Toko faha 2

1 Vôlôny indrindra, de mampirisika za fa reo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana de natao ho an'ny ôla daôly, 2 ho an'reo mpanjaka sy reo daôly akeo amin'ny fahefana, mba ahafantsika miaigna amin'ny fiadanana sy miaigna milamina amin'ny toe-pagna araka an'Andriamanitra sy ny fahamendrehana daôly. 3 Izany de tsara sy azo ekena agnatrehan'Andriamanitra mpamonjintsika. 4 Tena hovonjena daôly ny ôla daôly ary tonga amin'ny fafantarana ny marina. 5 Raika fôgan no Andriamanitra, ary raika fôgna kô ny mpagnelagnelagna amin'Andriamanitra sy ny ôla, de Kristy Jesosy. 6 Izy nagnome ny tegnany ho vidim-pagnavotana ho an'ny daôly, de nataony ho fijoroana vavolombelona amin'ny fotôna tokony izy. 7 Fa noho ny amin'zany tanjona zany, za ny tegnako de natao ho mpitory sy ho Apostoly. Mikoragna ny marina za, fa tsy mandainga. Mpampianatra an'reo Jentilisa amin'ny finona ny fahamarinana za. 8 Noho zany, de teko ny leila mba hivavaka sy hanandra-tagnana masina tsy n'aiza n'aiza tsy amika-sosena na amin'ny fifandirana. 9 Ary sala am'zany kô, ny vevavy mba hekanjo akanjo mendrika ny tegnany, amin'ny fahamôntinana sy ny fifehezan-tegna. Tsy tokony hirandram-bolo na akanjo lafo vidy. 10 Teko zareo mba hekanjo am'ze mety am'reo vevavy ze mampiseho ny toe-pagna araka an'Andriamanitra amin'ny asa tsara daôly. 11 Ny vevavy de tokony hianatra ami-pahanginana ary hagneiky tanteraka. 12 Tsy avelako hampianatra ny vevavy na hampihatra fahefana amin'ny leila, fa hijanona akeo agnaty fahanginana. 13 Fa Adama no noforonina vôlôny, zany vô Eva. 14 Adama de tsy vôfitaka, fa ny vevavy no vôfitaka tanteraka tamin'ny fandikan-dalàna. 15 Na izany aza, de hovonjena izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finona sy ny fitiavana ary ny fahamasinana miaraka amin'ny fahononan-tegna.