Toko 1

1 Peteran apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'reo zanaka am-pelezana, reo ze vôfidy, magnerana an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ary Bitynia. 2 Zany de araka ny fantatr'Andriamanitra Ray melô, vôtokan'ny Fagna ho fankatoavana sy ho famafazana ny ràn'i Jesosy Kristy. Ho am'nareo ane ny fasoavana, ary hitombo ane ny fiadananareo. 3 Isaorana ane Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamin'ny famindram-pony, no nagnomezany antsika faterana vaovao ho an'ny fatokisan'ny lova. Zany lova zany de tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 4 Zany de ho an'ny lova ze tsy ho faty, tsy ho simba, ary tsy ho levona. Zany de vôtokana ho an'nareo aigny an-dagnitra. 5 Anareo de arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finôna, ho an'ny famonjena ze efa vognona ho ambara amin'ny fotôna farany. 6 Tegna ravoravo momba an'zany anareo, na de ilainaro aza ny hatsiaro malaelo amin'ny ôla maro samy hafa am'zao. 7 Zany de ho an'ny fagnaporofona ny finônareo, ze sarobidy kokô no ny volamena ze simba, na de nosedraina tamin'ny afo aza. Mibôgna zany mba ho tazagna ny vokatry ny finônareo amin'ny fiderana, voninahitra, ary haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 8 Tsy nahita an'Azy nareo, nefa te an'Azy. Tsy maita an'azy anareo am'zao fotôna zao kanefa mino an'Azy ary faly amin'ny fifalena tsy hay lazaina, mafinaritra. 9 Raisinareo am'zao ny vokatry ny finônareo, de ny famonjena ny fagnanareo. 10 Reo mpaminagny de nikaraka sy nagnotany tsara ny momba an'zany famonjena an'zany, ny momba ny fasoavana ze ho an'nareo. 11 Zareo de nikaraka ny hafantatra ny momban'ny hoe iza sy ovena ny Fagnan'i Kristy akao am'jareo no niteny tam'jareo. Zany de nibôgna salan'ny nolazainy an'azy reo melô momba an'reo fijalen'i Kristy sy ny voninaitra magnaraka an'zany. 12 Nambara tam'jareo zany mba tsy hanompo ny tegnany zareo, fa nareo, rafa niteny reo ra ze vôlaza taminareo am'zao fotôna zao izy reo tamin'ny alalan'reo ze nitory ny filazantsara taminareo tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa avy aigny an-dagnitra ra ze ten'reo anjely ho fantatra. 13 No zany omagno ny saignareo. Mahonona tegna. Mametrà fitokisana amin'ny fsoavana ze entina akao aminareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14 Amin'ny maha zanaka mpankato, az mampifagnaraka ny tegnanareo am'reo fagnirina ze naranareo tamin'ny mbôla tsy nafantatra nareo. 15 Fa salan'le raika ze nagnantso an'nareo hoe masina, nareo, ka ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanareo manontolo. 16 Fa vôsoratra hoe: "Aoka ho masina satria Masina Za." 17 Ka raha magnantso le raika ze mitsara tsisy fanavakavana araka ny asan'ôla tsiraikaraika avy hoe: "Ray" nareo de handany ny fotôn'andronareo amin'ny fagnehôna fagnajana. 18 Fantatrareo fa tsy avy tamin'ny volafotsy na volamena mety levona no nagnavotana an'nareo tamin'ny fotondran-tegna adala ze negnaranareo tam'reo razagnareo. 19 Fa kosany, navotana tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anareo, ze salan'ny zanak'ondry tsy misy kilema na tsiny. 20 Vôfidy talôn'ny nagnanganana an'zao totolo zao Kristy, fa am'zao de tam'reo fotôna farany no nagnambaràna an'Azy taminareo. 21 Amin'ny alalany no hinonareo an'Andriamanitra, ze nagnangana an'azy tamin'ny maty sy tam'reo nameny voninaitra mba ho akao amin'Andriamanitra ny finôna sy fatokianareo. 22 Nagnadio ny fagnanareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana an'nareo. Zany de ho an'ny fitiavana ara-pirahalahiana madio; no zany mifankatiava fatratra amin'ny fo. [ Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny de mivaky hoe: "Nagnadio ny fagnanareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny Fagna nareo"] 23 Nateraka ndraika nareo, tsy avy amin'ny vô mety maty, fa avy amin'ny vô tsy mety maty, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra velona sy mitôtra. 24 Fa ny nofo daôly de salan'ny ahitra, ary ny voninahiny daôly de salan'ny vonikazon'ny ahitra. Maina ny ahitra, ary malazo ny voninkazo, 25 fa ny tenin'ny Tompo de mitôtra mandrakizay. Zany ny vaovao mafaly ze nambara taminareo.