Toko faha 2

1 No zany areo daôly ny ratsy daôly, ny fadisoam-panantenana daôly, ny fitsaram-belatsy, ny fagniriana, ary ny fagnendrikendrena daôly. 2 Salan'ny zaza vô teraka, magniry ronono ara-pagna madio, mba hafanareo mitombo akao amin'ny famonjena amin'ny alalan'zany, 3 raha natsapa nareo fa tsara fagna ny Tompo. 4 Magnatogna an'azy le vato ze naren'ny ôla, fa vôfidin'Andriamanitra ho manan-danja Aminy. 5 Nareo ihanay kô de salan'roe vato velona ze vôorina ho tragno ara-pagna, mba ho mpisorogna masina ze magnolotra ny sorogna ara-pagna eken'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Ny Soratra Masina de ahitana an'zao: "Indro, Za mipetraka amin'ny Ziona vato fehizoro, vôfidy sy manan-danja. Ze daôly mino an'azy de tsy ho menatra." 7 Ny voninahitra no zany de ho an'nao ze mino. Kanefa, ny vato narian'reo mpanori-trano, zany de tonga lohan'ny fehizoro"- 8 ary vato matafitona sy vatolompy mahalavo. Tafitona zareo, tsy nankàto ny teny, ze vôtokana ho an'azy reo iany ko. 9 Fa enao de ôlom-bôfidy, mpisoron'ny mpanjaka, firenena masina, ôla nalain'Andriamanitra, mba ho afaka hilaza ny hatsaran'reo asan'le raika ze nanantso an'nao avy takao amin'ny haizina hankao amin'ny hazavana matalanjona an'nao. 10 Talô enao tsy ôla, kanefa am'zao enao de ôlon'Andriamanitra. Tsy nandray famindram-po enao, am'zao enao nandray famindrm-po. 11 Ry malala, magnantso an'nareo ôtran'ny vahiny sy mpirenireny za mba hifady ny filàn'ny nofo, ze matonga ady manotra ny fagnanareo. 12 Tokony magnana fitondran-tegan tsara nareo akeo am'reo Jentilisa, ka raha miresaka momba an'nareo ho nagnano ra ratsy zareo, de tokony hahita reo asa tsaranareo sy hankalaza an'Andriamanitra amin'ny andro ze hatongavany. 13 Ankatoavy ny faefan'ny olombelona daôly no ny amin'ny Tompo. Ankatoavy salan'ny ambony indrindra ny mpanjaka, 14 sy reo governora ihany kô, ze nalefa mba hagnasazy reo mpagnano ratsy sy hankalaza reo ze magnano ny tsara. 15 Fa zany no sitrapon'Andriamanitra, amin'ny fanaovana ny tsara an'nareo de mampangina ny resaka tsy mahalala fomban'ny ôla adala. 16 Salan'ny maha-ôlon'afaka, aza ampesaina ho salan'ny fanaronana falemena ny fafahanao, fa ôka ho ôtran'ny mpanompon'Andriamanitra. 17 Omeo voninahitra ny ôlon-daôly. Tiavo ny firalahiana. Matahora an'Andriamanitra. Omeo voninahitra ny Mpanjaka. 18 Ry mpanompo, magnikesa ny tomponareo amin'ny fanajana daôly. Aza magnaiky ho mpanompon'ny tsara sy ho tompo tsara fagna, fa ho an'reo ratsy toetra iany kô. 19 Satia mendri-piderana zany ra misy miaritra fanaintaignana rafa mijaly amin'ny tsy rariny nony fanatenany an'Andriamanitra. 20 Fa ôtrinina ny vola raha manota enao ary miaritra mandritry ny fagnasazena an'nao avy akeo? Fa raha nagnano ny tsara enao ary miaritra mandritry ny fagnasazena an'nao, de mendri-pederana amin'Andriamanitra zany. 21 Fa non'ty nagnatsovana an'nao, satria Kristy iany kô de nijaly ho an'nao. Namela ôhatra ho an'nao Izy mba hagnarana reo lalany. 22 Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaka teo am-bavany. 23 Rafa nitenenina ratsy Izy, de tsy mba namaly ratsy. Rafa nijaly Izy, de tsy nandrahogna, fa nagnolotra ny tegnany tam'le raika ze Mpitsara ampamarinana. 24 Izy tegnany de nitondra reo fahotantsika tao amin'ny tegnany ho akeo ambony kakazo, mba tsy hagnana anjara amin'ny fahotana intsony tsika, ary mba hiaigna ho an'ny fahamarinana. Tamin'ny alalan'ny ratrany no nasitrana an'nareo. 25 Nivejivenjy ôtran'ny ondry very nareo daôly, fa am'zao nareo niverigna tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambina ny fagnanareo.