra akao Efesosy mba hafahanao mibaiko reo ôla sasagny tsy hampianatra foto-pampenarana hafa. 4 Tsy tokony hitandrina reo tantara sy tetiarana tsisy fefarany zareo. Reo de niteraka adievitra fa tsy magnampy ny drafitr'Andriamanitra, ze am'alalan'ny finoana. 5 Ary ny tanjon'ny didy de fitiavana avy am'fo madio, avy am'feon'ny feritreretana tsara, ary avy am'finoana tsy metsaravelatsy. 6 Ny ôla sasagny de tsy natratra ny tanjona ary niala tam'reo ra reo ho aigny am'lateny adaladala. 7 Izy reo de te ho mpampiana-dalàna, kanefa zareo tsy mahazo ze lazainy sy hizingizin'jareo. 8 Fa tsika de mafantatra fa ny lalàna de tsara raha misy raika mampiasa an'azy am'ara-dalàna. 9 Tsika de mafantatra izany, fa ny lalàna de tsy natao ho an'ny ôla-marina, fa ho an'ny mpandika lalàna sy ôla mpikomy, ho an'reo ratsy fagna sy mpagnota, ary ho an'reo andriamani-diso sy tsy masina. Zany de natao ho an'reo ze mamono ny ray sy reniny, ho an'reo mpamono ôla, 10 ho an'reo ratsy fitondran-tegna ara-nofo, ho an'reo sodomita, ho an'reo mpaka an-keriny ôla mba ho andevozina, ho an'roe mpadainga, ho an'reo vavolombelona tsy marina, ary na ino na ino hafa manoitra ny fampenarana mahatoky. 11 Io fampenarana io de mifanaraka am'filazantsaran'ny voninahitr'le Andriamanitra vôtahy ze nankignina taminà. 12 Isôrako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampaery anà Izy, fa nataony matoky za, ary nanendry anà ho am'fanompoana Izy. 13 Zà de mpiteny ratsy, mpagnenjika, ary leilà mahery setra. Kanefa nahazo famindram-po za satria tam'tsy fahalalana no nagnanôvako an'zany nony tsy finoana. 14 Fa ny fasoavana'ny Tompontsika no nandrakotra tam'finoana sy fitiavana ze ao am'i Kristy Jesosy. 15 Zao afatra zao de azo antoka sy mendrika ny fagnekena daôly, fa i kristy Jesosy de tonga taketo an-tany hamonjy reo mpanota. Za no ratsy ndrindra tam'reo. 16 Fa no'zany antony zany no namindrana fo taminà, mba am'alalako, ny leibe ndrindra, i Kristy Jesosy de mety hampiseho ny faretana daôly. Nagnano an'zany Izy ho ôtra ho an'reo ze magniry hatoky an'Azy ho an'ny fiaignana mandrakizay. 17 Ary ho an'ny mpanjakan'ny taona, tsy mety maty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokana, anie ny laza sy voninahitra mandrakizay doria. Amena. 18 Zao didy zao no ameko an'nao, Timoty, zanako, araka reo faminagnina natao momba an'nao taigny alô, fa enao de mety hiady ny ady tsara, 19 ny fitanana ny finoana sy ny feon'ny fieritreretana tsara. Tam'fandavana an'zany, misy ny nagnano sambo vaky ny finoany. 20 Salan'i Hymeneo sy Aleksandro, ze natolotro ho an'i Satana mba ampenarana an'jareo tsy hiteny ratsy.